Sorona Masina ny Asabotsy 18 febroary 2023

Herinandro faha-6 mandavantaona

SABOTSY


Tononkira fidirana

Sal. 30, 3-4


Aoka Ianao ho Andriamanitra mpiaro ahy sy ho tany fialofana hamonjenao ahy; fa Ianao no vatolampy sy tany mimandako; ary ho voninahitry ny Anaranao, dia tariho lalana aho sy fahano.


Fangatahana

Tompo ô, nambaranao mazava fa mitoetra ao amin’ny olo-marina sy mahitsy fo Ianao; koa ataovy marina sy mahitsy fo izahay ho mendrika honenanao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasy nosoratan’i Md. Jakôba Apôstôly

Jak. 3, 1-10


Tsy misy olona mahafolaka ny lelany na dia iray aza.

Ry kristianina havako, aza dia maro loatra aminareo no ho mpampianatra, satria fantatrareo fa ho mafimafy kokoa ny fitsarana anay. Fa manota amin’ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy tsy manota amin’ny teny, olona lavorary izy, ka mahafehy ny tenany rehetra koa. Raha te-hitondra ny soavaly isika, ny vavany no asiantsika lamboridy, dia zakantsika mbamin’ny tenany rehetra koa. Jereo koa ange ny sambo: fanamory kely foana no anodinan’ny mpitondra azy amin’izay tiany, na toy inona habeny, na ahoana hamafin’ny rivotra manohana azy. Toy izany koa ny lela: rantsam-batana kely foana izy, nefa zava-dehibe no mety ho vitany. Jereo izay afo kely foana: dia ala lehibe manao ahoana no dorany! Ny lela koa dia afo; fototry ny haratsiana maro izy. Eo amin’ny rantsam-batantsika, dia izy no mandoto ny tenantsika manontolo; arehitry ny gehen’afo izy, ka mandrehatra ny fandehan’ny andro iainantsika. Azo folahina avokoa ny biby isan-karazany, ny vorona, ny biby mandady, mbamin’izay any an-dranomasina, ka efa voafolaky ny olombelona; fa tsy misy olona nahafolaka ny lela na dia iray aza. Zava-mandoza tsy laitra tohanana izy, sady feno poizina mahafaty. Izy no isaorantsika an’Andriamanitra Raintsika, nefa izy ihany koa no anozonantsika ny olona izay natao mitovy endrika amin’Andriamanitra: koa iray ihany no ivoahan’ny fisaorana sy ny fanozonana. Tsy mety anefa ny toy izany, ry Kristianina havako.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 11, 2-3. 4-5. 7-8


Fiv.: Ianao no miambina anay, ry Tompo.

Vonjeo, ry Tompo, fa ringana ny mpivavaka; aripaky ny olombelona ny mpino! Lainga no ifampilazana amina molotra mandrobo sy fo miefitra!
Hotapahin’ny Tompo avokoa ny molotra mpandrobo sy ny lela mpiteny tafahoatra! «Ny lelanay, hoy ireny, no herinay; ny molotray no momba anay: iza hoe no tomponay?»
Ny Tenin’ny Tompo, teny madio; volafotsy voasedra tanaty memy-tany, impito voadio! Ianao no miambina anay, ry Tompo, sy miaro amin’itý taranaka itý, ry Ilay mandrakizay.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio

Heb. 11, 1-7


Ny finoana no ahafantarantsika fa ny Tenin’Andriamanitra no namoronana izao tontolo izao.

Ry kristianina havana, ny finoana no santatry ny zavatra antenaina, sy porofon’ny zavatra tsy hita. Nanam-pinoana ny Ntaolo ka izany no nahatsara laza azy. Ny finoana no ahafantarantsika fa ny Tenin’Andriamanitra no namoronana izao tontolo izao, fa tsy mba zavatra hita no nanaovana izao zava-miseho izao. Ny finoana no nanoloran’i Abela tamin’Andriamanitra sorona tsaratsara kokoa noho ny an’i Kaina, sy nilazana azy hoe marina, fa nankatoavin’Andriamanitra ny fanatitra nataony; ary noho izany ihany koa, na dia maty aza izy, dia mbola miteny ihany. Ny finoana no namindrana an’i Enôka tsy hiharan’ny fahafatesana, ka tsy hita intsony izy fa nafindran’Andriamanitra, ary talohan’ny namindrana azy dia voalaza fa nankasitrahan’Andriamanitra izy. Raha tsy misy finoana, dia tsy misy ahazoana sitraka amin’Andriamanitra koa: satria izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy hino fa misy Izy, sady mamaly soa izay mitady Azy. Ny finoana no nandrafetan’i Nôe ny sambo fiara hamonjena ny fianakaviany, fa natahotra izy nony efa nilazan’Andriamanitra ny zavatra mbola tsy hita; ary izany no nanamelohany an’izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana izay azo amin’ny finoana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 144, 2-3. 4-5. 10-11


