Sorona Masina ny Alahady 18 desambra 2022

ALAHADY FAHEFATRA — Taona A

fiavian’ny Tompo

HIARA-MONINA AMINTSIKA ANDRIAMANITRA

Tononkira fidirana

Iz. 45, 8


Arotsahy avy any ambony ny andonao, ry lanitra, ary aoka ny rahona hampidina ny Marina toy ny ranon’orana, ary ny tany hisokatra hipoiran’ny Mpamonjy.


Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: arotsahy ao am-ponay ny fahasoavanao; ary satria nolazain’ny Anjely ka fantatray, fa tonga nofo i Kristy Zanakao, dia aoka ny nijaliany sy ny nahafatesany, hahamendrika anay hitsangan-ko velona amim-boninahitra.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 7, 10-14


Indro hanana anaka ny Virjiny.

Tamin’izany andro izany, niteny tamin’i Akaza ny Tompo nanao hoe: “Mangataha famantarana amin’ny Tompo Andriamanitrao; mangataha izany, na any amin’ny faravodin’ny Seoly, na any amin’ny havoan’ny lanitra”. Ka hoy i Akaza: “Tsy hangataka aho; tsy haka fanahy ny Tompo aho”. Ka hoy i Izaia: “Mihainoa, ry taranak’i Davida: Mbola tsy ampy anareo va ny mahasasatra ny olombelona, no dia mbola mahasasatra an’Andriamanitra koa ianareo? Noho izany dia Tenan’ny Tompo no hanome famantarana anareo; Indro hanana anaka ny virjiny, ka hiteraka Zazalahy, ary ny Anarany hataony hoe “Emanoela” izany hoe: Andriamanitra eo anivontsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 23, 1-2. 34ab. 5-6.


Fiv.: Aoka hiditra ny Tompo, fa Izy no mpanjakan’ny voninahitra.

An’ny Tompo ny tany sy izay mameno azy, izao tontolo izao sy ny mponina ao aminy:
Izy nanorina azy tambony ranomasina, nampitoetra azy tambonin’ny ony.
Iza no hiakatra am-bohitry ny Tompo? Zovy no honina amin’ny toerany masina? Dia izay mahitsy fo sy madio tanana, tsy mba mianiana hahavoa namana.
Izy no tahin’ny Tompo, vonjen’ilay Andriamanitra Marina, taranaka mitady ny Tavany, mitady ny Andriamanitr’i Jakôba.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm. 1, 1-7


I Jesoa Kristy, avy amin’ny taranak’i Davida, no Zanak’Andriamanitra,

Izaho Paoly mpanompon’i Kristy Jesoa, voaantso ho Apôstôly, sy voatokana hitory ny Evanjelin’Andriamanitra, — izay nampanantenainy rahateo tamin’ny alalan’ny mpaminany ao amin’ny Soratra Masina — dia mamangy anareo rehetra malalan’Andriamanitra any Rôma. Io Evanjely io no misy ny fanambaràn’Andriamanitra momba ny Zanany (izay naterak’i Davida, ho Zanak’Andriamanitra tamin’ny fitsanganany ho velona, araka ny fanahin’ny fahamasinana), dia i Jesoa Kristy Tompontsika, izay nandraisanay ny fahasoavana sy ny maha-Apôstôly anay mba hampanaiky ny Jentily rehetra ny finoana, amin’ny Anarany, ary anisan’ireny koa ianareo; noho ny fiantsoan’i Jesoa Kristy. Ry olo-masina voaantson’Andriamanitra: ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika, sy i Jesoa Kristy Tompo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Indro ny virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny Anarany hatao hoe: Emanoela, izany hoe Andriamanitra eo anivontsika. Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 1, 18-24


I Jesoa naterak’i Maria, fofombadin’i Jôsefa, zanak’i Davida.

Toy izao no nahaterahan’i Kristy: i Maria Reniny dia efa fofombadin’i Jôsefa; fa raha mbola tsy niray trano izy ireo, dia hita fa nanana anaka avy tamin’ny Fanahy Masina izy. Ary i Jôsefa vadiny, noho izy lehilahy marina sady tsy te hanala baràka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina. Nefa raha mbola nieritreritra izany izy, dia indro nisy Anjelin’ny Tompo niseho taminy, tamin’ny nofy ka nanao hoe: “Ry Jôsefa, zanak’i Davida, aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao, fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina, ary hiteraka Zazalahy izy, ka ny Anarany hataonao hoe Jesoa, fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany”.

Ary izany rehetra izany no tonga, dia mba hahatanteraka izay nampilazain’ny Tompo ny mpaminany hoe: “Indro ny Virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny Anarany hatao hoe Emanoela, izany hoe: amintsika Andriamanitra”. Ary rehefa nahatsiaro tamin’ny torimaso i Jôsefa, dia nanao araka izay nandidian’ny Anjely azy, ka nampakatra ny vadiny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Andro vitsy sisa dia ho tonga ny Noely; koa mangataha amin’Andriamanitra mba samy hahazo ny fahazavan’i Kristy ny olona tsirairay, araka izay fomba tian’Izy Tompo.

Valy: Tompo ô, tongava eo anivon’ny vahoakanao.

* Manamboatra tranonomby sy mandravaka fiangonana fatratra ny kristianina eran-tany amin’izao fotoana izao; koa mivavaha ho voaomana indrindra ny fo amam-panahy aminizao faran’ny Vaninandro Fiaviana izao, mba handraisana an’i Jesoa maniry ho teraka indray ao amintsika, ary hitondra famonjena sy hafaliana ary fiadanana marina.
* Mivavaha mba hahazo ny toerana mendrika Azy i Kristy eo amin’ny Firenena rehetra sy ny foko rehetra ary ny tanàna rehetra eran-tany, hiadanan’ny olombelona manerana an’izao tontolo izao.
* Eran-tany toatolo, maro no mitombo fahasahiranana sy tototra asa, koa mivavaha mba tsy hahasakana azy tsy hanantena ny Tompo sy tsy hahita Azy izany.
* Mivavaha mba samy ho Kristy isika hanome anjara hasambarana an’ireo antitra sy marary ary mahantra amin’izao fetin’ny Noely izao
* Emanoela no anarana iantsoan’ny Soratra Masina ny Mesia, koa mivavaha mba ho tsapa bebe kokoa hatrany fa miara-monina amintsika Andriamanitra.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.


Tompo ô, ampio izahay amin’ity herinandro ity hahay hanomana ny hahatongavanao, hoatra ny niomanan’i Masina Maria sy i Masindahy Jôsefa, ary enga anie ny vavaka ataony hahamendrika anay handray Anao.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, enga anie ireto fanatitra eto ambonin’ny ôtelinao ireto mba hohamasinin’ny herin’ny Fanahy Masina nanaloka an’i Masina Maria.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Fiavian’ny Tompo II


Kômonio

Iz. 7, 14

Indro ilay Virjiny fa hitoe-jaza, ka hiteraka Zazalahy ary ny Anarany hatao hoe Emanoela.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Enga anie, ry Tompo, hahazoanay hery ny nahaterahan’ny Zanakao Lahy tokana fa manafaka hanoanana anay amin’ny sakafo avy any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1009