Sorona Masina ny Asabotsy 26 novambra 2022

Herinandro faha-34 mandavantaona

SABOTSY


Tononkira fidirana

Sal. 84, 9


Hampanantena fiadanana ho an’ny vahoakany ny Tompo, ho an’ny mpivavaka aminy, ho an’ireo mampitodika ny fony any aminy.


Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, herezo ny sitraponay vahoakanao hikezahanay hampahavokatra ny fahasoavanao ka hahitanay fitahiana bebe kokoa avy amin’ny hatsaram-ponao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Boky Fanambarana nosoratan’i Md. Joany

Apôk. 22, 1-7


Tsy hisy alina intsony fa ny Tompo no hanazava azy.

Nasehon’ny anjelin’ny Tompo ahy Joany, ny onin-dranovelona mangarangarana toy ny kristaly, nivoaka avy ao amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry, namaky ny kianjan’ny tanàna. Teo an-daniny roa amin’ny ony, dia nisy hazon’aina mamoa indroa ambin’ny folo, dia indray mandeha isam-bolana, ary mandravina fanasitranana ny firenena. Ny ozona tsy hisy intsony; ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry ho ao an-tanàna; ary ny mpanompony hanompo Azy, sady hahita ny tavany sy hanana ny anarany eo an-kandriny. Tsy hisy alina intsony; ary tsy hila ny fanazavan’ny jiro na ny fanazavan’ny masoandro izy ireo, fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy; sady hanjaka mandrakizay mandrakizay izy rehetra. Ary hoy ilay anjely tamiko: “Marina sy mahatoky ireo teny ireo; ary ny Tompo Andriamanitry ny mpaminany no efa naniraka ny anjeliny, mba hanambara amin’ny mpanompony ny zavatra rehetra tsy maintsy ho tonga faingana. — Indro avy faingana aho. Sambatra izay mitandrina ny tenin’ny faminaniana amin’itý boky itý.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 94, 1-2. 3-5. 6-7


Fiv.: Avia, ry Jesoa Tompo, avia.

Avia! Andeha isika hihoby ny Tompo, hankalaza ny vatolampy famonjena antsika! Andeha hiseho eo anoloany amin-tsaotra, hankalaza Azy amin’antsa!
Fa Andriamanitra lehibe ny Tompo, Mpanjaka manoatra ny andriamanitra rehetra: fa ny fototry ny tany eo an-tanany, ny tampon’ny vohitra Azy koa. Azy ny ranomasina fa nataony; sy ny tanety, fa voatran’ny tanany!
Midira! Andeha isika hiankohoka sy hitsaoka! Mandohaliha anoloan’ny Tompo nanao antsika! Fa Izy no Andriamanitsika; isika kosa: vahoaka fiandriny, ondry an-tanany. Enga anie ianareo anio ka mba hahahaino ny feony!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Bokin’i Daniely Mpaminany

Dan. 7, 15-27


Homena ny vahoakan’ny Olo-masin’ny Avo indridra ny fanjakana sy ny fahefana.

Izaho Daniely, nitebiteby ny saiko tao anatiko, ary nahatsiravina ahy ny fahitan’ny lohako. Nanatona ilay anankiray tamin’ireo nitsangana teo aho, dia nanontany azy izay mba marina tokoa ny momba izany rehetra izany, ka niteny tamiko izy nilaza ny hevitr’izany: “Ireo biby lehibe ireo, izay efatra no isany, dia mpanjaka efatra hitsangana avy amin’ny tany; nefa ireo Olo-masin’ny Avo indrindra no handray ny fanjakana sy hahalasa ny fanjakana ho azy mandrakizay alaovalo.” Tiako ho fantatra marina tamin’izay, ny amin’ilay biby fahefatra, izay hafa noho izy rehetra, mahatsiravina indrindra, vy ny nifiny, varahina ny hohony, nihinana sy nikepokepoka izy ary nohoseny tamin’ny tongony ny sisa tsy laniny; sy ny amin’ireo tandroka folo teo an-dohany, mbamin’ilay tandroka iray hafa nisandratra, ka nisy telo no nitsingidina teo anoloany, dia ilay tandroka nana-maso, nanam-bava nilaza zava-dehibe, ary niseho ho lehibe noho ny namany. Nijery aho ka indro niady tamin’ireo Olo-masina, sy naharesy azy ireo ilay tandroka, mandra-pahatongan’ilay Anti-dahy izay nanomezana ny fitsarana an’ireo Olo-masin’ny Avo indrindra, sy nahatongavan’ny fotoana hahazoan’ireo Olo-masina ny fanjakana.

