Sorona Masina ny Zoma 27 janoary 2023

Herinandro faha-3 mandavantaona

ZOMA

 

Tononkira fidirana

Sal. 95, 1. 6

 

Iventeso hira vao ny Tompo; ihirao ny Tompo, ry tany tontolo. Fiandrianana sy fahamendrehana no mialoha Azy, hery sy harevaka no amin’ny toerany masina.

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, tantano araka ny sitrakao ny asa ataonay mba ho mendrika hahavita asa soa betsaka izahay amin’ny Anaran’ny Zanakao malalanao, fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Boky faharoan’i Samoela

2 Sam. 11, 1-4a. 5-10a. 13-17

 

Nanamavo Ahy ianao sy naka ny vadin’i Oria ho vadinao.

Tamin’ny fitsingerenan’ny taona, nony mby tamin’ny fotoana fandehanan’ny mpanjaka hiady, dia nalefan’i Davida i Jôaba mbamin’ny mpanompony sy i Israely rehetra, ka nofongoran’ireo ny taranak’i Amôna, ary nataony fahirano i Rabà; fa i Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany. Indray hariva raha ilay avy niarina avy teo am-pandriany iny i Davida ka nitsangantsangana teo amin’ny tafon-tranon’ny mpanjaka, dia tazany avy eo ambony tafon-trano itý vehivavy anankiray nandro, ary tsara tarehy erý ravehivavy io. Nasain’i Davida nanontaniana hoe: “Iza io vehivavy io?” Ka izao no nolazain’ny olona azy: “Io no i Betsebea, zanakavavin’i Eliama, vadin’i Oria, Heteanina.” Dia naniraka olona haka azy i Davida ka tonga tao aminy izy dia nandry taminy izy. Ary nanana anaka ravehivavy, ka naniraka nilaza tamin’i Davida hoe: “Manana anaka aho.” Tamin’izay, naniraka tany amin’i Jôaba i Davida handidy azy hoe: “Alefaso hankatý amiko i Oria Heteanina.” Dia nalefan’i Jôaba hankany amin’i Davida i Oria. Ka nony tonga tany amin’i Davida i Oria, dia nanontaniany ny vaovao momba an’i Jôaba sy ny tafika ary ny ady. Izay i Davida vao nanao tamin’i Oria hoe: “Andeha àry midina any an-tranonao, dia manasà tongotra.” Nivoaka ny tranon’ny mpanjaka i Oria, nampanarahina nahandro fanomezana avy amin’ny mpanjaka; nefa niara-nandry tamin’ny mpanompon’ny tompony i Oria, teo am-baravaran’ny tranon’andriana, fa tsy nidina nody tany an-tranony. Nolazaina tamin’i Davida izany natao hoe: “Tsy nidina nody any an-tranony i Oria.” Nasain’i Davida hihinana sy hisotro teo anatrehany izy ka nomamoiny. Nony hariva dia nivoaka nandry teo amin’ny fandriany, teo amin’ny mpanompon’ny tompony ihany i Oria, fa tsy nidina nody tany an-tranony. Nony ampitso maraina nanoratra taratasy ho any amin’i Jôaba i Davida ka tanan’i Oria no nampitondrainy azy. Izao no nosoratany tamin’ny taratasy: “Apetraho amin’izay toerana iadiana mafy indrindra i Oria, dia mihataha avy aoriany ianareo mba ho voavono ka ho faty eo izy.” Nanao fahirano ny tanàna i Jôaba ka napetrany tamin’ny toerana farany fantany fa nisy lehilahy mahery indrindra i Oria. Nivoaka hamely an’i Jôaba ny olona tao an-tanàna, ka maro tamin’ny vahoaka, tamin’ny mpanompon’i Davida, no maty; ary maty koa i Oria Heteanina.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 50, 3-4. 5-6a. 6bd-7. 10-11

 

Fiv.: Iantrao, ry Tompo, fa diso taminao.

Iantrao aho, ry Tompo Andriamanitra, fa Ianao manko lalim-pitiavana. Mba koseho re ny heloka vitako, dia diovy aho hiala amin’ny otako.
Efa niaiky hadisoana ny tenako, eo imasoko hatrany ny otako. Taminao aho no diso, Andriamanitro, fantatrao avokoa ny kilemako.
‘Zay lazainao tokoa no hany marina; raha mitsara ahy Ianao ara-drariny. Fa tanaty heloka aho re no teraka, tamin’ny ota aho no torontoronina.
Ampiravoravoy ny fanahiko sy ny taolako voamontsamontsana. Mba esory eo imaso ny otako, dia koseho tsy ho hita ny heloko.

