Sorona Masina ny Alahady 05 febroary 2023

ALAHADY FAHA-5 mandavantaona — A

NY SOA ATAO LEVENAM-BOLA

Tononkira fidirana

Sal. 94, 6-7

Andeha isika hiankohoka sy hitsaoka an’Andriamanitra; mandohaliha eo anoloan’ny Tompo nanao antsika, fa Izy no Tompo Andriamanitra.

 

Asiana VONINAHITRA ANIE...

 

Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, ombao fitiavana lalandava izahay fianakavianao, ka ambeno sy arovy mandrakariva, fa ny hany ianteheranay dia ny fahasoavanao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 58, 7-10

Hiposaka hoatra ny fahazavan’ny maraina ny fahazavanao.

Izao no lazain’ny Tompo: Tsy izao va no fifadiana tiako kokoa; ny hizaranao ny mofonao amin’izay noana, sy ny hampiantranoanao ireo mahantra sy tsy manan-kidirana, sy ny hanafianao izay hitanao miboridana, ary ny tsy hivilianao tsy hijery ny tapaky ny tenanao? Amin’izany ny fahazavanao hiposaka hoatra ny fahazavan’ny maraina, ary ny fahasitrananao ho tonga faingana; ny fahamarinana, hialoha lalana anao; ny voninahitry ny Tompo ho vodilalanao. Amin’izany ianao hiantso, ary ny Tompo hamaly; ianao hitaraina, ary Izy hanao hoe: “Inty Aho!” Raha esorinao tsy ho eo aminao intsony ny jioga, ny fanambànana sy ny teny manala baràka; raha manome ny haninao ho an’ny noana ianao, sy mamoky ny fanahy miferin’aina; hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao, hamirapiratra hoatra ny mitataovovonana ny haizinao.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 111, 45. 6-7. 8a sy 9

 

Fiv.: Ny olo-marina tsilovina raha maizina.

Ny olo-mahitsy fanilo amin’ny haizina, fa marina, mangoraka sy antra. Ny tsara fanahy mahery mampisambotra ny lalany voalamina araka ny rariny.
Tsia, tsy hirona izy mandrakizay, ny anaran’ny olo-marina ho mandrakizay. Ny fandrenesana loza tsy mba atahorany ny fony mitombina matoky ny Tompo.
Ny fony tsy matahotra fa mandry feizay, mahafoy izy, omeny be ny mahantra ny soa ataony maharitra mandrakizay, ny hery sy voninahiny miasa mitombo.

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy voalohan’i Md Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty

1Kôr. 2, 1-5

 

Notorîko taminareo ny fanambaràn’I Kristy voafantsika.

Ry kristianina havana, fony aho tonga taty aminareo, dia tsy mba tamin-teny ambony, na tamim-pahendrena no nitoriako ny Evanjelin’Andriamanitra taminareo. Fa ninia tsy nahalala zavatra hafa afa-tsy i Jesoa Kristy aho taty aminareo, indrindra fa Izy voafantsika tamin’ny Hazofijaliana. Ary tamim-pahalemena sy tahotra ary hovitra be no nanatonako anareo; sady tsy mba tamin’ny tenim-pahendrena mampiaiky volana no nampianarako sy nitoriako teny taminareo, fa tamin’ny fanehoan’ny Fanahy sy ny herin’Andriamanitra azy, ho marina; mba tsy hiorenan’ny fonareo amin’ny fahendren’olombelona, fa amin’ny herin’Andriamanitra ihany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no manana ny fahazavan’ny fiainana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 5, 13-16

Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Ianareo no fanasin’ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, hatao ahoana no fanasina azy indray? Tsy ho azo atao inona intsony izy, fa dia hariana any alatrano hohitsahin’ny olona.

Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao: tsy azo afenina izay tanàna miorina eo antampon-tendrombohitra, ary tsy misy olona mampirehitra jiro, ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana, fa eo ambonin’ny fanaovan-jiro no apetrany mba hanazava izay rehetra ao an-trano. Aoka hazava eo imason’ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo, ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay an-danitra”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO

 

Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, manana adidy isika ho fahazavan’izao tontolo izao sy ho fanasin’ny tany, nefa tsy ny fahendren’olombelona no hahavitantsika izany, hoy i Md. Paoly, fa ny herin’Andriamanitra; koa angony ny fontsika amin’izao ranombavaka izao, hangataka amin’Andriamanitra mba ho henika ny hazavan’i Kristy isika, hijoroantsika ho vavolombelony.

Fiv.: Arotsahy aminay ny fahazavanao sy ny fahamarinanao.

* Mivavaha ho an’ny Eglizy mba ho fanasina tsy lefy na oviana na oviana izy, ka hizara fahamasinana amin’izao tontolo izao, ary ho masoandro be lohataona hamiratra hatrany ho fahazavan’ny ambanilanitra.
* Mivavaha ho an’ireo mamolavola ny sain’olombelona, dia ny mpikatroka isan-karazany, ny mpampianatra, ny mpanao gazety, ny mpanao pôlitika; mba ho ny marina tsy mitanila no hasehony sy hatorony hanazava ny olona.
* Mangataha ho an’ireo tsy mahalala, ireo atoro vohony sy fitahina, ka mitankizina tsy mahita mazava, mba hanirahan’i Kristy mpikatroka izy ireny, hanilo sy hanala haizina azy.
* Maro ny trotraky ny asa sy ny ahiahy, betsaka ny revo amin’ny fivelomana tsy ampy, ka maizina antoandro eto amin’ny fiainana; koa mivavaha mba hafahan’Andriamanitra amin’ny fahoriana mangeja azy izy ireny sy hoentiny hankeo amin’ny fahazavan’i Kristy.
* Mivavaha amin’ny Tompo mba ho tena fahazavana sy fanasina isika, eo amin’ny fianakaviantsika sy ny mpiray asa amintsika, ary eo amin’ny fiangonantsika sy ny mpiara-monina.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.

 

Ry Jesoa Tompo ô, iraho ny Fanahinao handrisika anay hampahalala ny olona rehetra fa Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra, masoandro be lohataona: fahazavan’ny ory, tokana mahenina ny maro, ary volana fenomanana: fanala haizin’ny alina, jiron’ny malahelo, fahazavan’ny ambanilanitra. Eny Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Ry Tompo Andriamanitray ô, nataonao hanohana anay osa sy malemy ireto vokatry ny tany ireto, koa mihanta aminao izahay: enga anie ireo, ho tonga Sakramenta manambara sy mampahazo ny fiainana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Alahady mandavantaona VII, ohatra.

 

Kômonio

Sal. 106, 8-9

Hisaorana anie ny Tompo noho ny hatsaram-pony sy ny zava-mahagaga vitany ho an’ny olombelona fa ny fanahy mangetaheta, hetsahiny; ny fanahy mosarena, vokisany soa.

 

na hoe:

Mt. 5, 5-6

Sambatra ny ory, fa halana alahelo; sambatra ny noana sy mangetaheta fahamarinana, fa ho voky.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Andriamanitra ô, sitrakao ho mofo iray ihany no hifanapahanay ary kalisy iray ihany no hiarahanay misotro; ka ataovy miray ao amin’i Kristy izahay, dia ho faly hitondra famonjena ho an’izao tontolo izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0085