Sorona Masina ny Alahady 29 janoary 2023

  ALAHADY  FAHA-4 mandavantaona — A

 SAMBATRA NY MAHANTRA FA AZY NY FANJAKAN’NY LANITRA

Tononkira fidirana

Sal. 105, 47

Vonjeo izahay, ry Tompo Andriamanitray, ka angony avy amin’ireo hafa firenena, mba hidera ny Anaranao masina sy hifaly amin’ny fiderana Anao!

 

Asiana VONINAHITRA ANIE …

 

Fangatahana

Ry Tompo Andriamanitray ô, ampio izahay ho feno fanajana Anao sy ho feno fitiavana ny olona rehetra.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Sôfônia Mpaminany

Sôf. 2, 3; 3, 12-13

Havelako eo aminao ny vahoaka ambany sy manetry tena.

Mitadiava ny Tompo, ianareo manetry tena rehetra amin’ny tany, izay efa nanaraka ny lalàny; katsaho ny fahamarinana, katsaho ny fanetren-tena. Ho tafaaloka angamba ianareo amin’ny andron’ny fahatezeran’ny Tompo! Havelako eo aminao ny vahoaka ambany sy manetry tena anankiray izay hatoky ny Anaran’ny Tompo. Ny sisa amin’i Israely dia tsy hanao ny tsy marina, na hilaza lainga, ary tsy hahitana eo am-bavany intsony izay lela mandainga. Fa hihinana sy handry feizay izy ireo, ary tsy hisy olona hanaitaitra azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 145, 7. 8-9a 9bd-10

 

Fiv.: Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny Fanjakan’ny lanitra.

Ilay mitandrina mandrakizay ny fahamarinana sy manome rariny izay ampahoriana. 
Ilay manome sakafo ny noana, no Tompo mamaha ny mpifatotra, Tompo mampahiratra ny jamba, Tompo mampitràka ny miondrika, Tompo mpiaro ny vahiny, tohan’ny kamboty sy ny tokan-tena. 
Tompo tia ny olo-marina, fa ny olon-dratsy aviliviliny. 
Manjaka ny Tompo amin’ny taona mifandimby, ilay Andriamanitrao, ry Siôna, mandrakizay!

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty

1 Kôr. 1, 26-31

 

Izay ataon’izao tontolo izao ho malemy no nofidin’Andriamanitra.

Ry kristianina havana, jereo ange izato ianareo voaantso e: tsy firy no hendry araka ny nofo, tsy firy no mahery, tsy firy no avo razana; fa izay ataon’izao tontolo izao ho adala no nofidîn’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; izay ataon’izao tontolo izao ho malemy no nofidîn’Andriamanitra hampahamenatra ny mahery; ary izay iva razana amana faneso amin’izao tontolo izao, dia ny atao ho tsy misy aza, no nofidîn’Andriamanitra hahatsinontsinona ny misy, mba tsy hisy nofo hirehareha eo anatrehan’Andriamanitra. Fa avy aminy no maha-ao amin’i Kristy Jesoa anareo, dia Ilay nataon’Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana ary fahamasinana amam-panavotana ho antsika, mba ho tanteraka ny voasoratra hoe: Izay mirehareha, aoka ny Tompo no ho reharehany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Miaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md Matio

Mt. 5, 1-12a

Sambatra ny mahantra am-panahy.

Tamin’izany andro izany, nony nahita ny vahoaka i Jesoa, dia niakatra teo an-tendrombohitra, ary rehefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany, ka niloa-bava Izy nampianatra azy nanao hoe: “Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny Fanjakan’ny lanitra. Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany. Sambatra izay mitomany, fa halàna alahelo. Sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa ho voky izy. Sambatra ny mamindra fo, fa hamindrana fo izy. Sambatra ny madio fo, fa hahita an’Andriamanitra izy. Sambatra ny tia fihavanana, fa hantsoina hoe zanak’Andriamanitra izy. Sambatra ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny, fa azy ireo ny Fanjakan’ny lanitra. Sambatra ianareo raha tevatevaina sy enjehina ary ampangaina lainga amin’ny ratsy rehetra noho ny amiko: mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, sambatra isika fa efa nosoritan’i Jesoa Kristy ho antsika ny lalana mitondra amin’ny fahasambarana marina; koa andeha hiara-mivavaka ho an’ny olombelona rehetra mba samy hiezaka hanatanteraka sy hampanatanteraka izany sori-dalam-pahasambarana izany.

Fiv.: Jesoa, Jesoa, ny herin’ny teninao anie hanova ny fiainanay.

* Manana adidy ny Eglizy hitantana ny olona amin’ny tena fahasambarana, koa mivavaha mba tsy ho fola-tanamanondro izy eo am-pitoriana ny lalàna valo fototry ny hasambarana marina, ary mba hiezaka ny kristianina hampihatra izany amin’ny fiainany. 
* Fahasambarana no valin’ny fanaovana ny marina; koa mivavaha ho an’ny mpitondra isan’ambaratonga mba samy ho liana fahamarinana, sy hahay hampanjaka ny rariny sy ny hitsiny, hiadanan’ny ambanilanitra. 
* Mivavaha ho an’ireo mijaly, enjehina, esoina sy haratsiana: mba hahazo fanamaivanana izy, ary hotsilovin’ny finoana ka ho feno toky lalandava ao amin’Andriamanitra mpanafaka alahelo, sy mpamaly izay iaretana noho ny fitiavana Azy. 
* Sambatra ny madio fo, hoy ny Tompo; koa mivavaha mba samy hazoto mandini-tena ny olona, ka samy hiezaka hanesotra izay mandoto ny fony avy; ary tohano manokana ireo miasa hampiseho ny hasoan’ny fahadiovana, sy misakana tsy hielezan’ny fahalotoana. 
* Mifampivavaha isika iray fiangonana: mba samy halemy fanahy ary ho tia fihavanana avokoa, ka hahay hiray hina tanteraka sy hifanolotra hasambarana, indrindra amin’ny mahantra.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.

 

Ry Jesoa Tompo ô, nosoritanao amin’ireo hasambarana Valo, izay fiainana tokony hotratrarinay; koa mba ataovy tsaroanay mandrakariva sy harahinay amin-kerim-po ny Teninao, ho antoky ny hasambaranay eto an-tany ka hatrany an-danitra.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Tompo ô, aterinay eto amin’ny ôtelinao ny tolotray; koa mba raiso ary ankasitraho ho tonga Sakramenta manambara sy mampahazo ny fanavotana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Alahady mandavantana VI, ohatra.

 

Kômonio

Sal. 30, 17-18

Asehoy ny mpanomponao ny Endrikao, ry Tompo, ka vonjeo aho noho ny hatsaram-ponao. Tompo ô, tsy ho azon-kenatra aho satria miantso Anao.

 

na hoe:

Mt. 5, 3-4

Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny Fanjakan’ny lanitra; sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Nahazo hery tamin’ny fanomezana mitondra fanavotana izahay no mihanta aminao, ry Tompo: ka enga anie ny famonjena mandrakizay omenao, hampiroborobo mandrakariva ny finoana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0235