Izao no nolazainy tamiko: “Ilay biby fahefatra dia fanjakana fahefatra hisy eto an-tany, hafa noho ny fanjakana rehetra, hihinana ny tany rehetra, ary hanosihosy azy, sy hanorotoro azy. Ireo tandroka folo dia milaza mpanjaka folo hitsangana amin’izany fanjakana izany; hisy iray koa hitsangana manarakaraka azy ireo; ho hafa noho ireo talohany, ary hanongana mpanjaka telo. Hanao teny manohitra ny Avo indrindra izy, sady hampahory ny Olo-masin’ny Avo indrindra, sy hamoron-kevitra hanova ny fotoana aman-dalàna, ary hatolotra ho eo an-tanany ireo olo-masina mandra-pahatapitry ny fetr’andro iray, sy fetr’andro roa, ary ny antsasaky ny fetr’andro. Ary hatao ny fitsarana, ka hesorina aminy ny fizakana mba handravana azy sy handevonana azy mandrakizay. Ary ny fanjakana sy ny fahefana amam-pahalehibeazan’ny fanjakana etý ambanin’ny lanitra rehetra, homena ny vahoakan’ny Olo-masin’ny Avo indrindra; fanjakana mandrakizay ny fanjakany, ary hanompo azy sy hanoa azy ny fanjakana rehetra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo: Dan. 3, 82 sy 83. 84 sy 85. 86 sy 87


Fiv.: Ankalazao sy asandrato indrindra mandrakizay Izy.

Isaory ny Tompo, ry zanak’olombelona; derao Izy ary ankalazao mandrakizay. Aoka i Israely hidera ny Tompo, aoka izy hidera sy hankalaza Azy mandrakizay.
Isaory ny Tompo, ry mpisoron’ny Tompo; derao Izy ary ankalazao mandrakizay. Isaory ny Tompo, ry mpanompon’ny Tompo; derao Izy, ary ankalazao mandrakizay!
Isaory ny Tompo, ry fanahy amam-panahin’ny marina; derao Izy, ary ankalazao mandrakizay. Isaory ny Tompo, ry Olo-masina sy ianareo manetry tena ao am-po; derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Miambena ary mivavaha mandrakariva, mba ho mendrika hitsangana hiseho eo anoloan’ny Zanak’Olona ianareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 21, 34-36


Miambena mba ho mendrika ho afaka amin’izany loza rehetra tsy maintsy tonga izany ianareo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Tandremo fandrao vesaran’ny fihinanan-doatra sy ny fimamoana ary ny fiahiana izao fiainana izao ny fonareo; ka tratrany tonga tampoka aminareo anie izany andro izany e! Fa ho sahala amin’ny fandrika hahavoa ny olona rehetra mitoetra eto ambonin’ny tany izany. Koa miambena àry, ary mivavaha mandrakariva mba ho mendrika ho afaka amin’izany loza rehetra tsy maintsy tonga izany ianareo, ka hitsangana hiseho eo anatrehan’ny Zanak’Olona.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny fanatitra masina nasainao atolotra hanajana ny Anaranao ary ataovy mitandrina mandrakariva ny didinao izahay mba ho sitrakao ny fonay manolotra izao Sorona izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 116, 1-2

Derao ny Tompo, ry firenen-drehetra, fa aminay tsy mba lefy ny hatsaram-pony.


na hoe:

Mt. 28, 20

Indro Aho eo aminareo mandrakariva, hoy ny Tompo, ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, fa sambatra nahazo anjara tamin’ny zava-masina ka aza avela hisaraka aminao na oviana na oviana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0085