Sorona Masina ny Zoma 09 desambra 2022

Herinandro faharoa - Fahatongavan’ny Tompo

ZOMA

Tononkira fidirana


Indro fa ho avy ny Tompo be voninahitra hamangy ny vahoakany sy hitondra fiadanana ary hanolotra ny fiainana mandrakizay.


Fangatahana

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, mba tahio ny vahoakanao harisika miandry ny hiavian’ny Zanakao Lahitokana, ka araka ny nampianarin’Izy Mpamonjy anay, dia enga anie ho vonona izahay hidodododo hitsena Azy mitondra ny jironay mirehitra tsara.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 48, 17-19


Enga anie ka hihaino ny teniko ianao.

Izao no lazain’ny Tompo Mpanavotra anao, Ilay Masin’i Israely: Izaho Tompo, Andriamanitrao, mampianatra anao, mba hahitanao soa; mitarika anao amin’ny lalana tokony halehanao Aho. Enga anie ka hihaino ny teniko ianao, dia ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao: ho tahaka ny fasika ny taranakao; ho tahaka ny vovo-pasika ny haloaky ny kibonao; tsy hesorina ny anarany, na hovonoina eo anatrehako.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 1, 1-2. 3. 4 sy 6


Fiv.: Izay manaraka Ahy, hanana ny fiainana.

Endrey ny hasambaran’ny olona tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy, tsy mandeha amin’ny lalan’ny mpanota, na monina amin’ny fonenan’ny mpaneso; fa ny lalan’ny Tompo no sitrany; ny Lalàny no saininy andro aman’alina.
Toy ny hazo maniry amoron-drano velona izy, mamokatra ara-potoana, tsy malazo ravina; izay rehetra ataony, mahomby avokoa!
Tsy mba toy izany ny ratsy fanahy; fa mova tsy akofa paohin-drivotra! Fa ny lalan’ny olo-marina fantatry ny Tompo, ny lalan’ny mpanota kosa, mamery!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Avia, ry Tompo, vangio am-piadanana izahay, mba hifalianay amin’ny fo lavorary.

Aleloia.


Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 11, 16-19


Tsy nohenoin’izy ireo na i Joany na ny Zanak’Olona.

Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: “Amin’inona no hanoharako itý taranaka itý? Amin’ny ankizy madinika mipetraka eny an-kianja izay miantso ny namany, ka manao hoe: Nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo; nanao hira mampalahelo izahay, nefa tsy nandòn-tratra ianareo. Fa tonga i Joany, tsy nihinana tsy nisotro, nataon’ny olona hoe: Azon’ny demony izy. Tonga indray ny Zanak’Olona, mihinana sy misotro, lazain’ny olona hoe: Lehilahy lian-kanina io, sady mpisotro divay sy sakaizan’ny poblikanina mbamin’ny olon-dratsy fiaina rehetra. Fa efa nohamarinin’ny asany ny Fahendrena.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hampitony Anao ny vavaka aman-tolotra ataonay amim-panetren-tena, ary satria tsy azonay ianteherana ny soa mba vitanay, dia vonjeo fanampiana izahay noho ny hatsaram-ponao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Fahatongavan’ny Tompo I


Kômonio

Fil. 3, 20-21.

I Jesoa Kristy Tompo sady Mpamonjy no andrasantsika, Ilay hanova ny vatantsika mora simba hitovy amin’ny Vatany be voninahitra.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Avy nihinana ny hanim-panahy izahay, ry Tompo, ka mitalaho an-tanan-droa aminao, enga anie izahay nahazo anjara tamin’izany mistery izany mba hampianarinao hahay mandanjalanja ny zavatry ny tany araka ny hevitrao sy hifikitra amin’ny zavatry ny lanitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.008