Sorona Masina ny Alatsinainy 19 desambra 2022

Herinandro mialoha ny Noely

Raha tsy alahady ny andro voatondro (17-24 des.), dia ireto Sorona ireto no atao:


19 DESAMBRA


Tononkira fidirana

Hebr. 10, 37


Tsy ho ela dia higadona ilay Tompo ho avy, ary ho foana ny tahotra eto amin’ny tanintsika fa Mpamonjy antsika Izy.


Fangatahana

Andriamanitra ô, sitrakao nambara an’izao tontolo izao ny voninahitrao mamirapiratra tamin’ny niterahan’ilay Virjiny Masina ny Zanakao, koa mihanta aminao izahay: aoka ho finoana feno sy lavorary no hanajanay ny Teninao tonga nofo ary ho fo feno fitiavana, vonona hanompo Anao mandrakariva, no hankalazanay ny nahaterahany.

Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Bokin’ny Mpitsara

Mpitsara 13, 2-7. 24-25a


Nambaran’ny Anjely ny hahaterahan’i Samsôna.

Tamin’izany andro izany, nisy lehilahy anankiray, atao hoe Manôe, fianakavian’i Danita, avy amin’i Saraà; momba ny vadiny, ka tsy niteraka. Niseho tamin-dravehivavy ny Anjelin’ny Tompo ka nanao taminy hoe: “Momba ianao izao, ka tsy manan-janaka, nefa hanana anaka kosa ianao, ka hitera-dahy. Ary ankehitriny mitandrema tsara, fa aza misotro divay na lalikera mahery, na mihinan-java-maloto, fa hanana anaka ianao, ka hitera-dahy. Tsy hokasihin-kareza ny lohany, fa io zaza io no nazareanin’Andriamanitra hatrany am-bohoka; ary izy no hanomboka hanafaka an’i Israely amin’ny tanan’ny Filistinina.” Dia nandeha nilaza tamin’ny lahy ravehivavy nanao hoe: “Nisy olon’Andriamanitra tonga tatý amiko; tahaka ny Anjelin’Andriamanitra no fijery ny endriny, endrika mahatahotra. Tsy nanontany izay niaviany aho ary izy tsy nampahalala ahy izay anarany; fa izao no nolazainy tamiko: Efa hanana anaka ianao, ka hitera-dahy, koa ankehitriny aza misotro divay na lalikera mahery na mihinan-java-maloto fa ho nazareanin’Andriamanitra io zaza io hatrany am-bohoka ka mandra-pahafatiny.” Ary tera-dahy ravehivavy, ka nataony hoe Samsôna no anarany. Dia nitombo ny zaza, sady notahìn’ny Tompo. Dia nanomboka nitaona azy ny fanahin’ny Tompo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 70, 3-4a. 5-6ab. 16-17


Fiv.: Ny vavako feno fiderana Anao tontolo andro.

Aoka Ianao ho vatolampy fialofako, ho trano mafy mahavonjy! Eny, Ianao no haram-bato sy toera-mafy ho ahy, ry Andriamanitra ô!
Ianao no tokiko, ry Tompo Andriamanitra, fanantenako hatry ny fahakeliko! Hatrany am-bohoka, Ianao no heriko; hatrany an-kibon’i neny, Ianao no mpiaro ahy.
Ny vavako mitanisa tontolo andro ny fahamarinanao sy ny vonjinao. Andriamanitra ô, mbola kely aho no nampianarinao, ka hatrizao dia manambara ny asanao mahagaga.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ry ilay Atsinanana fibaliakan’ny hazavana mandrakizay sy masoandron’ny fahamarinana, avia ary omeo an’ireo izay mandry ao amin’ny haizina sy ny aloky ny fahafatesana ny hazavana.

Aleloia.


Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 1, 5-25


Ambaran’ny Anjely Gabriely ny hahaterahan’i Joany Batista.

