Sorona Masina ny Alahady 02 oktobra 2022

ALAHADY FAHA-27 mandavantaona — D

NY OLONA MANAM-PINOANA TSY MIANDRY VALISOA EO NO HO EO

Tononkira fidirana

Est. 13, 9. 10-11

Eo ambany fahefanao avokoa ny zavatra rehetra, ry Tompo, ary tsy misy afaka hanohitra ny sitra-ponao. Ianao no nahary izao rehetra izao: ny lanitra sy ny tany mbamin’izay rehetra eo amin’ny habakabaka; Ianao no Tompon’izao tontolo izao.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, lalina ny fitiavanao, mihoatra noho izay rehetra mendrika anay sy angatahinay; koa arotsahy aminay ny andon’ny famindram-ponao: mba afaho izahay amin’izay rehetra mampitebiteby ny fonay ary omeo anay izay tsy sahinay angatahina amin’ny fivavahana.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Habakôka Mpaminany

Hab. 1, 2-3; 2, 2-4

Ho velona amin’ny finoany ny marina.

Nitaraina tamin’ny Tompo aho hoe: “Tompo ô, mandra-pahoviana no hiantsoako Anao, nefa tsy mihaino ahy ihany Ianao, ary hitaraina aminao aho hoe: fahasiahana! nefa tsy vonjenao ihany aho? Nahoana aho no ataonao mahita ny tsy fahamarinana ary Ianao mijery ny fahoriana? Fa fandravana amam-pahasiahana no eo anatrehako; misy fifandirana ary mitranga ny tsy fifanarahana”. Dia namaly ahy ny Tompo, ka nanao hoe: “Soraty ny fahitana ka sokiro amin’ny fàfana, mba hamakian’ny olona azy moramora. Fa mbola misy fahitana amin’ny fotoam-boafetra; efa mandroso ho amin’ny fotoana fanaperana azy izy, ka tsy hamitaka; raha miadam-piavy izy, andraso ihany, satria ho avy tokoa, fa tsy ho diso. Izay mibohibohy ny fanahy ao anatiny, dia tsy mba amin’ny lala-mahitsy, fa ny marina no ho velona amin’ny finoany”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 94, 1-2. 6-7. 8-9


Fiv.: Enga anie ianareo anio hihaino ny Tompo; aza mba manamafy ny fonareo.

Avia! Ndeha isika hihoby ny Tompo, hankalaza ny Vatolampy famonjena antsika; andeha hiseho eo anoloany amin-tsaotra, hankalaza Azy amin’antsa.
Midira! Ndao hiankohoka sy hitsaoka, handohalika eo anoloan’ny Tompo nanao antsika.
Fa izy no Andriamanitsika; isika vahoakany, ondry eo an-tanany. Enga anie ianareo anio ka mba handre ny feony!
Aza manamafy fo toy ny tany an’efitra, tamin’ny andro nifandirana sy nihatsiana, raha naka fanahy Ahy ny razanareo, na dia efa nahita ny asako aza.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy faharoan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’i Timôte

2 Tim. 1, 6-8. 13-14


Aoka ianao tsy ho menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika.

Ry zanako malala, mananatra anao aho mba hamelombelona indray ny fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra ao anatinao, izay noraisinao tamin’ny fametrahako tanana taminao. Fa tsy Fanahy osa no nomen’Andriamanitra antsika, fa Fanahy mahery sy be fitiavana ary mahonon-tena. Koa aoka ianao tsy ho menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika, sy noho ny amiko izay mpifatotra ho Azy, fa hiara-mijaly amiko noho ny Evanjely, miankina amin’ny herin’Andriamanitra. Tano amin’ny finoana sy ny fitiavana ao amin’i Kristy Jesoa ny mariky ny fampianarana marina renao tamiko. Ary aoka ny Fanahy Masina, izay mitoetra ao amintsika no hoentinao mitahiry ny zavatra tsara napetraka taminao.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao: Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 17, 5-10

Raha manam-pinoana manko ianareo.

