Sorona Masina ny Zoma 10 febroary 2023

Herinandro faha-5 mandavantaona

ZOMA

 

Tononkira fidirana

Sal. 94, 6-7

 

Andeha isika hiankohoka sy hitsaoka an’Andriamanitra; mandohaliha eo anoloan’ny Tompo nanao antsika, fa Izy no Tompo Andriamanitsika.

 

Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, ombao fitiavana lalandava izahay fianakavianao, ka ambeno sy arovy mandrakariva, fa ny hany ianteheranay dia ny fahasoavanao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka… Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Boky voalohan’ny Mpanjaka

1 Mpanj. 11, 29-32 ; 12, 19

 

Niendaka tamin’ny tranon’i Davida i Israely.

Tamin’izany andro izany, raha nivoaka avy tao Jerosalema i Jerôbôama dia nifanojo teny an-dalana tamin’i Ahiasa mpaminany, avy any Silao, sy nitafy kapaoty vaovao: izy roalahy ihany no tany an-tsaha tamin’izany. Nalain’i Ahiasa ny kapaoty vaovao teny aminy, ka norovidrovitiny ho roa ambin’ny folo, dia hoy izy tamin’i Jerôbôama: “Raiso ho anao ny tapany folo, fa izao no lazain’ny Tompo Andriamanitr’i Israely: Indro, hendahako avy eo an-tanan’i Salômôna ny fanjakana, ka homeko anao ny foko folo, fa ny foko iray ihany no sisa azy, noho ny amin’i Davida mpanompoko sy noho ny amin’i Jerosalema, tanàna voafidiko tamin’ny fokon’i Israely rehetra.” Toy izany no niendahan’i Israely tamin’ny tranon’i Davida mandraka androany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 80, 10-11ab. 12-13. 14-15

 

Fiv.: Izaho no Tompo Andriamanitrao, mihainoa ny teny hambarako anao.

Tandremo mitsaoka andriamani-kafa. Mandray ny andriamanitr’ireo vahiny; f’izaho re no Tompo Andriamanitrao. Nampakatra anao avy tany Ejipta.
Kinanjo ny oloko tsy nihaino. I Israely nanosika Ahy! Izao izy avelako hanao ny tiany. Hanaraka tsara izay sitrapony.
Indrisy raha nihaino Ahy ireo olon-tiako. Ka i Israely nanaraka Ahy: dia ho noreseko ny fahavalo. Ny rafy ho nasiako tokoa tokoa.

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Jenezy

Jen. 3, 1-8

 

Ho tahaka an’Andriamanitra ianareo: mahalala ny tsara sy ny ratsy.

Ny bibilava no fetsy indrindra amin’ny biby rehetra eny an-tsaha izay nataon’ny Tompo Andriamanitra. Hoy izy tamin-dravehivavy: “Hay va re Andriamanitra nanao hoe: Aza mihinana amin’ny hazo rehetra amin’ny saha ianareo.” Hoy ny navalin-dravehivavy ny bibilava: “Mihinana amin’ny voan’ny hazo amin’ny saha izahay; fa ny voan’ny hazo eo afovoan’ny saha no nanaovan’Andriamanitra taminay hoe: “Aza mihinana amin’izany ary aza mikasika izany akory, fandrao maty ianareo.” Dia hoy ny bibilava tamin-dravehivavy: “Tsia, tsy ho faty akory ianareo: fa fantatr’Andriamanitra fa amin’izay andro hihinanareo amin’izany, dia hisokatra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra ianareo, mahalala ny tsara sy ny ratsy.” Ary hitan-dravehivavy fa ny voan’ilay hazo dia fihinana mahate-hijery sy mendrika hoirîna mba hahazoana fahiratan-tsaina; nioty tamin’ny voany izy, dia nihinana ary nomeny koa ny vadiny izay niaraka taminy, ary nihinana izy. Nisokatra ny mason’izy mivady, ary fantany fa nitanjaka izy; ka nanjaitra ravin’aviavy izy ireo nataony sikina. Tamin’izay dia ren’izy ireo ny feon’ny Tompo Andriamanitra nandalo tao amin’ny saha rahefa nangatsiatsiaka ny andro; ka niery ny Tompo Andriamanitra tao anaty hazon’ny saha ralehilahy sy ny vadiny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 31, 1-2. 5. 6. 7.

 

Fiv.: Sambatra izay afa-keloka sy voavela ota.

Sambatra izay afa-keloka sy voavela ota!
Eny, sambatra ny olona tsy itanan’ny Tompo hadisoana,
sy tsy misy fitaka eo am-bava!

Koa nitsorako taminao ny otako;
tsy nafeniko Anao ny hadisoako:
«Miaiky heloka aho Tompo!» hoy aho:
dia nesorinao ny hadisoana sy ny ota!

Koa amin’ny andro fahoriana,
ny mpivavaka rehetra hidera Anao;
raha ho tondraka ny ranobe, izy tsy mba ho trany.
Ianao no fiereko miaro amin’ny loza;
izaho hodidininao hiram-pahafahana!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 7, 31-37

 

Nampalady ny marenina sy nampiteny ny moana Izy.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niala tany amin’ny faritanin’i Tira, ary namaky ny faritanin’i Sidôna ka tonga tany amoron’ny ranomasin’i Galilea, amin’ny faritanin’i Dekapaoly. Tao dia nisy lehilahy anankiray sady marenina no moana nentin’izy ireo teo aminy sy nangatahany mba hametrahany tanana. Dia nitondra azy niavaka tamin’ny vahoaka Izy, ka nangarona ny sofiny tamin’ny rantsan-tanany sy nanisy rora ny lelany. Rahefa izany dia niandrandra ny lanitra Izy, sady nisento ary nanao taminy hoe: “Efeta, izany hoe, misokafa.” Niaraka tamin’izay dia nisokatra ny sofiny ary voavaha ny fatoran’ny lelany, ka niteny tsara izy, ary norarany ny olona tsy hilazalaza izany na amin’iza na amin’iza; fa araka ny nandrarany azy ireo no vao mainka nampielezany izany kokoa aza; sady talanjona loatra izy ireo ka nanao hoe: “Tsara avokoa ny zavatra rehetra nataony, fa nampalady ny marenina Izy ary nampiteny ny moana.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Ry Tompo Andriamanitray ô, nataonao hanohana anay osa sy malemy ireto vokatry ny tany ireto, koa mihanta aminao izahay: enga anie ho tonga Sakramenta manambara sy mampahazo ny fiainana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 106, 8-9

Hisaorana anie ny Tompo noho ny hatsaram-pony sy ny zava-mahagaga vitany ho an’ny olombelona: fa ny fanahy mangetaheta, hetsahiny; ny fanahy mosarena, vokisany soa.

 

na hoe:

Mt. 5, 5-6

Sambatra ny ory, fa halàna alahelo; sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana fa ho voky.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Andriamanitra ô, sitrakao ho mofo iray ihany no hifanapahanay ary kalisy iray ihany no hiarahanay misotro; ka ataovy miray ao amin’i Kristy izahay, dia ho faly hitondra famonjena ho an’izao tontolo izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0083