Sorona Masina ny Talata 27 septambra 2022

27 Septambra Md. VINCENT de Paul

Pretra Mpiaro faharoa an'i Madagasikara (1581 - 1660)


Fankalazana

I Md. Vincent de Paul dia teraka tamin’ny taona 1581, tao an-tanànan’i Pouy (les Landes — Frantsa). Fony fahazaza izy no efa zatra tia sy nangoraka ny mahantra, hany ka nony efa tonga Pretra izy, dia ny hanamaivana ny fahoriana isan-karazany no nimasoany: ny marary, ny adala, ny zaza tsy misy mpiahy, ny mpivaro-tena, ny kilemainan’ny ady, sns... Ary dia nanorina ny Fikambanan’ny Masera “Filles de la Charité” izy hiara-kifarimbona aminy amin’ny hahatontosa izany zava-kendreny izany. Fa mihoatra noho izany indray ny fahatsapany ny fahoriam-panahy nahazo ny olona, ka dia nanorina ny Fikambanin’ny Mômpera Lazarista koa izy hitory ny Evanjely any ambanivohitra rehetra any, sady nanorina Seminera maromaro. Tamin’ny 27 septambra 1660 izy no nantsoin’Andriamanitra hody any aminy handray ny valin’ny asany teto an-tany. Fony fahavelony i Md. Vincent de Paul dia naniraka Mômpera hiasa eto Madagasikara (Fort-Dauphin), ary na ny tenany aza dia naniry ny hitsidika tatý fa tsy tanteraka. Tatý aoriana dia tonga tao Fort-Dauphin ihany koa ny Masera Filles de la Charité hifarimbon’asa amin’ireo Mômpera Lazarista. Hatramin’izay ka hatramin’izao, dia mitrandraka tsy mijanona ao amin’ny Diosezin’i Fort-Dauphin ireo Mômpera sy Masera zanak’i Md. Vincent de Paul ireo. Tsy mahagaga àry raha izy no Olomasina ankalazain’i Madagasikara ho Mpiaro faharoa azy, manarakaraka an’i Masina Maria Imakole.
Enga anie isika haka tahaka an’i Md. Vincent de Paul ka ho faly hamonjy ny ory sy handray anjara amin’ny fanohanana ny Seminerantsika.


Tononkira fidirana

Lk. 4, 18.

Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, satria naniraka ahy Izy hitory teny soa mahafaly amin’ny ory sy ny madinika ary naniraka ahy hankahery ny tororo fo.


Asiana Voninahitra anie ...


Fangatahana

Andriamanitra ô, mba hamonjena ny mahantra sy hanomanana tsara ny Pretra no nanomezanao hatsaram-panahin’Apôstôly an’i Masindahy Vincent Pretra, koa mihanta aminao izahay: enga anie hoentanin’ny toem-panahiny ho tia izay notiaviny ary hanao izay nampianariny.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay. Amen.


Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 58, 5-11.


Tena ankasitrahan’Andriamanitra ny famonjena namana.

