Sorona Masina ny Alatsinainy 03 oktobra 2022

Herinandro faha-27 mandavantaona

ALATSINAINY


Tononkira fidirana

Est. 13, 9. 10-11


Eo ambany fahefanao avokoa ny zavatra rehetra, ry Tompo, ary tsy misy afaka hanohitra ny sitraponao. Ianao no nahary izao rehetra izao: ny lanitra sy ny tany mbamin’izay rehetra eo amin’ny habakabaka; Ianao no Tompon’izao tontolo izao.


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, lalina ny fitiavanao, mihoatra noho izay rehetra mendrika anay sy angatahinay; koa arotsahy aminay ny andon’ny famindram-ponao: mba afaho izahay amin’izay rehetra mampitebiteby ny fonay ary omeo anay izay tsy sahinay angatahina amin’ny fivavahana.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Galasia

Gal. 1, 6-12


Tsy tamin’olombelona no nandraisako ny Evanjely, fa tamin’ny fanambaràn’i Kristy.

Ry kristianina havana, gaga aho raha dia mivadika faingana toy izany ianareo, ka ilay niantso anareo ho amin’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy dia ialanareo hanatona Evanjely hafa indray. Tsy dia hoe misy Evanjely hafa akory anie, fa ny Evanjelin’i Kristy ihany no tadiavin’ny sasany hovana, mba hampitabataba anareo fotsiny! Fa na ny tenanay, na Anjely avy any an-danitra aza, ka mitory Evanjely hafa noho izay efa notorìnay taminareo, dia aoka ho voaozona izy. Efa voalazanay taloha izany, sady mbola averiko indray ankehitriny, fa raha misy olona mitory aminareo Evanjely hafa noho izay noraisinareo, dia aoka ho voaozona izy.

Ary ankehitriny, olombelona ve no ilako sitraka sa Andriamanitra? Moa ny hamalifaly ny olombelona va no kendreko? Raha mbola mila sitraka amin’olombelona koa aho, dia tsy mpanompon’i Kristy akory. Ampahafantariko anareo, ry kristianina havana, fa ny Evanjely izay notorìko taminareo, dia tsy mba avy amin’olombelona; fa tsy tamin’olombelona no nandraisako na nianarako azy, fa tamin’ny fanambaran’i Jesoa Kristy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 110, 1-2. 7-8. 9 sy 10d


Fiv.: Mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay ny Tompo.

Izaho midera ny Tompo amin’ny foko tontolo am-pivorian’ny olo-marina sy am-piangonam-be! Lehibe ny Asan’ny Tompo mampisaina izay rehetra tia Azy.
Rariny sy hitsiny ny Asan’ny Tanany; mahatoky avokoa ny lahany: mafy orina mandrakizay alaovalo, vita amim-pahamarinana sy hitsiny.
Nandefa fanavotana tamin’ny vahoakany Izy, sy nanorina ny fanekeny ho mandrakizay. Masina sy mahatahotra ny Anarany. Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Fanombohan’ny Bokin’i Jônasa Mpaminany

Jônas. 1, 1 — 2, 1. 11


Nitsangana i Jônasa handositra ny tavan’ny Tompo.

Tonga tamin’i Jônasa, zanak’i Amati, ny tenin’ny Tompo, nanao hoe: “Mitsangàna ianao, ka mankanesa any Niniva, tanàna lehibe, hitory ny hamelezana azy, fa tafakatra hatratý amiko ny haratsian’izy ireo.”

Dia nitsangana i Jônasa handositra ho any Tarsisa, lavitra ny tavan’ny Tompo. Nidina tany Jôpe izy, dia nahita sambo ho any Tarsisa, ka naloany ny saran-tsambo, dia niditra tao izy, hiaraka amin’izy ireo ho any Tarsisa lavitra ny tavan’ny Tompo.

Fa ny Tompo kosa nampifofofofo rivo-mahery eny amin’ny ranomasina, ka nisy tafio-drivotra teny amin’ny ranomasina; ny sambo efa nila ho vaky. Raiki-tahotra ny matilò ka samy nitaraina tamin’izay andriamaniny avy, sady nanary ny zavatra tao an-tsambo tany anaty ranomasina, mba hanamaivana azy; fa i Jônasa kosa nidina tao am-bodisambo, dia nandry ka renoka natory tao. Avy nanatona azy ny kapitenin-tsambo, ka nanao taminy hoe: “Inona itý ataonao, no matory foana? Mitsangàna, antsoy ny Andriamanitrao, ndrao mba mihevitra antsika Andriamanitra, ka tsy ho faty isika.” Ary nifampilaza izy ireo nanao hoe: “Avia, hanao filokana isika, mba hahafantarantsika izay mahatonga izao loza izao amintsika.” Dia nanao filokana izy, ka i Jônasa no voan’ny filokana.

Izay izy ireo nanao taminy hoe: “Lazao anay re, izay mahatonga izao loza izao amintsika! Inona no raharahanao; avy aiza ianao; aiza no taninao; ary inona no firenenao?” Ka izao no navaliny azy ireo: “Hebrio aho, ary ny Tompo, Andriamanitry ny lanitra, izay nanao ny tany aman-dranomasina, no ivavahako.” Dia raiki-tahotra mafy ireo olona ireo, ka nanao taminy hoe: “Inona izany nataonao izany?” satria fantatr’ireo olona ireo fa nandositra lavitra ny tavan’ny Tompo izy, fa efa nambarany taminy izany. Ka hoy ireo taminy: “Hataonay ahoana ianao, dia hitony amintsika ny ranomasina?” Fa mbola nihananonja nihananonja mafimafy kokoa ny ranomasina. Ka hoy ny navaliny azy: “Raiso aho, ka atsipazo any anaty ranomasina, dia hitony aminareo ny ranomasina; satria fantatro fa noho ny amiko, no mahatonga izao tafio-drivotra mafy izao aminareo.”

