Sorona Masina ny 30/01/2023

Herinandro faha-4 mandavantaona

ALATSINAINY


Tononkira fidirana

Sal. 105, 47


Vonjeo izahay, ry Tompo Andriamanitray, ka angony avy amin’ireo firenena, mba hidera ny Anaranao masina sy hifaly amin’ny fiderana Anao!


Fangatahana

Ry Tompo Andriamanitray ô, ampio izahay ho feno fanajana Anao sy ho feno fitiavana ny olona rehetra.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Boky faharoan’i Samoela

2 Sam. 15, 13-14. 30 ; 16, 5-13a


Andeha isika handositra fa tsy misy hahafahantsika amin’i Absalôma.

Tamin’izany andro izany, nisy olona tonga nilaza tamin’i Davida, nanao hoe: “Tafaraikitra amin’ny fanarahana an’i Absalôma ny fon’ny lehilahy amin’i Israely.” Ka hoy i Davida tamin’ny mpanompony rehetra tao aminy tany Jerosalema: “Mitsangàna, andeha isika handositra, fa tsy misy hahafahantsika amin’i Absalôma. Andao faingana fandrao dia tampohiny isika, ka ataony idiran-doza eto, sady hasiany amin’ny lelan-tsabatra ny tanàna.” Niakatra ny tendrombohitra Oliva i Davida, niakatra sy nitomany izy, sady nisaron-doha ary nandeha tsy nikiraro; ny vahoaka rehetra nanaraka azy koa nisaron-doha ary nitomany teny am-piakarana. Nony tonga tao Bahorîma ny Mpanjaka, indro nisy lehilahy anankiray, atao hoe Semeia, zanak’i Gerà, iray fianakaviana tamin’ny ankohonan’i Saola, nivoaka avy tao, dia nandroso izy sady nanozona, ary nitora-bato an’i Davida mbamin’ny mpanompon’i Davida mpanjaka rehetra; ary ny vahoaka mbamin’ny lehilahy mahery kosa tamin’izay, dia teo ankavanany sy ankaviany. Izao no tenin’i Semeia nanozona azy: “Mandehana any, mandehana any, ry ilay mpandatsa-drà, ry olon’i Beliala! Indro natsingerin’ny Tompo aminao ny ran’ny tamingan’i Saola rehetra izay nosoloinao toerana mba ho mpanjaka; natolony ho eo an-tanan’i Absalôma zanakao ny fanjakana ka indro fa idiran-doza ianao izao, satria lehilahy mpandatsa-drà ianao.” Ka hoy i Abisaia zanak’i Sarvià tamin’ny mpanjaka: “Ahoana no anozonan’ilay alika maty io ny mpanjaka tompoko? Avelao kely aho handeha hanapaka ny lohan’io!” Fa hoy ny navalin’ny mpanjaka: “Tsy manan-draharaha aminareo aho, ry zanak’i Sarvià! Aoka hanozona izy, satria raha ny Tompo no nanao taminy hoe: Ozòny i Davida: zovy moa no hanao aminy hoe: ahoana no anaovanao izany?” Ary hoy i Davida tamin’i Abisaia sy ny mpanompony rehetra: “He, ny zanako naloaky ny kiboko aza itý mitady ny aiko; ka mainka io zana-Benjamina io! Avelao izy hanozona, fa didin’ny Tompo taminy izany. Angamba hijery ny fahoriako ny Tompoko ka soa no hataon’ny Tompo amiko ho valin’izao ozona androany izao.” Ary i Davida sy ny olony nanohy ny diany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 3, 2-3. 4-5. 6-7


Fv.: Mitsangàna, ry Tompo! Vonjeo aho, ry Andriamanitro!

Tompo ô! drey itý hamaroan’ny rafiko sy ireo mitsangan-kanohitra ahy, sy ireo mikendry ny aiko: fa vonjen’Andriamanitra hono aho!
Kanjo, Ianao, ry Tompo no mpanao soa ahy, voninahitro, mpanatràka ny lohako! Izaho niantso ka niantso ny Tompo: Izy nanoina tany am-Bohiny masina!
Izaho mandry, dia matory, dia mifoha: fa ny Tompo manohana ahy! Tsy atahorako izay vahoaka alinalina manemitra ahy hatraiza hatraiza!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio

Heb. 11, 32-40


Nandray fanjakana maro izy ireo noho ny finoany. Isika no nanamboaran’Andriamanitra zavatra tsaratsara kokoa.

Ry kristianina havana, inona koa no holazaiko. Tsy ho ampy ny andro hilazako ny amin’i Jedeôna, i Baraka, i Samsôna, i Jefte, i Davida, i Samoela, mbamin’ny mpamimany: fa noho ny finoana koa izy ireo dia nandresy fanjakana maro, niasa ara-drariny, nahazo ny nampanantenaina, nanakombona ny vavan’ny liona, namono ny herin’ny afo, afaka tamin’ny lelan’ny sabatra, nositranina tamin’ny aretina, nampiseho herim-po tamin’ny ady, nampandositra ny miaramilan’ny fahavalo; nandraisan’ny vehivavy ny zanany maty voatsangan-ko velona. Ny sasany nampijaliana ho faty, nefa tsy nety nanao izay hahafahany, mba hahazoany ny fitsanganan-ko velona tsaratsara kokoa; ny sasany niaritra fanesoana sy kapoka ary gadra mbamin’ny tranomaizina; notoraham-bato izy, notsofaina, nalaim-panahy, novonoina tamin’ny sabatra, nirenireny nitafy hoditr’ondry sy hoditr’osy, tsy nanana na inona na inona, nenjehina, nampahorina, nefa tsy mendrika ho nitoerany akory izao tontolo izao, nirenireny tany an’efitra izy, sy tany an-tendrombohitra, ary tany an-johy mbamin’ny tany an-dava-tany. Na dia nankalazaina noho ny finoana aza anefa izy rehetra ireo, dia tsy nisy nahazo ny nampanantenaina, fa isika no namboarin’Andriamanitra zavatra tsaratsara kokoa, ka tsy tonga amin’ny fahatanterahana ireo raha tsy mba efa mby eo koa isika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 30, 20. 21. 22. 23. 24


Fiv.: Mahereza, hatanjaho ny fo, ianareo rehetra miantehitra amin’ny Tompo.

