Sorona Masina ny Zoma 23 desambra 2022

Herinandro mialoha ny Noely

Raha tsy alahady ny andro voatondro (17-24 des.), dia ireto Sorona ireto no atao:

23 DESAMBRA


Tononkira fidirana

Iz. 9, 6 ; Sal. 71, 17


Hisy zaza hateraka ho antsika ary Andriamanitra na hoe ilay Mahery no hiantsoana azy; ary hahita tsodrano ao aminy ny mponina rehetra eto an-tany.


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, efa hankalaza ny nahaterahan’ny Zanakao tonga olombelona izahay; koa mihanta aminao na tsy mendrika aza: enga anie hahitanay famindram-po ilay Teny nanaiky ho tonga nofo naterak’i Maria Virjiny ary nonina tatý aminay.

Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Bokin’i Malakia Mpaminany

Malakia 3, 1-4. 23-24


Indro Aho haniraka an’i Elia ho anareo alohan’ny hahatongavan’ny andron’ny Tompo.

Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra: Indro Aho haniraka ny irako; ka izy no hamboatra ny lalana eo alohako; dia ho tonga tampoka ao an-Tempoliny ny Tompo tadiavinareo, ilay anjelin’ny fanekena irinareo. Indro avy izy, hoy ny Tompon’ny tafika. Iza no hahatanty ny andro hiaviany, ary zovy no hahajoro, raha miseho izy? Fa ho tahaka ny afon’ny mpandrendrika izy sy ho sahala amin’ny pôtasin’ny mpanery lopòtra. Hipetraka mandrendrika sy manadio ny volafotsy izy; hanadio ny taranak’i Levï izy, ka hanadio azy toy ny volamena sy ny volafotsy, ka dia ho mpanompo izy ho an’ny Tompo, hanolotra fanatitra ara-drariny aminy ary hankasitrahin’ny Tompo toy ny tamin’ny andro taloha; toy ny tamin’ny taona fahiny, ny fanatitr’i Jodà sy i Jerosalema. Indro Aho haniraka an’i Elia, mpaminany, ho aminareo, alohan’ny hahatongavan’ny andron’ny Tompo, sady lehibe no mahatahotra. Hampody ny fon-dray ho amin’ny zanany izy, sy ny fon-janaka ho amin’ny rainy, fandrao ho avy Aho ka hataoko anatema ny tany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 24, 4bd-5ab. 8-9. 10 sy 14


Fiv.: Miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo.

Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy; ny soritrao ampianaro ahy!
Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ry Tompo; fa Ianao no Andriamanitra Mpamonjy ahy.
Tsara sy mahitsy ny Tompo, ka ny mpanota toroany lalana: ny ory tarihiny amin’ny hitsiny; ny ory ampianariny ny lalany.
Ny lalan’ny Tompo rehetra: hatsaram-po sy fahamarinana amin’ny mpitandrina ny fanekeny sy ny fanambaràny. Ny tsiambaratelon’ny Tompo ho an’izay matahotra Azy; ny fanekeny manome fahalalana tokoa azy ireo.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ianao ilay Emanoela Mpanjaka sy Mpanalalana anay; avia hamonjy anay, ry Tompo Andriamanitray.

Aleloia.


Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 1, 57-66


Ny nahaterahan’i Joany Batista.

Nony tonga ny andro hiterahan’i Elizabeta dia tera-dahy izy. Ary nahare ny miara-monina aminy sy ny havany fa efa nankalazain’ny Tompo ny famindram-pony taminy, ka dia niara-nifaly taminy. Nony afaka havaloana, dia tonga izy hamora ny zaza, ary Zakaria, araka ny anaran-drainy no ndeha hataony anarany. Fa niteny reniny nanao hoe: “Tsia, tsy izany, fa hatao hoe: Joany izy.” Fa hoy izy ireo taminy: “Tsy misy na dia iray aza amin’ny havanao manana izany anarana izany.” Ary nanao baikon’ny moana tamin’ny rainy izy ireo nanontany izay tiany hatao anarany. Dia nangataka fàfana izy, ary nanoratra hoe: “Joany no anarany”; ka gaga daholo ny rehetra. Niaraka tamin’izay dia nisokatra ny vavany, ary nivaha ny lelany, dia niteny izy ka nisaotra an’Andriamanitra. Azon’ny tahotra avokoa ny mponina rehetra teny manodidina, ary niely hatraiza hatraiza tany amin’ny tendrombohitr’i Jodea izany zava-mahatalanjona izany. Ary izay rehetra nahare dia nandatsaka izany tao am-pony ka nanao hoe: “Ho inona re itý zaza itý?” Fa nomba azy ny tanan’ny Tompo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Izao sorona izao dia natao hahalavorary ny fanompoanay Anao Andriamanitra; ka enga anie hampitony Anao tanteraka mba ho fo madio no hoentinay mankalaza ny fanombohan’ny fiainan’ny Mpamonjy anay teto an-tany.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.


Prefasy: Fahatongavan’ny Tompo II


Kômonio

Apôk. 3, 20

Indro mijoro eo am-baravarana Aho ka mandondòna; ary raha misy mihaino sy mamoha varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy hiaraka amiko.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Henika ny fanomezanao avy any an-danitra izahay, ry Tompo, ka iantrao sy omeo ny fiadananao mba hivimbina ny jironay mirehitra ka ho mendrika hitsena an’ilay Zanakao malalanao efa ho avy.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0521