Sorona Masina ny Alakamisy 08 desambra 2022

8 DESAMBRA

FANKALAZANA MANETRIKETRIKA AN'I MASINA MARIA VIRJINY NOTORONTORONINA TSY AZON-KELOKA

Tononkira fidirana

Iz. 61, 10


Ho revon-kafaliana ao amin’ny Tompo aho, ary hiravoravo amin’Andriamanitra ny foko, satria noravahany fitafiana mahavonjy aho, noetràny fahamarinana toy ny ampakarina miraratra amin’ny haingo sarobidy.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Andriamanitra ô, nataonao notorontoronina tsy azon-keloka i Masina Maria Virjiny mba ho fonenana mendrika ny Zanakao; ary tsinjonao ny soa hateraky ny fahafatesan’ny Zanakao, ka nosakananao tsy ho voapentim-pahotana izy Reniny; mihanta aminao izahay: enga anie ny vavaka ataony ho anay, mba handio ny fanahinay ka hitarika anay hankany aminao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Jenezy

Jen. 3, 9-15. 20


Hampifandrafesiko ny taranakao sy ny taranaky ny vehivavy.

Rehefa nihinana tamin’ny voankazo i Adama, dia niantso azy ny Tompo Andriamanitra nilaza taminy hoe: “Aiza moa ianao?” Hoy ny navaliny: “Nandre ny feonao tao anaty saha aho, ka natahotra fa mitanjaka, ka dia niery aho.” Ary hoy ny Tompo Andriamanitra: “Iza no nahafantaranao fa mitanjaka ianao? Moa nihinana tamin’ny hazo noraràko tsy hihinananao va ianao?” Hoy ny navalin-dralehilahy: “Ny vehivavy izay napetrakao eto amiko no nanome ahy tamin’ilay hazo dia nihinana aho.” Hoy ny Tompo Andriamanitra tamin-dravehivavy: “Ahoana no nanaovanao izany?” Hoy ny navalin-dravehivavy: “Ny bibilava no namitaka ahy, ka dia nihinana aho.” Hoy ny Tompo Andriamanitra tamin’ny bibilava: “Noho ianao nanao izany, dia voaozona ianao amin’ny biby rehetra eny an-tsaha: hikisaka amin’ny kibonao ianao ary vovo-tany no hohaninao amin’ny andro rehetra hiainanao. Ary hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy, ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ianao kosa hanorotoro ny ombalahin-tongony.” Ary Eva no nataon’i Adama anaran’ny vadiny, satria izy no renin’ny olombelona rehetra,

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 97, 1. 2-3ab. 3de-4


Fiv.: Ihirao hiravao ny Tompo, fa nahavita zava-mahagaga.

Ihirao hira vao ny Tompo fa nahavita zava-mahagaga: ny tanany havanana, ny sandriny masina no nahazoany fandresena.
Nahariharin’ny Tompo ny famonjeny, hitan’ireo firenena ny fahamarinany. Tsarovy, ry taranak’i Israely, ny fitiavany sy ny fahamarinany!
Zahao, ry Vazan-tany rehetra, ny famonjen’ny Andriamanitray. Hobio ny Tompo, ry tany tontolo, mientàna, miantsà sy mihobia.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy

Efez. 1, 3-6. 11-12


Tao amin’i Kristy no nifidianan’Andriamanitra antsika talohan’ny nahariana izao tontolo izao.

Ry kristianina havana, hisaorana anie Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, izay nitso-drano antsika tao amin’i Kristy, amin’ny tsodrano rehetra ara-panahy any an-danitra, sy nifidy antsika tao aminy talohan’ny nahariana izao tontolo izao, mba ho masina sy tsy manan-tsiny eo anatrehany isika, ary nanendry antsika rahateo tamim-pitiavana araka ny sitraky ny fony, mba ho zanaka hatsangany amin’ny alalan’i Jesoa Kristy isika; nampamirapiratra ny voninahitry ny fahasoavany izany, dia ny fahasoavany nanasoavany antsika ao amin’Ilay malalany. Tao aminy ihany koa no nandraisantsika ny lovantsika, rehefa voatendry rahateo isika, araka ny fikasan’Ilay manao ny zavatra rehetra manaraka ny hevitry ny Fony, mba ho fankalazana ny voninahiny isika, dia isika izay nanantena an’i Kristy rahateo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Arahaba, ry Maria feno hasoavana; ny Tompo ao aminao; nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 1, 26-38


Arahaba, ry ilay feno hasoavana, ny Tompo ao aminao.

Tamin’izany andro izany, dia nirahin’Andriamanitra ny Anjely Gabriely ho any amin’ny tanàna anankiray any Galilea atao hoe Nazareta, ho any amin’ny Virjiny anankiray fofom-badin’ilay lehilahy atao hoe Jôsefa, ary ny anaran’ilay Virjiny dia Maria. Ary nony niditra tao aminy ilay Anjely dia nanao hoe: “Arahaba, ry ilay feno hasoavana; ny Tompo ao aminao; nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao.” Taitra izy nahare izany, ka nieritreritra izay tokony ho hevitr’izany fiarahabana izany. Fa hoy ny Anjely taminy: “Aza matahotra, ry Maria, fa sitrak’Andriamanitra ianao. Ary indro, hitoe-jaza ianao, ka hiteraka Zazalahy, ary Jesoa no hataonao Anarany. Ho lehibe Izy ka hatao hoe Zanaky ny Avo indrindra: dia homen’Andriamanitra ny fiketrahan’i Davida rainy Izy, ka hanjaka mandrakizay amin’ny taranak’i Jakôba, ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany.”

