Sorona Masina ny Zoma 16 desambra 2022

Herinandro fahatelo - Fahatongavan’ny Tompo

ZOMA

Raha 17 desambra na aoriana dia jereo 17 desambra

Tononkira fidirana


Indro fa ho avy ny Tompo be voninahitra hamangy ny vahoakany sy hitondra fiadanana ary hanolotra ny fiainana mandrakizay.


Fangatahana

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, enga anie ny fahasoavanao hitarika anay sy hanohana anay hatrany fa mangetaheta ny hiavian’ny Zanakao Lahitokana izahay, ka mba ataovy mahazo izay fanampiana ilaina amin’itý fiainana itý sy amin’ny fiainan-ko avy.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 56, 1-3a. 6-8


Ny tranoko hatao hoe: Trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra.

Izao no lazain’ny Tompo: Tandremo ny hitsiny ary araho ny rariny, fa efa akaiky ny famonjeko, ary efa hiseho ny fahamarinako. Sambatra ny olona hanao izany, sy ny zanak’olombelona hifikitra mafy amin’izany, ka hitandrina ny sabata, tsy mandika azy, sy hifehy ny tanany tsy hanao ratsy akory! Aoka ny hafa firenena efa nifikitra tamin’ny Tompo tsy hanao hoe: “Hoesorin’ny Tompo marina aho, tsy ho isam-bahoakany.” Ary ny hafa firenena izay mifikitra amin’ny Tompo mba hanompo Azy sy ho tia ny Anarany ary ho mpanompony; izay rehetra mitandrina ny sabata fa tsy mandika azy, sy miraikitra mafy amin’ny fanekeko, dia hoentiko ho ao an-tendrombohitra masina, sy hampifaliako ao an-tranoko fivavahana, hankasitrahina eo ambony ôtely ny sorony dorana aman-tsorony: fa ny tranoko hatao hoe: “Trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra” — teny marin’ny Tompo — izay mamory ny lasan-ko babo amin’i Israely! Mbola hamory ny sasany koa Aho ho eo aminy, hananipy ireo efa voavory sahady.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 66, 2-3. 5. 7-8


Fiv.: Hidera Anao ny vahoaka, ry Andriamanitra, hidera Anao ny vahoaka rehetra.

Hiantran’Andriamanitra anie isika hotsimbininy; ka hataony mamiratra eo amintsika ny tavany. Dia ho fantatry ny olona eran-tany ny herinao, ka hanerana ireo firenen-drehetra ny vonjinao.
Aoka hifaly sy hiantsa ny firenena isan-tokony, fa Ianao dia mitsara azy rehetra ireny ara-drariny. Fa Ianao dia mitsara vahoaka araka ny hitsiny sy manjaka amin’ireo firenen-drehetra isan-tokony.
Fa ny tany volena tsy misy izay tsy mamokatra. Andriamanitra mantsy Andriamanitsika: mitsimbina. Enga anie ka hitsimbina antsika hatrany Andriamanitra, ka ho masina eran’ny vazan-tany ny Anarany.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampodio izahay, ry Tompo Andriamanitray ô, ny tavanao aseho dia ho voavonjy izahay.

Aleloia.


Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 5, 33-36


I Joany dia jiro nirehitra sy nazava.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny Jody nanao hoe: “Naniraka tany amin’i Joany ianareo, ary nanambara ny marina izy. Tsy dia ny fanambarana avy amin’ny olona anefa no iankinako, fa ny mba hahavoavonjy anareo no hilazako izany. I Joany dia jiro nirehitra sy nazava, ka nahafinaritra anareo sy nifalianareo vetivety ny fahazavany. Fa manana fanambaràna manoatra ny an’i Joany Aho, satria ny asa nomen’ny Ray hovitaiko sady ataoko tokoa no manambara fa iraky ny Ray Aho.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hampitony Anao ny vavaka aman-tolotra ataonay amim-panetren-tena, ary satria tsy azonay ianteherana ny soa mba vitanay, dia vonjeo fanampiana izahay noho ny hatsaram-ponao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Fahatongavan’ny Tompo I


Kômonio

Fil. 3, 20-21

I Jesoa Kristy Tompo sady Mpamonjy no andrasantsika, Ilay hanova ny vatantsika mora simba hitovy amin’ny Vatany be voninahitra.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Avy nihinana ny hanim-panahy izahay, ry Tompo, ka mitalaho an-tanan-droa aminao: enga anie izahay nahazo anjara tamin’izany mistery izany mba hampianarinao hahay mandanjalanja ny zavatry ny tany araka ny hevitrao sy hifikitra amin’ny zavatry ny lanitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0743