Sorona Masina ny Alakamisy 15 desambra 2022

Herinandro fahatelo - Fahatongavan’ny Tompo

ALAKAMISY

Raha 17 desambra na aoriana dia jereo dia jereo 17 desambra

Tononkira fidirana

Salamo 118, 151-152


Indro akaiky Ianao, ry Tompo, ary fahamarinana ny lalana alehanao, ka fantatro hatramin’ny ela fa mandrakizay Ianao araka ny fanambarànao.


Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie ireo ianjadian’ny alahelo noho ny hadisoana vitany mba hataonao heni-kafaliana amin’ny fiavian’ny Zanakao Lahitokana Mpamonjy anay.

Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 54, 1-10


Hoatra ny vady nafoy sy tra-pahoriana no ampodian’ny Tompo anao.

Mihobia an-kafaliana, ry momba, izay tsy niteraka; mampisehoa hafaliana sy firavoravoana lehibe, ry tsy mba nihetsi-jaza; fa ny zanak’ilay nariana no maro, noho ny zanak’izay manam-bady, hoy ny Tompo. Halalaho ny itoeran’ny lay, velaro ny ambaim-ponenanao, aza hazonina fa alefaso ho lava ny tadinao, ary aoreno mafy ny tsima-day! Fa hitatra miankavanana sy miankavia ianao; ary haka fonenana amin’ny firenena ny taranakao; ary hanisy mponina amin’ny tanàna lao Izy. Aza matahotra, fa tsy ho menatra ianao; aza mangaihay, fa tsy hisy hahamenatra anao; fa hanadino ny henatry ny fahatanoranao ianao; ary tsy hahatsiaro intsony ny tondromaso, fony mpitondratena. Fa ny vadinao dia ny Mpahary anao; Tompon’ny tafika no Anarany, ary ny Mpanavotra anao dia Ilay Masin’i Israely. Andriamanitry ny tany aman-danitra no iantsoana Azy. Hoatra ny vady nafoy sy tra-pahoriana no ampodian’ny Tompo anao, hoatra ny vadin’ny fahatanorana efa nisaorana, hoy ny Andriamanitrao. Vetivety foana, kelikely foana no nahafoizako anao, fa amin’indrafo lehibe kosa no amoriako anao. Tamin’ny firehetan’ny hatezerako no nanafenako vetivety ny tavako taminao, fa amim-pitiavana mandrakizay kosa no angorahako anao, hoy ny Tompo Mpanavotra anao. Dia ho toy ilay ranon’i Nôe izany amiko, nony nianiana Aho fa ilay ranon’i Nôe tsy hiely intsony amin’ny tany: toy izany koa no nianianako fa tsy ho tezitra aminao na handrahona anao intsony Aho. Na dia hihataka aza ny tendrombohitra ka hihozongozona ny havoana, ny fitiavako tsy mba hiala aminao, ary ny fanekem-pihavanako tsy mba hikorontana, hoy ny Tompo ilay mangoraka anao.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 29, 2 sy 4. 5-6. 11-12a sy 13b


Fiv.: Izaho midera ny Tompo izay nanafaka ahy.

Izaho midera ny Tompo izay nanafaka ahy: tsy navelanao hifalian’ny fahavaloko aho! Ny fanahiko, ry Tompo ô, nakarinao avy any an-tSeoly; novelominao aho izay efa nitsìtra tany an-davaka.
Antsao ny Tompo, ianareo mpivavaka! Isaory ny Anarany masina! Indray mihelina Izy vinitra; tontolo fiainana manambina. Hariva, mialin-tomany; maraina, velon-kalo.
Mandrenesa, ry Tompo, iantrao aho! Tompo ô, tahio aho! Navadikao ho dihy ny toreoko. Ry Tompo Andriamanitro ô, mandrakizay no isaorako Anao.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny halehany, dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra.

Aleloia.


Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 7, 24-30


I Joany no anjely manomana ny lalan’ny Tompo.

Nony lasa ny irak’i Joany, dia nambaran’i Jesoa tamin’ny vahoaka ny aminy ka hoy Izy: “Hizaha inona no nalehanareo tany an’efitra? Volotara hozongozonin’ny rivotra va? Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Lehilahy tsara fitafiana va? Raha izay tsara fitafiana sy manao fiainana, dia any an-tranon’ny mpanjaka no itoerany. Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Mpaminany va? Eny, hoy Aho aminareo, ary ambony noho ny mpaminany aza. Fa Izy no ilay voasoratra hoe: Indro Aho maniraka ny anjeliko eo anoloanao mba hamboatra lalana eo alohanao. Koa lazaiko aminareo fa amin’izay natera-behivavy tsy misy mpaminany lehibe noho i Joany Batista, nefa izay kely indrindra amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, no lehibe noho izy. Ary ny vahoaka rehetra izay nandre azy mbamin’ny poblikanina na dia nanamarina an’Andriamanitra, tamin’ny nandraisany ny batemin’i Joany; fa ny Farisianina sy ny mpampiana-dalàna kosa nanatsinontsinona ny fikasan’Andriamanitra ny aminy tamin’ny nandavany ny batemin’i Joany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ireto fanatitra atolotray avy amin’ny zava-tsoa nomenao, ka enga anie izay nomaninao, hanompoanay Anao etý an-tany mba hahazoanay ny fanavotana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Fahatongavan’ny Tompo I


Kômonio

Tit. 2, 12-13

Miezaha mba ho marina sy masina isika amin’itý fiainana itý, fa miandry ny hasambarana antenaintsika sy ny fiavian’Andriamanitra be voninahitra.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hahasoa anay ny fandraisanay Kômonio matetika fa nataonao ho anay eto ampovoan’ny zava-mandalo eto an-tany ka naorinao ankehitriny mba hitiavanay ny any an-danitra sy hifikiranay amin’ny maharitra mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091