Sorona Masina ny Talata 29 novambra 2022

Herinandro voalohany - Fahatongavan’ny Tompo

TALATA

Tononkira fidirana

Zak. 14, 5. 7


Indro ho avy ny Tompo hotronin’ny Olomasina rehetra, ka hisy fahazavana lehibe amin’izany andro izany.


Fangatahana

Ry Tompo Andriamanitra ô, mba henoy amin’ny fo miantra ny fitalahoanay ary tohano amin’ny herinao be fitiavana fa zoim-pahoriana aman-tebiteby izahay, ka ataovy afaka alahelo mahita ny Zanakao tonga, ary tsy voakasiky ny loto amam-pahotana intsony.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 11, 1-10


Hitoetra eo aminy ny Fanahin’ny Tompo.

Amin’izany andro izany, hisy rantsana hipoitra amin’ny fototr’i Jese, ary hisy solofo haniry avy amin’ny fakany. Hitoetra eo aminy ny Fanahin’ny Tompo, dia ny fanahin’ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina, fanahin’ny fifidianana amam-paherezana, fanahin’ny fahalalana amam-pahatahorana ny Tompo. Ny fahatahorana ny Tompo no fototry ny fahafinaretany. Tsy hitsara araka izay miseho amin’ny masony Izy, na hanapaka araka izay ren’ny sofiny. Ny madinika hotsarainy ara-drariny, ary ny mpietry eto an-tany dia hamoahany teny fitsarana araka ny marina. Hikapoka ny tany amin’ny tsorakazon’ny vavany izy, ary hamono ny ratsy fanahy amin’ny fofon’ain’ny molony. Fahamarinana no hisikinan’ny andilany ary fatrapo mahatoky no ho fehin-kibony. Ny amboadia hiara-mitoetra amin’ny zanak’ondry, ny pantera hiara-mandry amin’ny zanak’osy, ny zanak’omby sy ny liona aman’omby mifahy, hiray toerana, ka zaza no hiroaka azy. Ny ombivavy sy ny orsa handeha ho amin’ny tanim-bilona iray, ny zanak’ireo hiray trano fandriana; ary ny liona hihinam-bilona hoatra ny omby. Ny zaza minono hilalao eo amin’ny lavaky ny menarana; ary ny zaza vao misara-nono hanao ny tanany ao an-davaky ny baziliky. Tsy hisy hampidi-doza na handrava, eran’ny tendrombohitra masina, satria ny tany ho feno fahalalana ny Tompo, toy ny fanambanin’ny ranomasina, feno ny rano manarona azy. Izao no hiseho amin’izany andro izany: ny solofon’i Jese, voatsangana ho fanevan’ny vahoaka samihafa, dia hotadiavin’ny firenena, ary ho be voninahitra ny fonenany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 71, 1-2. 7-8. 12-13. 17


Fiv.: Hamony amin’ny andron’ny Tompo ny rariny, ary ny fiadanana hitombo mandrakizay.

Andriamanitry ny fahamarinana ô, mba tolory ny andriana mpitondra sy ny zanak’andriana ho dimbiny, ny fahaiza-mitsara ara-drariny.
Amin’ny androny hamony ny rariny, ary mandra-pahafatin’ny volana, dia hisy fandriam-pahalemana lavorary sy feno tanteraka. Ranomasina no ho sisin-taniny, ary ny ony no ho valam-parihiny.
Izy hanafaka ny malahelo mitoloko tsy manan-kanampy. Ny mahantra sy ny ory hovonjeny, hotsimbininy hatrany ny osa.
Ny Anarany hankalazaina sy haharitra toy ny masoandro. Ary indro hatao fitahiana ireo foko manerana an-tany. Ary Izy no ho reharehan’ireo mponin’ny tany tontolo.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Avia, ry Tompo, vangio am-piadanana izahay mba hifalianay amin’ny fo lavorary.

Aleloia.


Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 10, 21-24


Nientan-kafaliana tamin’ny Fanahy Masina i Jesoa.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nientan-kafaliana tamin’ny Fanahy Masina ka nanao hoe: “Misaotra Anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, noho Ianao nanafina izany tamin’ny mahay sy ny hendry, fa nanambara azy tamin’ny zaza madinika kosa. Eny, Raiko, fa izany no sitra-ponao. Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra, ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray, na ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanambaràna Azy.” Dia nitodika tamin’ny mpianany Izy ka nilaza taminy manokana hoe: “Sambatra ny maso mahita izay hitanareo fa lazaiko aminareo fa maro ny mpaminany sy ny mpanjaka naniry hahita izay hitanareo, fa tsy nahita, ary handre izay renareo, fa tsy nandre.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hampitony Anao ny vavaka aman-tolotra ataonay amimpanetren-tena, ary satria tsy azonay ianteherana ny soa mba vitanay, dia vonjeo fanampiana izahay noho ny hatsaram-ponao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Fahatongavan’ny Tompo I


Kômonio

2 Tim. 4, 8

Ho avy ilay Mpitsara marina handravaka fehiloha fahamarinana an’izay rehetra faly miandry Azy.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Avy nihinana ny hanim-panahy izahay, ry Tompo, ka mitalaho an-tanan-droa aminao: enga anie izahay nahazo anjara tamin’izany mistery izany mba hampianarinao hahay mandanjalanja ny zavatry ny tany araka ny hevitrao sy hifikitra amin’ny zavatry ny lanitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108