Sorona Masina ny Alarobia 25 janoary 2023

25 Janoary NY NIBEBAHAN’I MD. PAOLY APOSTOLY


Fankalazana

Ankalazain’ny Eglizy anio ilay fahagagana nitranga teny an-dalana mankany Damasy: dia i Saoly fatra-panenjika ny kristianina ka tonga ilay Paoly Apôstôlin’ny Jentily. Ho henontsika ny tantaran’izany ao amin’ny vakiteny voalohany. I Jesoa tafatsangan-ko velona no niseho tamin’i Saoly, dia ilay Jesoa mbola mitohy miaina ao amintsika olombelona ary tena iray amintsika. Hoy i Md. Augustin: “Izy tsy nanao tamin’i Paoly hoe: Nahoana ianao no manenjika ny mpanompoko? fa hoy Izy: Nahoana ianao no manenjika Ahy? Ny Loha misolo ny rantsam-batana ovany ho Izy mihitsy.” Fantatr’i Paoly tamin’izay fa ilay Jesoa tao Nazareta no Andriamanitra ary tena iray amin’ny Fiangonana. Ho foto-pampianaran’i Md. Paoly io. Fa ny fibebahan’i Md. Paoly kosa dia manambara miharihary amintsika fa mahefa zava-dehibe sy mahagaga ny fahasoavan’ny Tompo ao amin’ny fanahin’izay mandray ny antsony sy manoina azy amin-kitsim-po. I Saoly ilay fatra-panenjika teo aloha, no indro tonga i Paoly Apôstôly mafana fo mitory hoe: “Fantatro Ilay inoako (2 Tim. 1, 12) ... ny finoana ny Zanak’Andriamanitra no mahavelona ahy, dia Izy ilay efa tia ahy ka nanolo-tena hamonjy ahy (Gal. 2, 20).”
Meteza àry isika ho vonona lalandava hihaino ny Tompo sy hanatanteraka ny sitrapony amintsika.


Tononkira fidirana

2 Tim. 1, 12 ; 4, 8.

Fantatro Ilay inoako, ary matoky aho fa Izy Mpitsara marina dia hitahiry ny finoana napetraka tamiko mandra-piavin’ny andro iray.


Asiana Voninahitra anie …


Fangatahana

Andriamanitra ô, ny toritenin’i Masindahy Paoly Apôstôly no nentinao hampianatra ny firenena rehetra; koa mihanta aminao izahay mankalaza ny fibebahany: enga anie hanara-dia azy ho tafakatra hatrany aminao ary hijoro eo anatrehan’izao tontolo izao ho vavolombelon’ny marina nambaranao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay... Amen.


Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 9, 1-22.


Tompo ô, inona no tianao hataoko?

Tamin’izay i Saoly, dia mbola tsy nihevitra afa-tsy ny handrahona sy hamono ny mpianatry ny Tompo, ka nanatona ny lehiben’ny mpisorona izy, nangataka taratasy taminy ho an’ny sinagogan’i Damasy mba hitondrany am-patorana ho any Jerosalema izay rehetra hitany manaraka izany lalana izany, na lahy na vavy. Raha mbola teny an-dalana izy ka efa mby akaikin’i Damasy dia nisy fahazavana tonga tampoka avy any an-danitra nanjelajelatra nanodidina azy. Dia lavo tamin’ny tany izy, ary nandre feo nanao taminy hoe: “Saoly, Saoly, nahoana no manenjika Ahy ianao?” Ka hoy izy: “Iza moa Ianao, Tompoko?” Ary hoy ny Tompo: “Izaho no i Jesoa izay enjehinao; sasa-poana ianao mitroatra manohitra ny fanindronana.” Dia nangovitra sy very hevitra izy, ka nanao hoe: “Tompo ô, inona no tianao hataoko?” Ary hoy ny Tompo taminy: “Mitsangàna, midira ao an-tanàna, ary ao no holazaina aminao izay tsy maintsy hataonao.” Tafatsatoka talanjona foana ny olona niaraka taminy, fa nandre ny feo, nefa tsy nahita olona na iza na iza. Nony niarina avy hatreo i Saoly, dia nanokatra ny masony, fa tsy nahita na inona na inona; ka olona no nitantana azy hankao Damasy. Ary hateloana izy no tsy nahita, sady tsy nihinana na nisotro.