Moa izany va no fifadiana ankasitrahako? Izany va no andro fanetren’ny olona ny fanahiny? Ny miondri-doha hoatra ny zozoro, sy mandry amin’ny lasàka sy lavenona, dia izany va no antsoina hoe fifadiana, sy andro ankasitrahan’ny Tompo? Tsy izao va no fifadiana tiako kokoa: dia ny manapaka ny famatorana tsy an-drariny, ny mamaha ny fehezan’ny jioga, ny mandefa ny ampahoriana ho afaka; ny manapatapaka ny jioga rehetra isan-karazany? Moa tsy ny hizaranao ny mofonao amin’izay noana va; sy ny hampiantranoanao ireo mahantra tsy manan-kidirana, sy ny hanafianao izay hitanao miboridana, ary ny tsy hiviliana tsy hijery ny tapaky ny tenanao? Amin’izany ny fahazavanao hiposaka hoatra ny fahazavan’ny maraina, ary ny fahasitrananao ho tonga faingana; ny fahamarinanao, hialoha lalana anao; ny voninahitry ny Tompo ho vodi-lalanao. Amin’izany ianao hiantso, ary ny Tompo hamaly; ianao hitaraina, ary Izy hanao hoe: Intý aho! Raha esorinao tsy ho eo aminao intsony ny jioga, ny fanambanana sy ny teny manala baraka; raha manome ny haninao ho an’ny noana ianao, sy mamoky ny fanahy miferin’aina; hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao, hamirapiratra hoatra ny mitaovovonana ny haizinao: ary ny Tompo hitari-dalana anao mandrakizay; sy hamoky ny fanahinao any amin’ny tany karankaina; ary hanome hery ny taolanao. Ho tahaka ny zaridaina tsara tondraka ianao, sy ho tahaka ny loharano velona, tsy manam-paharitana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 111, 1-2. 3-4. 5-6.


Fiv. : Sambatra ny olona miaraka amin’ny Tompo.

Sambatra ny olona matahotra ny Tompo,
sy mankasitraka fatratra ny didiny!
Ny taranany hahery eto an-tany;
ny taranjan’ny olo-marina tahîna.

Fananana sy harena no ao an-tranony;
ny fahamarinany maharitra mandrakizay.
Ny olo-marina tsilovina raha maizina;
dia ireo izay mangoraka sy antra.

Ny tsara fanahy mahery mampisambotra;
ny lalany voalamina araka ny rariny;
tsia, tsy hiròna izy mandrakizay.
Ny anaran’ny olo-marina ho mandrakizay.


Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto

1 Kôr. 1, 26-31.


Izay ataon’izao tontolo izao ho adala no nofidin’Andriamanitra.

Ry kristianina havana, jereo ange izato ianareo voaantso e: tsy firy no hendry araka ny nofo, tsy firy no mahery, tsy firy no avo razana! Fa izay ataon’izao tontolo izao ho adala no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; izay ataon’izao tontolo izao ho malemy no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny mahery; ary izay iva razana amana faneso amin’izao tontolo izao, dia ny atao ho tsy misy aza, no nofidin’Andriamanitra hahatsinontsinona ny misy, mba tsy hisy nofo hirehareha eo anatrehan’Andriamanitra. Fa avy aminy ny maha-ao amin’i Kristy Jesoa anareo, dia ilay nataon’Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana ary fahamasinana amam-panavotana ho antsika, mba ho tanteraka ny voasoratra hoe: izay mirehareha, aoka ny Tompo no ho reharehany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia, Aleloia.

Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 9, 35-38.


Be ny vokatra fa ny mpijinja no vitsy.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra, nampianatra teo amin’ny sinagôgany sy nitory ny evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra, ary nahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra. Onena Izy nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry. Dia hoy Izy tamin’ny mpianany: “Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy; koa mihantà amin’ny Tompom-bary mba haniraka mpijinja amin’ny variny.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanalorana

Andriamanitra ô, rahefa nanolotra ny Sorona i Masindahy Vincent Pretra, dia nanahaka ny zava-masina notantanany, ka enga anie ny hasin’izany Sorona izany hahatonga anay koa ho sorona ankasitrahanao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 106, 8-9.

Hisaorana anie ny Tompo noho ny hatsaram-pony sy ny zava-mahagaga vitany ho an’ny olombelona: fa ny fanahy mangetaheta, hetsahiny; ny fanahy mosarena, vokisany soa!


Vavaka aorian’ny Kômonio

Nahazo hery tamin’ny sakramentanao izahay, ry Tompo, ary voatariky ny ohatra navelan’i Masindahy Vincent sy ampian’ny fiarovany, ka enga anie hahay haka tahaka an’i Kristy Zanakao nitory ny Evanjely tamin’ny mahantra sy ny madinika.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0083