Tamin’ny andron’i Herôda, mpanjakan’i Jodea, nisy mpisorona anankiray atao hoe Zakaria, isan’ny fianakavian’i Abià, ary ny vadiny dia taranak’i Aarôna sy natao hoe Elizabeta. Samy marina teo imason’Andriamanitra izy mivady, sady nitondra tena tsy nanan-tsiny tamin’ny didy sy ny tenin’ny Tompo rehetra. Tsy nanan-janaka izy, fa momba i Elizabeta, ary efa samy zokiolona ihany izy mivady.

Indray andro, nony nanao ny raharahan’ny mpisorona teo anatrehan’Andriamanitra i Zakaria araka ny anjaran’ny antokony, dia voatendrin’ny loka araka ny fanaon’ny mpisorona hiditra ao amin’ny tempolin’ny Tompo, hanolotra ny emboka, ary ny vahoaka rehetra dia tao alatrano no nivavaka, tamin’ny ora fanolorana ny emboka. Fa nisy Anjelin’ny Tompo niseho taminy, nitsangana teo ankavanan’ny ôtely fanolorana ny emboka. Taitra i Zakaria nony nahita azy ka raiki-tahotra. Fa hoy ny Anjely taminy : “Aza matahotra, ry Zakaria fa efa nohenoina ny fangatahanao, ka i Elizabeta vadinao dia hiteraka zazalahy aminao, ary i Joany no hataonao anarany, dia ho faly sy ho ravo ianao, ary maro koa no ho faly amin’ny fahaterahany. Fa ho lehibe eo imason’ny Tompo izy; tsy hisotro divay na zava-mahamamo izy, sady ho feno ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny, maro amin’ny zanak’i Israely no hampodìny amin’ny Tompo Andriamanitra, dia hialoha azy amin’ny fanahy, sy ny herin’i Elia izy hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka ary ny tsy manoa ho amin’ny fahendren’ny olo-marina, hamboatra firenena voavonona ho an’ny Tompo.”

Dia hoy i Zakaria tamin’ny Anjely: “Inona no hahafantarako izany? fa izaho efa antitra, ary koa efa zokiolona ny vadiko.” Namaly ny Anjely nanao taminy hoe: “Izaho no Gabriely, ilay mitsangana eo anatrehan’Andriamanitra, ary nirahina aho hiteny aminao hampandre anao izany teny mahafaly izany, fa indro ho moana ianao, ka tsy hahay miteny ambara-pahatongan’izany, noho ianao tsy nino ny teniko, izay ho tanteraka amin’ny fotoan’androny.” Niandry an’i Zakaria anefa ny olona ka gaga noho izy naharitra ela tao anatin’ny tempoly; kanjo nony nivoaka izy, dia tsy nahay niteny taminy, ka fantatry ny olona fa nahita fahitana tao anatin’ny tempoly izy, dia baikon’ny moana no nitenenany taminy, fa moana tokoa izy. Ary nony tapitra ny androny amin’ny raharahany, dia nody tany an-tranony izy. Ary taorian’izany andro izany dia nitoe-jaza i Elizabeta vadiny ary niery dimy volana ka nanao hoe: “Izao no nataon’ny Tompo tamiko, tamin’ny andro nitsinjovany ahy hahafa-tondromaso ahy amin’ny olona.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: topazo maso miantra ireto fanatitra atolotray eto amin’ny ôtelinao fa malemy sy osa izahay manolotra azy aminao, ka enga anie ny herinao no hanamasina azy.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Fahatongavan’ny Tompo II


Kômonio

Lk. 1, 78-79

Hamangy antsika avy any ambony ilay Masoandro, ka hitarika ny diantsika handeha amin’ny lalam-piadanana.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, avy nandray ny Kômonio masina izahay, ka fo feno fankasitrahana no entinay mitalaho ny indrafonao: ataovy velom-paniriana ny fanomezana efa hatolotrao izahay mba hankalaza amin’ny fo madio ny Mpamonjy teraka ho anay.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0086