Tamin’izany andro izany, ny Apôstôly nanao tamin’ny Tompo hoe: “Ampitomboy ny finoanay”. Fa hoy ny Tompo: “Raha manam-pinoana ohatra ny voan-tsinapy iray ianareo dia mahazo milaza amin’io voaroihazo io hoe: ‘Miongota, ka mifindrà any amin’ny ranomasina’, dia hanaiky anareo izy. Ary iza moa aminareo no manana mpanompo miasa tany na miandry ondry avy any an-tsaha, no mba hilaza aminy hoe: ‘Metia faingana, ary mipetraha hihinana?’ Moa tsy izao aza no holazainy aminy: ‘Amboary ny sakafoko, ary misikîna hampihinana ahy mandra-pitsahatro avy mihinana sy misotro, fa raha efa izany vao hihinana sy hisotro ianao?’ Ary moa misaotra izany mpanompo izany akory va izy, satria nanao izay nasainy natao io? Ataoko fa tsy izany. Koa tahaka izany koa ianareo: rehefa vitanareo izay nandidiana anareo, dia lazao hoe: ‘Mpanompo tsy mahasoa izahay, fa izay tsy maintsy ho nataonay ihany no hany vitanay”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, ny olombelona rehetra dia tokony hahatsiaro fa mpanompon’Andriamanitra: maro anefa, na kristianina aza, no mila hiantso an’Andriamanitra hanompo azy fotsiny sy hampanaoviny izay tiany. Koa mivavaha mba hoesorin’Andriamanitra amin’ny olona rehetra izany hevitra izany.

Valy: Hisaoranay anie ny Anaran’ny Tompo. Aleloia, aleloia.

* Adidin’ny Eglizy ny mampahatsiaro an’izao tontolo izao fa tokony hotompoina Andriamanitra ary mendrika hotiavina; koa mivavaha mba himasoan’ireo Pretra sy ho hainy manatanteraka ankehitriny koa izany adidy izany.
* Mivavaha mba ho tsapan’ireo ambony eo amin’izao tontolo izao fa ny manompo an’Andriamanitra no zokin’adidy ho an’ny olombelona rehetra, ary ny fanompoana amim-pitiavana ny namana no tena sitrak’Izy Tompo.
* Maro ny tsy mahita asa eran-tany; koa mivavaha ho an’ireo raim-pianakaviana sy renim-pianakaviana mipenimpenina; ary koa ho an’ireo tanora mitady asa, mba hoentiny manompo an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona anie ny asa karohiny.
* Mivavaha ho an’ireo miasa aman’olona mandritra ny andro tontolo: ireo mpiasa an-trano, mpandroso sakafo any an-tranom-bahiny, sy ny hafa rehetra, mba ho tsaroan’ireo mpampiasa fa olona mitovy aminy izy ireny ka tokony hanehoany fahamarinana sy fitiavana.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Tompo ô, ampio izahay ho mpanompo mahavita asa, hijery lalandava izay sitrakao sy hanatontosa izay irinao. Omeo finoana indrindra izahay mba hazoto hanao ny sitra-ponao, ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, izao Sorona masina nasainao atao izao, ka ny mistery ankalazainay hanompoana Anao anie ho sitrakao hanamasina anay sy hanavotra anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady tsotra VI, ohatra.


Kômonio

Fitom. 3, 25

Tsara fo ny Tompo ho an’izay miantehitra aminy, ho an’ny fanahy mikatsaka Azy.


na hoe:

1 Kôr. 10, 17

Iray ihany ny Mofo, ka vatana iray isika na dia maro aza; satria Mofo iray ihany sy kalisy iray ihany no iombonantsika rehetra.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Enga anie, ry Andriamanitra Andriananahary, hanetsaka sy hahavoky anay ny Kômonio masina ary hanova anay hitovy amin’Ilay noraisinay, dia Ilay velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0084