Tao Damasy fahizay dia nisy mpianatra anankiray atao hoe Anania, nilazan’ny Tompo tamin’ny tsindrimandry hoe: “Ry Anania.” Dia hoy izy: “Intý aho, Tompoko.” Ary hoy ny Tompo taminy: “Mitsangàna, ka mandehana any amin’ny lalana atao hoe Mahitsy; tadiavo ao an-tranon’i Jodà, fa misy lehilahy atao hoe Saoly avy any Tarsy, efa mivavaka izy izao. (Tamin’izay koa i Saoly dia nahita lehilahy anankiray tamin’ny tsindrimandry atao hoe Anania izay niditra sy nametra-tanana taminy mba hampahiratra azy). Ary i Anania namaly hoe: “Tompoko, reko tamin’ny olona maro fa loza loatra no nafitsok’io lehilahy io tamin’ny olonao masina tao Jerosalema, ary atý indray izy izao nahazo fahefana tamin’ny lehiben’ny mpisorona koa mba hamatotra izay rehetra miantso ny Anaranao.” Fa hoy ny Tompo taminy: “Mandehana, fa io lehilahy io dia fanaka voafidy ho Ahy, hitondra ny Anarako eo anatrehan’ny Jentily sy ny mpanjaka ary ny zanak’i Israely; ary hasehoko azy ny mafy tsy maintsy hiaretany noho ny Anarako.” Dia nandeha i Anania, ka nony tonga tao an-trano, dia nametra-tanana taminy nanao hoe: “Ry Saoly rahalahy, i Jesoa Tompo izay niseho taminao teo amin’ny lalana nalehanao, dia naniraka ahy mba hahiratra indray ianao sy ho feno ny Fanahy Masina.” Niaraka tamin’izay, nisy zavatra toy ny lanin-kazandrano niala teo amin’ny masony, ka nahiratra indray izy. Dia nitsangana izy ka natao batemy; ary nihinan-kanina, ka dia natanjaka indray. Niara-nitoetra andro vitsivitsy tamin’ny mpianatra tao Damasy i Saoly, ary nitory teo amin’ny sinagôga niaraka tamin’izay izy, ka nilaza fa i Jesoa no Zanak’Andriamanitra. Talanjona izay rehetra nandre ka nanao hoe: “Tsy itý va ilay nanenjika izay niantso izany Anarana izany tany Jerosalema, sy tonga atý mba hitondra azy am-patorana ho any amin’ny lehiben’ny mpisorona?” Vao mainka nihanahery anefa i Saoly sy nandresy lahatra ny Jody nonina tao Damasy, naneho marimarina tamin’izy ireo fa i Jesoa no Kristy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo — Hisaorana anie Andriamanitra!


Vakiteny hafa azo ifidianana

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa. 22, 3-16


Mitsangàna, raiso ny Batemy, ary mialà amin’ny fahotana, amin’ny fiantsoana ny Anaran’i Jesoa.