Akory itý haben’ny hatsaranao izay atokanao ho an’ny matahotra Anao, sy asehonao ny mpifefy aminao eo anoloan’ny zanak’olombelona.
Ny fieren’ny tavanao no anafenanao azy, lavitry ny tetika ataon’ny olona; ny fialofanao no ampierenao azy, lavitry ny lela mpanangana ady.
Isaorana ny Tompo fa nataony nigagana ny hatsaram-pony tamiko tamin’ny andro fahoriana!
Taitra loatra aho, ka loa-bolana hoe: «Voatsipy lavitry ny masonao aho!» Kanjo henonao ny feoko mitaraina, fony izaho niantso Anao.
Tiava ny Tompo, ry mpivavaka rehetra: fa ny Tompo miambina ny mpino; fa ny mpiavona kosa valiany tsy an’erany!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 5, 1-20


Mivoaha amin’itý lehilahy itý, ry fanahy maloto.

Tamin’izany andro izany, nony tafita ny ranomasina i Jesoa sy ny mpianany dia tonga tao amin’ny tanin’i Geraseny; ka vao niala tao an-tsambo kely Izy, dia intý nisy lehilahy anankiray azon’ny fanahy maloto avy tany am-pasana nanatona Azy. Tany am-pasana izy io no nitoetra, ary tsy nisy olona nahatana azy am-patorana intsony na dia tamin’ny gadra aza, fa matetika no nafatotra tamin’ny gadra sy tamin’ny rojo vy ny tongony aman-tanany, nefa nopotehiny ny rojo vy ary notapahiny ny gadrany, ka tsy nisy olona nahafolaka azy. Ary mandrakariva dia any am-pasana sy any an-tendrombohitra any foana izy no mirenireny na andro na alina, sady minananana no mandrà-tena amin’ny vato. Fa nony nahatazan-davitra an’i Jesoa izy dia nihazakazaka ka niankohoka teo anatrehany, ary niantso tamin’ny feo mahery hoe: “Moa mifaninona izaho sy Ianao, ry Jesoa Zanak’Andriamanitra Avo indrindra? Mifona aminao amin’ny Anaran’Andriamanitra re aho, aza dia mampijaly ahy”, satria i Jesoa efa nanao taminy hoe: “Mivoaha amin’itý lehilahy itý, ry fanahy maloto.” Ary nanontany azy Izy nanao hoe: “Iza no anaranao?” Dia novaliany hoe: “Lejiona no anarako, fa betsaka izahay.” Ary nifona dia nifona taminy izy mba tsy horoahiny hiala amin’izany tany izany. Ary eo akaikin’ny tendrombohitra dia nisy kisoa betsaka, andiany iray, nihinana, ka nangataka taminy ireo demony nanao hoe: Alefaso izahay ho any amin’ny kisoa mba hiditra ao aminy. Dia nekeny. Ka nivoaka ny fanahy maloto, dia niditra tao anatin’ny kisoa, ary rifatra nivarina teny amin’ny hantsana ho any amin’ny ranomasina ny kisoa andiany iray, tokony ho roa arivo, ka maty tao amin’ny ranomasina. Dia nandositra ny mpiandry azy ka nilaza izany tany an-tanàna sy teny an-tsaha; ary nivoaka ny olona hizaha izany zavatra izany. Nankany amin’i Jesoa izy ireo, ary nahita an’ilay azon’ny demony (izay nisy lejiona) nipetraka sy nitafy lamba ary nanan-tsaina, ka raiki-tahotra tery. Nony nolazain’izay nahita tamin’izy ireo izay nahazo ilay azon’ny demony sy ny kisoa, dia nihanta tamin’i Jesoa izy ireo, mba hiala amin’ny taniny. Ary nony niakatra teo an-tsambo kely Izy, dia niangavy taminy ilay azon’ny demony mba hanaraka Azy; fa tsy navelany izy, fa hoy Izy taminy: “Andeha ihany mody any an-tranonao any amin’ny havanao ka lazao aminy izay zava-dehibe nataon’ny Tompo taminao sy ny namindrany fo taminao.” Dia lasa izy ka nampiely tany Dekapôly ny zavatra rehetra nataon’i Jesoa taminy, ary gaga ny olona rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, aterinay eto amin’ny ôtelinao ny tolotray; koa mba raiso ary ankasitraho ho tonga Sakramenta manambara sy mampahazo ny fanavotana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 30, 17-18

Asehoy ny mpanomponao ny endrikao, ry Tompo, ka vonjeo aho noho ny hatsaram-ponao. Tompo ô, tsy ho azon-kenatra aho satria miantso Anao.


na hoe:

Mt. 5, 34

Sambatra ny mahantra am-panahy fa azy ny fanjakan’ny lanitra; sambatra ny malemy fanahy fa izy no handova ny tany.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Nahazo hery tamin’ny fanomezana mitondra fanavotana izahay no mihanta aminao, ry Tompo: ka enga anie ny famonjena mandrakizay omenao hampiroborobo mandrakariva ny finoana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.




Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0072 s.] - Hanohana anay