Fiv.: Misaotra ny Anaranao aho, ry ilay Mandrakizay.

Misaotra Anao isan’andro aho, sy midera ny Anaranao mandrakizay! Lehibe ny Tompo ary mendri-dera fatratra; tsy azo takarina ny halehibeny!
Ny taranaka mifampigaga ny zava-bitanao, sy mankalaza ny asanao mahery, manambara ny harevaky ny voninahitrao, mitantara ny asanao mahagaga.
Tompo ô, midera Anao ny asanao rehetra! Misaotra Anao ny mpivavaka aminao! Miresaka ny voninahitry ny fanjakanao izy ireo, sy miteny ny asanao mahery.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ry Tompo, ary ampianaro ahy ny Fitsaranao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 9, 1-12


Niova tarehy teo anatrehan’izy ireo Izy.

Tamin’izany andro izany, nalain’i Jesoa i Piera sy i Jakôba ary i Joany ka nentiny nitokana tany an-tendrombohitra avo anankiray, dia niova tarehy teo anatrehany Izy. Tonga nanjelajelatra sady fotsy hoatry ny oram-panala ny fitafiany, ka tsy misy mpamotsy lamba mahafotsy toy izany etý an-tany. Ary niseho tamin’izy ireo i Elia sy i Môizy, sady niresaka tamin’i Jesoa. Dia niteny i Piera ka nanao tamin’i Jesoa hoe: “Raby ô, mahafinaritra ny mitoetra atý; aoka hanao lay telo izahay, ny iray ho Anao, ny iray ho an’i Môizy, ary ny iray ho an’i Elia.” Fa tsy fantany izay nolazainy, satria raiki-tahotra loatra izy ireo. Tamin’izay dia nisy rahona nanarona azy; ary nisy feo avy tao amin’io rahona io nanao hoe: “Itý no Zanako malalako indrindra, henoy Izy.” Niaraka tamin’izay dia nijerijery manodidina izy ireo, nefa tsy nahita olona intsony, fa i Jesoa irery sisa teo aminy. Nony nidina avy tany an-tendrombohitra izy ireo, dia norarany tsy hilazalaza amin’olona ny zavatra vao hitany, mandra-pitsangan’ny Zanak’Olona ho velona. Dia notanany tao am-pony izany zavatra izany, sady mifampaka saina izy ny amin’izay hevitr’izany hoe mitsangan-ko velona. Ary nanontany Azy izy ireo nanao hoe: “Ahoana àry no ilazan’ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna fa tsy maintsy ho avy aloha i Elia?” Dia hoy i Jesoa hoe: “Tsy maintsy ho avy aloha i Elia sy hanavao ny zavatra rehetra; fa ahoana kosa no nanoratana ny amin’ny Zanak’Olona fa tokony hijaly mafy Izy sy hotevatevaina izaitsizy? Ary lazaiko aminareo fa efa tonga sahady i Elia, sady nataon’ny olona taminy izay sitraky ny fony, araka ny nanoratana azy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Hanadio anay sy hanavao anay anie, ry Tompo, izao fanatitra izao, ka hampahazo ny valisoa mandrakizay an’izay miezaka manatanteraka ny sitraponao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 77, 29-30

Nihinana ireo zanak’i Israely ka voky, nomen’ny Tompo azy izay niriny, ka afa-diana ny fony.


na hoe:

Jo. 3, 16

Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana ny fiainana mandrakizay.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Ampoky ny sakafo mahafa-po avy any an-danitra izahay, ry Tompo, no mihanta aminao; mba ataovy maniry mandrakariva izay hahazoanay ny tena fiainana marina.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0761