Sorona Masina ny Alahady 12 febroary 2023

ALAHADY FAHA-6 mandavantaona — A

TANO AO AM-PO NY DIDIN-JANAHARY, FA FOTOTRY NY SOA

Tononkira fidirana

Sal. 30, 3-4

Aoka Ianao ho Andriamanitra mpiaro ahy sy ho tany fialofana hamonjena ahy; fa Ianao no vatolampy sy tany mimàndako; ary ho voninahitry ny Anaranao, dia tariho lalana aho sy fahano.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Tompo ô, nambaranao mazava fa mitoetra ao amin’ny olo-marina sy mahitsy fo Ianao; koa ataovy marina sy mahitsy fo izahay ho mendrika honenanao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Siràka

Sir. (Ekl.) 15, 15-20

Tsy nisy olona nodidiany ho mpankahala fivavahana.

Raha sitra-ponao dia hitandrina ny didy ianao; miankina amin’ny sitraky ny fonao, ny tsy mivadika. Nataony eo anoloanao ny afo sy ny rano, azonao atsotra amin’izay tianao ny tananao. Eo anoloan’ny olombelona ny fiainana sy ny fahafatesana, ka izay fidîny dia homena azy. Fa lehibe ny fahendren’ny Tompo; sady mahery Izy no mahefa, ary mahita ny zavatra rehetra. Ny masony dia eo amin’izay matahotra Azy, ary fantany avokoa ny asan’ny olombelona. Tsy misy olona nodidiany ho mpankahala fivavahana, tsy misy olona nomeny lalana hanota.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 118, 1. 2. 4-5. 17-18. 33-34


Fiv.: Sambatra izay mizotra amin’ny Lalàn’ny Tompo.

Sambatra izay madio famindra, fa mizotra amin’ny Lalàn’ny Tompo!
Sambatra izay mitandrina ny Fanambaràny, sy mitady azy amin’ny fony tontolo!
Ianao ihany no namoaka ny Lahatrao mba hotandremana fatratra. Enga anie ho marin-toetra ny lalako amin’ny fitandremana ny Fitsipikao!
Asio soa ity izaho mpanomponao: ka ho velona sy hitandrina ny Teninao!
Alao tampina ny masoko hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny Lalànao!
Tompo ô, toroy ny lalan’ny Fitsipikao aho, mba hitandremako azy hatramin’ny farany.
Omeo fahalalana aho hitandremako ny Lalànao, sy hanarahako azy amin’ny foko tontolo!


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty

1 Kôr. 2, 6-10


Notendren’Andriamanitra talohan’izao tontolo izao, hampahazo ny voninahitra antsika, ny Fahendreny.

Ry kristianina havana, mitory fahendrena amin’izay efa lavorary ihany izahay; nefa tsy mba ny fahendren’izao tontolo izao izany, na an’ny mpanjakan’izao tontolo izao, izay olona efa ho levona; fa fahendren’Andriamanitra no torînay, dia fahendrena lalina tsy hita polopolorina, izay voatendrin’Andriamanitra talohan’izao tontolo izao hampahazo voninahitra antsika; ary tsy nisy nahatakatra izany ny mpanjakan’izao tontolo izao (satria raha nahalala izy, dia tsy ho namàntsika ny Tompon’ny voninahitra tamin’ny Hazofijaliana); fa izany dia anisan’ireo zavatra voasoratra hoe: Zavatra mbola tsy hitan’ny maso na mbola ren’ny sofina, na mbola tafiditra tao am-pon’ny olona velively no namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy. Tamintsika no nanambaràn’Andriamanitra izany tamin’ny Fanahiny; satria mahafantatra ny zavatra rehetra ny Fanahy, na dia izay lalina indrindra ao amin’Andriamanitra aza.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao. Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 5, 17-37 (lava); na 20-22a, 27-28. 33-34a. 37 (fohy)

Raha izany no nolazaina tamin’ny Ntaolo, izao kosa no lazaiko aminareo.

Raha ny fohy no atao dia avela ny ao anatin’ny […]

Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: [“Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny Lalàna sy ny Mpaminany; tsy tonga handrava Aho, fa hanatanteraka. Fa lazaiko aminareo marina tokoa, fa mandra-pahalevon’ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin’ny Lalàna na dia iray na tendrin-tsoratra iray akory aza, mandra-pahatanterak’izy rehetra. Koa amin’izany, izay handika ny anankiray amin’ireo didy madinika indrindra ireo, ka hampianatra ny olona toy izany, dia ho kely indrindra amin’ny Fanjakan’ny lanitra; fa izay hanatanteraka sy hampianatra ireo kosa dia ho lehibe amin’ny Fanjakan’ny lanitra. ]

Lazaiko aminareo, fa raha tsy lehibe noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny Fanjakan’ny lanitra akory ianareo. Efa renareo fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe: Aza mamono olona, ary izay hamono olona dia hohelohina amin’ny fitsarana. Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mitezitra ny rahalahiny dia hohelohina amin’ny Fitsarana.