Tamin’izany andro izany: Hoy i Paoly tamin’ny vahoaka tao Jerosalema: “Izaho dia lehilahy Jody teraka tany Tarsy any Silisia, fa teto amin’itý tanàna itý no nahabe ahy, teo ambanin’ny saokan’i Gamaliely, nampianarina tsara ny Lalàn’ny razantsika aho, ary nazoto erý ho an’Andriamanitra tahaka anareo rehetra izao. Nanenjika sy namono izay nanaraka izany fampianarana izany aza aho; ary namatotra azy na lahy na vavy, sy nampandatsaka azy an-tranomaizina. Ny lehiben’ny mpisorona sy ny Ioholona rehetra no vavolombeloko; fa nandray taratasy tamin’izy ireo ho an’ny rahalahy aho, dia nankany Damasa hamatotra sy hitondra izay hita tao ho atý Jerosalema mba hampijaliana. Kanjo nony nandeha aho ka mby teo akaikin’i Damasa, tamin’ilay mitatao vovonana iny ny andro, dia nisy fahazavana lehibe tonga tampoka avy any an-danitra nanodidina ahy. Lavo tamin’ny tany terý aho, sady nandre feo nanao tamiko hoe: ‘Saoly, Saoly, nahoana no manenjika Ahy ianao?’ Dia namaly aho nanao hoe: ‘Iza moa Ianao, Tompoko?’ Ary hoy izy tamiko: ‘Izaho no Jesoa avy any Nazareta izay enjehinao.’ Ry zareo niaraka tamiko izany, nahita ny fahazavana ihany, fa tsy nandre ny feon’izay niteny tamiko. Ary hoy izaho: ‘Inona no hataoko, Tompoko?’ Ka hoy ny Tompo tamiko: ‘Mitsangàna, ary mankanesa any Damasa, fa any no holazaina aminao ny zavatra rehetra tsy maintsy hataonao.’ Tsy nahita anefa aho azon’ny famirapiratan’izany fahazavana izany, ka notantanan’izay niaraka tamiko aho, vao tonga tany Damasa.

Ary nisy lehilahy anankiray atao hoe Anania izay nanaraka ny Lalàna, sy tsara laza tamin’ny Jody rehetra nonina tao. Tonga nanatona ahy izy ary nitsangana teo anilako nanao hoe: ‘Ry Saoly rahalahy, mahiràta.’ Niaraka tamin’izay, dia nahita azy aho. Ary hoy izy: ‘Ny Andriamanitry ny razantsika efa nanendry anao hahafantatra ny sitrapony, sy hahita ilay Marina, ary hihaino ny teny aloaky ny vavany. Fa ianao no ho vavolombelony hanambara amin’ny olona rehetra izay efa hitanao sy renao. Ary ankehitriny, inona no andrasana? Mitsangàna, raiso ny batemy, ary mialà amin’ny fahotana, amin’ny fiantsoana ny anaran’i Jesoa.’”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 116, 1. 2.


Fiv.: Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely.

Derao ny Tompo, ry firenen- drehetra!
Ankalazao Izy, ry foko rehetra!

Fa aminay tsy mba lefy ny hatsaram-pony,
ary mandrakizay ny fahamarinany!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.
Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hahavokaranareo, ary haharetan’ny vokatrareo, hoy ny Tompo.
Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 16, 15-18.


Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely amin’ny voaary rehetra.

Tamin’izany andro izany, niseho tamin’izy iraika ambin’ny folo lahy i Jesoa ka nanao tamin’izy ireo hoe: “Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely amin’ny voaary rehetra. Izay hino ka hatao batemy dia ho voavonjy; fa izay tsy hino dia hohelohina. Ary izao no famantarana homba izay mino: Handroaka demony amin’ny Anarako izy, hiteny amin’ny fiteny tsy mbola hainy izy, handray menarana izy, ary na misotro zava-mahafaty aza izy dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin’ny marary izy, dia ho sitrana ireny.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, enga anie harotsaky ny Fanahy Masina ao aminay manolotra ny Sorona ilay fahazavana vokatry ny finoana nataonao namiratra lalandava tao amin’i Masindahy Paoly Apôstôly ka nanitarany ny voninahitrao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Apôstôly


Kômonio

Gal. 2, 20.

Ny finoana ny Zanak’Andriamanitra no mahavelona ahy, dia Izy ilay efa tia ahy ka nanolo-tena hamonjy ahy.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Ny Sakramenta noraisinay anie, ry Tompo Andriamanitray, hampiredareda ao aminay ilay afom-pitiavana nanentana ny fon’i Masindahy Paoly Apôstôly ka nentiny nikolokolo fatratra ny fiangonana rehetra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0803