Sorona Masina ny Alatsinainy 06 febroary 2023

Herinandro faha-5 mandavantaona

ALATSINAINY


Tononkira fidirana

Sal. 94, 6-7


Andeha isika hiankohoka sy hitsaoka an’Andriamanitra; mandohaliha eo anoloan’ny Tompo nanao antsika, fa Izy no Tompo Andriamanitsika.


Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, ombao fitiavana lalandava izahay fianakavianao, ka ambeno sy arovy mandrakariva, fa ny hany ianteheranay dia ny fahasoavanao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka… Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Boky voalohan’ny Mpanjaka

1 Mpanj. 8, 1-7. 9-13


Nentiny teo amin’ny fitoerany ny fiara faneken’ny Tompo, ao amin’ny fitoerana masina indrindra ka nameno ny tranon’ny Tompo ny rahona.

Tamin’izany andro izany, novorin’i Salômôna tao aminy, tany Jerosalema, avokoa ny loholon’i Israely, sy ny lehibe rehetra isam-pokony, ary ny filoham-pianakavian’ny zanak’i Israely, mba hamindra ny fiaran’ny faneken’ny Tompo avy amin’ny tanànan’i Davida, izany hoe any Siôna. Ka nivory tao amin’i Salômona mpanjaka avokoa ny lehilahy rehetra amin’i Israely, tamin’ny fety, amin’ny volana Etanima, volana fahafito. Nony tonga ny loholona rehetra amin’i Israely, dia nentin’ny mpisorona ny fiara. Nentiny ny fiaran’ny Tompo mbamin’ny trano lay fihaonana sy ny fanaka voahasina rehetra izay tao amin’ny trano lay, ka ny mpisorona sy ny Levita no nitondra ireo. Ary i Salômôna mpanjaka sy ny fiangonan’i Israely rehetra izay nantsoiny ho eo aminy, dia niaraka taminy teo anoloan’ny fiara. Ondry sy omby tsy hita isa sy tsy tambo isaina noho ny hamaroany no novonoiny ho sorona. Dia nentin’ny mpisorona teo amin’ny fitoerany ny fiaran’ny faneken’ny Tompo, dia tao amin’ny fitoerana masin’ny trano, ao amin’ny fitoerana masina indrindra, teo ambonin’ny elatry ny kerobima. Fa namelatra ny elany tambonin’ny fitoeran’ny fiara ny kerobima ka nanaloka ny fiara sy ny baony teo amboniny. Tao anatin’ny fiara tsy nisy afa-tsy ny takela-bato roa, napetrak’i Môizy tao, tany an-tendrombohitra Hôreba, fony ny Tompo nanao fanekena tamin’ny zanak’i Israely, tamin’ny nivoahany avy tany amin’ny tany Ejipta. Nony nivoaka avy tao amin’ny fitoerana masina ny mpisorona dia nameno ny tranon’ny Tompo ny rahona, ka tsy nahajanona hanao ny fanompoany tao ny mpisorona, noho ny amin’ny rahona, fa nameno ny tranon’ny Tompo ny voninahitry ny Tompo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 131, 6-7. 8-10


Fiv.: Midira ato an-trano fonenanao re, ry Tompoko!

Indro lazaina hoe any Efrata ny fiarany, anatin’ny saha manodidina eo no napetrany! Midira ao an-tranon’ilay Masin’ny Masina! Midira ao an-kianjany, miankohofa anoloany!
Midira ato an-trano fonenanao re, ry Tompoko! Ka ento mba hiditra ilay Fiaranao Masina. Ny olam-boahosotra anie hitandro ny rariny. Hifaly, hihoby, hidera Anao ny mpivavaka! Ny tavan’ilay voahosotra aza atosika, tsarovy i Davida mpanomponao re, ry Tompoko!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Jenezy

Jen. 1, 1-19


Niteny Andriamanitra, ary dia vita araka izay nolazainy.

Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. Tsy nisy endrika sady foana ny tany; ny haizina nanarona ny hantsana ary ny Fanahin’Andriamanitra nisonenika tambonin’ny rano. Hoy Andriamanitra: “Misia ny mazava.” Dia nisy ny mazava. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara ny mazava. Nosarahin’Andriamanitra ny mazava sy ny haizina. Ka ny mazava nataony hoe andro. Ary ny maizina kosa alina. Dia nisy hariva, ary nisy maraina. Izay no andro voalohany. Hoy Andriamanitra: “Misia habakabaka eo anelanelan’ny rano, ary aoka izy hampisaraka ny rano amin’ny rano.” Dia nataon’Andriamanitra ny habakabaka, ka ny rano ambonin’ny habakabaka dia nosarahiny tamin’ny rano ambanin’ny habakabaka, dia tanteraka izany. Nataon’Andriamanitra hoe lanitra, ny habakabaka. Ary nisy hariva sy nisy maraina. Izay no andro faharoa. Hoy Andriamanitra: “Aoka hiangona amin’ny fitoerana iray ny rano eo ambanin’ny lanitra, ka aoka hiseho ny maina.” Dia tanteraka izany. Nataon’Andriamanitra hoe tany, ny maina; ary nataony hoe ranomasina, ny rano tafangona, ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany. Dia hoy Andriamanitra: “Aoka ny tany haniry ahitra maitso sy anana mamoa ary hazo mamoa, samy mamoa misy ny voany ao aminy, araka ny karazany avy, eny ambonin’ny tany.” Dia tanteraka izany. Ary ny tany naniry ahitra maitso sy anana mamoa samy araka ny karazany avy, ary hazo mamoa misy ny voany ao aminy, samy araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahatelo. Hoy Andriamanitra: “Misia fanazavana eo amin’ny habakabaky ny lanitra, mba hampisaraka ny andro sy ny alina ; ary aoka izy ho famantarana, ka hanamarika ny fotoana, ny andro, ny taona; ary aoka ho fanazavana eny amin’ny habakabaky ny lanitra hanazava ny tany.” Dia tanteraka izany. Nanao ny fanazavana roa lehibe Andriamanitra; ny lehibebe kokoa hitarika ny andro, ny kelikely kokoa hitarika ny alina, ary nanao ny kintana koa. Napetrak’Andriamanitra eo amin’ny habakabaky ny lanitra ireo hanazava ny tany, hitarika ny andro sy ny alina, hampisaraka ny mazava sy ny maizina; ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahefatra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 103, 1-2a. 5-6. 10 sy 12. 24 sy 35d


Fiv.: Ny Tompo anie hifaly amin’ny asany.

Isaory ny Tompo, ry fanahiko! Lehibe aoka izany Ianao, ry Tompo Andriamanitro, izay mitafy fahamendrehana sy fiandrianana, mifono hazavana ho toa akanjo.
Ianao nandraikitra ny tany tamin’ny fanorenany, mba tsy hihetsehany mandrakizay! Ny ranobe no toa bodofotsy narakotrao azy: ka nianina teny an-tampon’ny vohitra ny rano.
Nampiboika loharano teny an-dohasaha Ianao, sy nitarika azy ho eny anelanelam-bohitra; hitoeran’ny voron’ny lanitra eo amboniny, ka hikarantsanany anaty ravin-kazo!
Drey ny hamaroan’ny asanao, ry Tompo! Sady vita amim-pahendrena avokoa! Ny tany henika ny harenao! Isaory ny Tompo, ry fanahiko!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Araikao amin’ny fanambaranao ny foko, ry Tompo, ary ny Lalànao no aoka hanenika ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 6, 53-56


Izay rehetra nanendry Azy dia sitrana.

Tamin’izany andro izany, nony tafita i Jesoa sy ny mpianany, dia nitody tao Genezareta ka niantsona teo. Ary rahefa niala tao an-tsambo kely izy ireo, dia nahalala an’i Jesoa niaraka tamin’izay ny olona, ka lasa nitety ny manodidina, ary rafitra nitatitra ny marary tamin’ny fandriana ho any amin’izay reny fa misy Azy. Na taiza na taiza nalehany, na tamin’ny vohitra, na tany an-tanàna, na tany an-tsaha, dia napetraky ny olona teo an-kianja ny marary, sady niangavy taminy mba havelany hanendry na dia ny sahondran’akanjony ihany aza, ka izay rehetra nanendry Azy dia sitrana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Ry Tompo Andriamanitray ô, nataonao hanohana anay osa sy malemy ireto vokatry ny tany ireto, koa mihanta aminao izahay: enga anie ho tonga Sakramenta manambara sy mampahazo ny fiainana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 106, 8-9

Hisaorana anie ny Tompo noho ny hatsaram-pony sy ny zava-mahagaga vitany ho an’ny olombelona: fa ny fanahy mangetaheta, hetsahiny; ny fanahy mosarena, vokisany soa.


na hoe:

Mt. 5, 5-6

Sambatra ny ory, fa halàna alahelo; sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana fa ho voky.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Andriamanitra ô, sitrakao ho mofo iray ihany no hifanapahanay ary kalisy iray ihany no hiarahanay misotro; ka ataovy miray ao amin’i Kristy izahay, dia ho faly hitondra famonjena ho an’izao tontolo izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0988