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio

Heb. 10, 32-39

 

Niaritra ady mafy ianareo. Aza miala amin’ny fahasahianareo.

Ry kristianina havana, tsarovy ny andro fahiny, niaretanareo ady mafy tamim-pijaliana, nony efa nohazavaina ianareo; fa mbetika nalam-baràka sy nampahoriana ianareo sady naseho ho fizahan’ny olona; mbetika kosa niaraka ory tamin’izay nampijaliana toy izany. Fa sady nangoraka izay nifatotra ianareo no nanaiky an-kafaliana ny fandrobana ny fanananareo, satria fantatrareo fa manam-pananana tsara lavitra sy maharitra mandrakizay ianareo. Koa aza miala amin’ny fahasahianareo, fa misy valiny lehibe izany. Ilainareo tokoa ny faharetana, mba hahazoanareo izay nampanantenaina anareo, rahefa nanao ny sitra-pon’Andriamanitra ianareo. Raha afaka kelikely foana, dia ho tonga Ilay ho avy, fa tsy hiatoato Izy. Ary ny oloko marina ho velona amin’ny finoana, fa izay mihataka kosa tsy mba ankasitrahan’ny foko. Raha isika, dia tsy mba anisan’izay mihataka ho very isika, fa naman’ireo mino mba hamonjy ny fanahy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 36, 3-4. 5-6. 23-24. 39-40

 

Fiv.: Ny famonjena ny olo-marina dia avy amin’ny Tompo.

Miantehera amin’ny Tompo; manaova ny tsara; monena amin’ny tany; miraota amin-toky. Eny, ny Tompo no iravoy: dia homeny anao izay irin’ny fonao.
Ankino amin’ny Tompo ny lalanao; miantehera aminy: fa Izy no hanao ny fanananao ny rariny ho mazava atsinanana; ny fahamarinanao ho mitatao vovonana.
Eo anoloan’ny Tompo no amindran’ny olombelona: izay amin’ny lalana tiany no ankahereziny. Ka raha solafaka, tsy midaraboka, fa tantazan’ny tanan’ny Tompo.
Ny famonjena ny olo-marina dia avy amin’ny Tompo: fa Izy no mandany amin’ny andro fahoriana. Ny Tompo mitahy sy manafaka azy, manafaka azy amin’ny ratsy fanahy. Eny, Izy no mamonjy azy noho izy ireo mifefy aminy.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 4, 26-34

 

Mamafy voa ny mpamafy ary matory; ny voa mitsimoka sy mitombo nefa tsy fantany izay faniriny.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: “Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy anankiray mamafy voa amin’ny tany, ka izy matory sy mahatsiaro isan’alina sy isan’andro, ary ny voa mitsimoka sy mitombo, nefa tsy fantany izay faniriny; fa mahavokatra ho azy ny tany, ka tahony no voalohany, dia salohiny no manarakaraka, vao ventim-bary amin’ny salohiny no farany. Ary rahefa vokatra dia jinjaina miaraka amin’izay, satria tonga ny taom-pijinjana.” Ary hoy indray Izy: “Amin’inona no hanoharantsika ny fanjakan’Andriamanitra, ary fanoharana inona no hanehoantsika azy? Tahaka ny voantsinapy izy, izay kely indrindra amin’ny voa rehetra ambonin’ny tany raha vao afafy, fa tonga lehibe indrindra amin’ny anana rehetra kosa rahefa voafafy sy mitombo, ary mandrantsana vaventy ka azon’ny voro-manidina ialofana ny alokalony.” Dia fanoharana maro toy izany no nitoriany teny taminy, araka izay takatry ny sain’izy ireo. Ary tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana Izy, fa nony mangingina vao nanambara tamin’ny mpianany ny hevitr’ireo rehetra ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Mba raiso ary ankasitraho, ry Tompo, ireto fanatitra ireto hanamasina anay sy hahavonjy anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 33, 6

Manatòna ny Tompo, ary itafio ny fahazavany, dia tsy hangaihay intsony ianareo.

 

Na hoe:

Jo. 8, 12

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo. Izay manaraka Ahy tsy mba mandeha amin’ny maizina fa hamirapiratan’ny fiainana.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, fa nahazo aim-baovao avy aminao izahay, ka enga anie hifaly mandrakariva amin’ny fanomezanao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0082