Fa hoy i Maria tamin’ilay Anjely: “Ahoana no hahatongavan’izany, fa tsy mahalala lahy aho?” Hoy ny Anjely namaly azy: “Ny Fanahy Masina no ho tonga ao aminao, ary ny herin’ny Avo indrindra no hanaloka anao; noho izany dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra ny Masina haterakao. Ary indro i Elizabeta rahavavinao dia efa mitoe-jaza koa na dia efa antitra aza, ary efa mandray enina izy izao ilay natao hoe momba, fa tsy hisy tsy ho hain’Andriamanitra atao.” Dia hoy i Maria: “Inty aho ankizivavin’ny Tompo, aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao.” Dia niala teo aminy ny Anjely.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, mankalaza an’i Masina Maria notorontoronina tsy azon-keloka ny Eglizy anio, koa ndeha hiara-mivavaka amin’Andriamanitra mba hataon’ny kristianina rehetra sy izao tontolo izao tabiha sy rehareha ary fiarovana mahatoky i Masina Maria tsy azon-keloka, hahafongotra ny ratsy rehetra eto amin’izao tontolo izao.

Valy: Ry Zanak’i Maria ô, henoy re izahay.

* Mpiaro manokana an’i Madagasikara i Masina Maria Imakole; ary mila fivoarana sy fandriampahalemana marina ny firenentsika. Koa enga anie i Masina Maria mba hitahy ny Mpitondra rehetra na ara-nofo na ara-panahy, ny vahoaka amam-poko rehetra, fa indrindra ny tanora sy ny ankizy ary dia hanjaka marina eto amin’ny tanintsika ny hasin’i Jesoa Kristy Zanany.
* Mivavaha ho an’ny Papa sy ny Eveka ary ny Pretra sy ny mpanao raharaha masina ao amin’ny Eglizy manontolo eran-tany, mba hofenoin’Andriamanitra ny fahasoavany izy, hahaizany mampianatra tsara ny momba an’i Masina Maria, ka hahazoan’ny olombelona ny soa rehetra nalahatr’Andriamanitra homena.
* Betsaka ny fanindrahindrana ataon’ny Fanjakana samihafa momba ny vehivavy; koa mivavaha mba hoampian’i Masina Maria izy ireny, mba hifantoka amin’izay tena mahasoa ny vehivavy marina tokoa ny zavatra ataony.
* Maro ireo vehivavy no mijaly: voahitsakitsaka zo aman-kasina, misara-panambadiana, na maro anaka sy tsy an’asa, koa mivavaha mba hampisehoan’Andriamanitra fitiavana izy rehetra, ary hiankina amin’i Masina Maria.
* Nahay nandinika ny tenin’Andriamanitra i Masina Maria, ka nanaiky tamim-panetren-tena ho ankizy vavin’ny Tompo; koa mivavaha mba samy hahay handinika ny tenin’Andriamanitra isika ary hanetry tena sy hanompo ny namana tahaka an’i Masina Maria.
* Manempotra ny fiainan’izao tontolo izao ny fahotana amin’ny endrika samihafa; koa angataho i Masina Maria tsy voakasik’ota, mba hanampy ny olona rehetra amin’izao andro izao, hahatsapany fa ilaina ny fahadiovam-pitondran-tena, ary tokony horesena ny fitiavan-tena sy ny fifankahalana.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Tompo ô, noho ny herinao mahefa ny zavatra rehetra, dia narovanao tsy ho voakasik’ota hatrany am-bohòka i Masina Maria Renin’ny Zanakao; koa mihanta aminao izahay mba arovy amin’ny fahotana sy ny faharatsiana rehetra ny fanahy amam-batanay, mba ho madio sy mendrika Anao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Raiso, ry Tompo, ity sorom-pamonjena ity, fa atolotray Anao amin’izao andro anajana an’i Masina Maria Virjiny notorontoronina tsy azon-keloka izao; miaiky izahay fa fahasoavana manokana avy aminao no niaro azy tsy ho azon-keloka; koa mba ekeo ny fifonany hahafahanay amin’ny fahotana rehetra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy:


Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay.

Fa narovanao tsy ho voakasiky ny fahotana tamin’ny fototra i Masina Maria Virjiny, mba ho feno fahasoavana, ka ho Reny mendrika hiteraka ny Zanakao sy hipoiran’ny Eglizy tapaka sy ilan’i Kristy tsy misy panda na ketrona fa soa tokoa. Izy virjiny madio indrindra no nofidinao hiteraka ny Zanakao, Ilay Zanak’ondry tsy manan-tsiny manala ny fahotanay. Izy koa no nataonao mpitalaho fahasoavana ho an’ny vahoakanao sy fakàn-tahaka amin’ny fahamasinana mihoatra noho ny hafa rehetra.

Izany no iarahanay amin’ny Anjely amin’ny tononkira ataony, ka midera Anao izahay faly sy mihoby manao hoe: Masina, Masina, Masina ...


Kômonio


Maro ny zava-dehibe iderana anao, ry Maria; satria ianao no nipoiran’Ilay Masoandron’ny fahamarinana dia i Kristy Andriamanitsika.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Ny Kômonio noraisinay izao anie, ry Tompo Andriamanitray, mba hanasitrana anay amin’ny ratran’ny fahotana tamin’ny fototra izay nampanalavirinao an’i Masina Maria tamim-pomba tsy manam-paharoa, fony izy notorontoronina.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0081