Sorona Masina ny Zoma 17 febroary 2023

Herinandro faha-6 mandavantaona

ZOMA

 

Tononkira fidirana

Sal. 30, 3-4

 

Aoka Ianao ho Andriamanitra mpiaro ahy sy ho tany fialofana hamonjenao ahy; fa Ianao no vatolampy sy tany mimandako; ary ho voninahitry ny Anaranao, dia tariho lalana aho sy fahano.

 

Fangatahana

Tompo ô, nambaranao mazava fa mitoetra ao amin’ny olo-marina sy mahitsy fo Ianao; koa ataovy marina sy mahitsy fo izahay ho mendrika honenanao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasy nosoratan’i Md. Jakôba Apôstôly

Jak. 2, 14-24. 26

 

Maty ny vatana tsy misy fanahy, toy zany koa ny finoana tsy omban’asa.

Ry kristianina havana, raha misy olona milaza ho manam-pinoana, nefa tsy manana asa, inona no soa ho azony? Moa hahavonjy azy va izany finoana izany? Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sy tsy manan-kohanina isan’andro, ka ilazan’ny iray aminareo hoe: “Mandehana amim-piadanana, mamindroa sy mivokisa”, nefa tsy omeny izay ilain’ny vatany, inona no soa azony amin’izany? Mba toy izany ihany koa ny finoana, raha tsy omban’asa izy, dia tena maty mihitsy. Hamaly koa ny olona hanao hoe: “Ianao manam-pinoana, hono, ary izaho manana asa koa. Asehoy ahy hoe ny finoanao tsy misy asa; ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin’ny asako.” Ianao mino fa misy Andriamanitra iray; tsara ny ataonao; ny demony koa anefa mino izany, ka mangovitra. Fa moa te-hiaiky va ianao, ry olom-poana, fa tsy vanona ny finoana tsy omban’asa? Moa tsy ny asa va no nanamarinana an’i Abrahama razantsika, tamin’izy nanolotra an’i Isaaka zanany teo ambonin’ny ôtely? Hitanao fa niara-nanao ny finoana sy ny asany; ary ny asa aza no nahatontosa ny finoany. Dia tanteraka ny Soratra Masina hoe: “Ary i Abrahama nino an’Andriamanitra ka notanana ho fahamarinany izany, sady nantsoina hoe sakaizan’Andriamanitra izy.” Hitanao amin’izany fa hamarinina amin’ny asa ny olona, fa tsy amin’ny finoana fotsiny ihany. Toy ny ahafatesan’ny vatana tsy misy fanahy no ahafatesan’ny finoana tsy omban’asa koa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 111, 1-2. 3-4. 5-6

 

Fiv.: Sambatra ny olona mankasitraka fatratra ny didin’ny Tompo.

Sambatra ny olona matahotra ny Tompo, sy mankasitraka fatratra ny didiny! Ny taranany hahery eto an-tany, ny taranjan’olo-marina tahina.
Fananana sy harena ao an-tranony; ny fahamarinany maharitra mandrakizay. Ny olo-marina tsiloviny raha maizina: dia ireo izay mangoraka sy antra.
Ny tsara fanahy mahery mampisambotra; ny lalany voalamina araka ny rariny; tsia, tsy hirona izy mandrakizay! Ny anaran’ny olo-marina ho mandrakizay.

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Jenezy

Jen. 11, 1-9

 

Andeha isika hidina ao ka hanorokoro ny fiteniny mba tsy hifankahazo fiteny intsony izy.

Tamin’izany andro izany, dia iray fiteny sy iray fanononana ny tany rehetra. Nony nandeha niantsinanana ny olona dia nahita tany lemaka tao amin’ny tany Senaara izy, ka niorim-ponenana teo. Dia nifampilaza izy nanao hoe: “Andeha isika hanao biriky, ka handoro azy amin’ny afo.” Dia biriky no nataony solom-bato, ary ditin-tany no nataony solon-tsimenitra.

Hoy koa izy: “Andeha isika hanorina tanàna anankiray, ary tilikambo anankiray mahatakatra ny lanitra ny tampony, dia hanangana tsangambato ho antsika, fandrao tafaely any ambonin’ny tany rehetra isika.” Fa nidina kosa ny Tompo hizaha ny tanàna aman-tilikambo nataon’ny zanak’olombelona. Dia hoy ny Tompo: “Indro firenena iray izy ireo ary fiteny iray no iraisan’izy rehetra, ary itý asa itý no iandohan’izay tiany hatao; amin’izao dia tsy hisy na inona na inona hisakana azy tsy hanatanteraka izay kasainy hatao. Andeha isika hidina ao ihany ka hanorokoro ny fiteniny mba tsy hifankahazo fiteny intsony izy.”

Dia napariakan’ny Tompo avy eo izy ireo ho any ambonin’ny tany rehetra, ka nitsahatra tsy nanao ilay tanàna intsony. Izany no nanaovana ny anarany hoe Babela, satria tao no nanorokoroan’ny Tompo ny fitenin’ny tany rehetra, ary avy ao no nampielezan’ny Tompo azy ireo ho any ambonin’ny tany rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 32, 10-11. 12-13. 14-15

 

Fiv.: Sambatra ny vahoaka nofidin’ny Tompo ho lovany.

Ny Tompo mandrava ny fanampoizan’ny firenena, sy manafoana ny fikasan’ny vahoaka. Ny fanampoizan’ny Tompo maharitra mandrakizay; ny fikasan’ny fony, amin’ny taranaka mifandimby.
Sambatra ny firenena tahin’Andriamanitra Tompony sy ny vahoaka nofidiny ho lovany! Any an-danitra ny Tompo mitazana: hitany avokoa ny zanak’olombeona.
Any amin’ny toerany onenany Izy mitsinjo ny mponina rehetra amin’ny tany: Izy Ilay namolavola ny fony tsy an-kanavaka, ilay mahafantatra ny asany rehetra.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 8, 34-39

 

Izay hahafoy ny ainy noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely no hamonjy azy.

Tamin’izany andro izany, nantsoin’i Jesoa ny vahoaka mbamin’ny mpianany ka nilazany hoe: “Raha misy te-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy. Fa izay te-hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely no hamonjy azy. Inona ny soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny? Sa inona no azon’ny olona omena ho takalon’ny fanahiny? Izay ho menatra Ahy sy ny teniko amin’itý taranaka mpijangajanga sy mpanota itý, dia ho menatra azy koa ny Zanak’Olona rahefa avy amin’ny voninahitry ny Rainy Izy otronin’ny Anjely masina.” Dia hoy koa Izy: “Lazaiko marina aminareo fa ny sasany aminareo eto dia tsy hanandra-pahafatesana raha tsy efa mahita ny fanjakan’Andriamanitra tonga amin’ny voninahitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Hanadio anay sy hanavao anay anie, ry Tompo, izao fanatitra izao, ka hampahazo ny valisoa mandrakizay an’izay miezaka manatanteraka ny sitraponao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 77, 29-30

Nihinana ireo zanak’i Israely ka voky, nomen’ny Tompo azy izay niriny, ka afa-diana ny fony.

 

na hoe:

Jo. 3, 16

Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana ny fiainana mandrakizay.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Ampoky ny sakafo mahafa-po avy any an-danitra izahay, ry Tompo, no mihanta aminao; mba ataovy maniry mandrakariva izay hahazoanay ny tena fiainana marina.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0089