Nivory ny olona mba hitondra ny sambo hitody amin’ny tany maina, fa tsy afaka; satria nihananonja mafimafy kokoa nanohitra azy ny ranomasina. Ka dia niantso ny Tompo izy nanao hoe: “Endrey! ry Tompo ô, aoka tsy ho faty noho ny amin’ny amin’itý lehilahy itý izahay na ataonao milonjo ny ra tsy manan-tsiny, satria Ianao no nanao araka izay sitrakao, ry Tompo ô!” Dia noraisiny i Jônasa, natsipiny tany amin’ny ranomasina, ka nitony ny fisafoaky ny ranomasina. Ary raiki-tahotra mafy ny Tompo ny olona, ka nanatitra sorona ho an’ny Tompo, sy raiki-boady.

Naniraka hazandrano lehibe anankiray ny Tompo hitelina an’i Jônasa; ka tao an-kibon’ny hazandrano i Jônasa, hateloan’andro sy hateloan’alina. Dia nandidy ilay hazandrano ny Tompo, ka naloan’ny hazandrano teny amin’ny tany i Jônasa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Jôn. 2, 3. 4. 5. 8.


Fiv.: Mampiakatra ny aiko avy any an-davaka Ianao, ry Tompo

Niantso ny Tompo tao anatin’ny fahoriako aho; ary namaly ahy Izy; nitaraina aho tao an-kibon’ny Seoly, ka nihaino ny feoko Ianao.
Natsipinao tany amin’ny hantsana aho, dia tany amin’ny ranomasina, ka ny riaka nanodidina ahy; ny alon-dranonao aman’onjanao rehetra nandeha teo amboniko.
Dia hoy aho hoe: «Voaroaka tsy ho eo imasonao aho nefa mbola hibanjina ny Tempolinao masina.»
Raha reraka tao anatiko ny fanahiko, dia nahatsiaro ny Tompo aho; ka tonga hatrany aminao ny fivavahako, hatrany an-tempolinao masina.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izay mitandrina ny didin’i Kristy, no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 10, 25-37


Iza àry no namako?

Tamin’izany andro izany, nisy mpampiana-dalàna nitsangana haka fanahy an’i Jesoa, ka nanao taminy hoe: “Tompo ô, inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?” Dia hoy i Jesoa taminy: “Inona no voasoratra ao amin’ny Lalàna ary ahoana no famakinao azy?” Ary namaly izy ka nanao hoe: “Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra, sy ny fanahinao rehetra, sy ny herinao rehetra, ary ny sainao rehetra, ary ny namanao tahaka ny tenanao.”

Dia hoy i Jesoa taminy: “Marina ny navalinao, manaova izany dia ho velona ianao.” Fa nitady hanamarin-tena ralehilahy ka nanao tamin’i Jesoa hoe: “Iza àry no namako?” Ary hoy i Jesoa taminy: “Nisy lehilahy anankiray nidina avy tany Jerosalema ho any Jerikao, azon’ny jiolahy, ka nendahany ny lambany, nokapohiny ny tenany ary saika maty vao navelany. Dia nisy kosa mpisorona anankiray nidina tamin’izany lalana izany ka nahita azy, nefa nandalo ihany. Toy izany koa itý levita anankiray izay tonga teo, nahita azy, nefa nandalo ihany. Fa nisy kosa Samaritanina anankiray nivahiny tonga teo aminy, ka nangoraka nony nahita azy. Nanatona azy izy, dia namehy ny feriny ary nanisy diloilo sy divay azy, vao nampitaingina azy ny soavaliny, sy nitondra azy tany an-tranombahiny ka nitsabo azy. Nony ampitso, dia naka denie roa izy ka nomeny ny tompon-trano, ary nataony hoe: “Tsaboy izy, ary na hoatrinona na hoatrinona laninao mihoatra noho ireny, dia honerako rahefa miverina aho.” Iza amin’izy telo lahy no ataonao ho naman’ilay azon’ny jiolahy?” Dia hoy ilay mpampiana-dalàna: “Ilay niantra azy.” Ary hoy i Jesoa taminy: “Mandehana àry ka manaova toy izany koa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, izao Sorona masina nasainao atao izao, ka ny mistery ankalazainay hanompoana Anao anie ho sitrakao hanamasina anay sy hanavotra anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Fitom. 3, 25

Tsara fo ny Tompo ho an’izay miantehitra aminy, ho an’ny fanahy mikatsaka Azy.


na hoe:

1 Kôr. 10, 17

Iray ihany ny mofo, ka vatana iray isika na dia maro aza, satria mofo iray ihany sy kalisy iray ihany no iombonantsika rehetra.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Enga anie, ry Andriamanitra Andriananahary, hanetsaka sy hahavoky anay ny Kômonio masina ary hanova anay hitovy amin’Ilay noraisinay, dia Ilay velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0629