[Ary izay hanao aminy hoe Raka, dia hohelohina amin’ny Sanedrîna; ary izay hanao azy hoe Foka dia hohelohina any amin’ny gehen’afo. Koa raha manatitra ny fanatitrao eo amin’ny ôtely ianao, ka eo vao mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny namanao, dia avelao eo amin’ny ôtely aloha ny fanatitrao, ka mandehana mihavana amin’ny namanao vao miverina hanolotra ny fanatitrao indray. Mihavàna faingana amin’izay manana ady aminao, dieny samy mbola eo an-dalana ianareo, fandrao atolotr’izay manana ady aminao amin’ny mpitsara ianao, ary ny mpitsara kosa hanatitra anao amin’ny mpamatotra, ka hatao an-tranomaizina ianao. Lazaiko aminao marina tokoa fa tsy ho afaka ao mihitsy ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany. ]

Efa renareo fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe: Aza mijangajanga. Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra hijery vehivavy ka maniry azy, dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady. [Koa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao, dia esory izy ka ario lavitra anao, fa aleo zavatra iray amin’ny tenanao no very, toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin’ny gehen’afo. Ary raha ny tananao ankavanana no manafintohina anao, dia tapaho ka ario lavitra anao, fa aleo rantsam-batana iray amin’ny tenanao no very, toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin’ny gehen’afo. Ary koa efa voalaza hoe: Na iza na iza hisaotra ny vadiny, dia aoka hanome azy ny taratasy fisaorana. Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra misao-bady, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, dia mampijangajanga azy; ary izay hanambady ny voasaotra dia mijangajanga.]

Ary efa renareo koa fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe: Aza mianiana tsy to, fa efao amin’ny Tompo ny fianiananao. Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hianiana akory, [na amin’ny lanitra, fa seza fiandrianan’Andriamanitra izy; na amin’ny tany, fa fandiavan’ny tongony izy; na amin’i Jerosalema, fa tanànan’ny Mpanjaka lehibe izy; na amin’ny lohanao, fa tsy mahay mahafotsy na mahamainty na dia singam-bolo iray akory aza ianao.] Fa aoka ny teninareo ho eny, dia eny; tsia, dia tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ilay Ratsy”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, mikendry ny soa ho antsika zanany Andriamanitra ka tsy mitsaha-manoro sy mananatra antsika; koa ndeha hiara-mitalaho ny fahasoavany hanampy antsika hanatanteraka ny sitra-pony.

Fiv.: Arotsahy aminay ny fahazavanao sy ny fahamarinanao.

* Mivavaha ho an’izay rehetra anisan’ny Eglizy, na mpitondra na vahoaka, mba samy hahay mitarika ny olona hanatona an’Andriamanitra hany fototry ny tena hasambarana marina.
* Mivavaha ho an’ireo mpanao lalàna sy mpampihatra ny lalàna amin’ny vahoaka, mba hanaovany sy hampihàrany Lalàna manampy ny olona hanatanteraka ny sitra-pon’Andriamanitra hifankatiavana eo amin’ny fiaraha-monina.
* Mivavaha ho an’ireo noana sy mijaly: mba tsy hijery fotsiny isika mpiara-belona aminy, fa mba samy hahafoy tena hanampy azy ho sambatra.
* Mivavaha ho antsika iray fiangonana mba samy hazoto hihaino tsara ny Tenin’i Kristy Tompontsika, ary mba tsy ho mpanatanteraka ivelany fotsiny, fa hanova ny fo aman-tsaintsika mbamin’ny fiainantsika manontolo ho araka izay nampianariny tokoa.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Tompo ô, tsy foinao ho very anatin’ny haizin’ny tsy fahalalana izay sitrakao, ny olombelona arin-tananao; ka atoronao amim-pitiavana ny didinao sy ny fomba aman-toetra hanatanterahana azy; koa mihanta aminao izahay, mba hazavao ny sainay hahalala ny fitsipikao ary herezo ny sitraponay hazoto manatanteraka azy. Fa Ianao velona sy manjaka mandraizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Hanadio anay sy hanavao anay anie, ry Tompo, izao fanatitra izao, ka hampahazo ny valisoa mandrakizay an’izay miezaka manatanteraka ny sitraponao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady tsotra faha-VIII, ohatra.


Kômonio

Sal. 77, 29-30

Nihinana ireo zanak’i Israely ka voky, nomen’ny Tompo azy izay niriny, ka afa-diana ny fony.


na hoe:

Jo. 3, 16

Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany Lahy tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Ampoky ny sakafo mahafa-po avy any an-danitra izahay, ry Tompo, no mihanta aminao: mba ataovy maniry mandrakariva izay hahazoanay ny tena fiainana marina. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0886