Sorona Masina ny Alahady 21 aogositra 2022

ALAHADY FAHA-21 mandavantaona — D

FIANAKAVIANA: IRAY ETO AN-TANY, IRAY ANY AN-DANITRA ISIKA

Tononkira fidirana

Sal. 85, 1-3

Anongilano sofina aho, ry Tompo, ka valio. Andriamanitra ô, vonjeo ity mpanomponao matoky Anao. Iantrao aho, ry Tompo, fa miantso Anao tontolo andro.

 

Asiana VONINAHITRA ANIE ...

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra mampiray fo aman-tsaina ny mpino, tariho izahay vahoakanao ho tia ny didinao sy haniry izay nampanantenainao mba hifikitra amin’ny tena hasambarana ny fonay eto anivon’ity fiainana miovaova ity.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka. .. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 66, 18-21

Ny havanareo rehetra dia haverina avy any amin’ny firenena rehetra.

Izao no lazain’ny Tompo: Tonga ny fotoana hamoriana ny firenena rehetra mbamin’ny samy hafa fiteny rehetra. Ho avy izy ireo ka hahita ny voninahitro, ary hanao fahagagana eo amin’izy ireo Aho. Ary ny afa-mandositra taminy dia hanirahako ho any amin’ny firenena, any Tarsisa, Fola, Loda mpandefa zana-tsipîka, Tobala sy Javàna, ary any amin’ireo nosy lavitra, tsy mbola nandre ny lazako akory, na nahita ny voninahitro; dia hitory ny voninahitro any amin’ny firenena ireo. Ny havanao rehetra dia haverin’izy ireo avy amin’ny firenena rehetra, ho fanatitra ho an’ny Tompo; haveriny mitaingin-tsoavaly, ambony kalesy, am-pilanjana, mitaingina mole aman-drameva ho ao amin’ny tendrombohitro masina, ho any Jerosalema, hoy ny Tompo, toy ny itondran’ny zanak’i Israely ny fanatitra ao anaty lovia madio, any an-tranon’ny Tompo. Ary misy halaiko aza amin’izy ireo ho mpisorona sy Levita.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 116, 1. 2.

 

Fiv. Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely amin’ny voaary rehetra.

Derao ny Tompo, ry firenen-drehetra;
hobio Izy, ry foko rehetra:

fa ny fitiavany anay tsy mba lefy,
ny fahamarinany, mandrakizay.

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio

Heb. 12, 5-7. 11-13

 

Izay tian’ny Tompo no faiziny.

Ry kristianina havana, efa hadinonareo ny fananarana milaza aminareo toy ny amin’ny zanaka hoe: Anaka, aza manamavo ny famaizan’ny Tompo, ary aza mba ketraka amin’ny fananarany anao, fa izay tian’ny Tompo no faiziny, ary izay rehetra raisiny ho zanaka no kapohiny. Fampianarana ho anareo ny fikapohany; fa toy ny zanaka no itondran’Andriamanitra anareo, ka iza no zanaka tsy faizin’ny rainy? Marina fa mampahory amin’ny andro anaovana azy ny famaizana rehetra, fa tsy mba mahafaly; nefa any aoriana kosa, dia hahavokatra fahamarinana amam-piadanana ho an’izay nandray azy izy. Koa henjano ny tanana miraviravy sy ny lohalika miketraka; ary ahitsio ny dian’ny tongotrareo, mba tsy hibirioka ny mandringa fa hijoro mahitsy tsara.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sokafy ny fonay, ry Tompo Andriamanitra, mba hitandremanay ny tenin’ny Zanakao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 13, 22-30

Hisy olona avy any Atsinanana sy avy any Andrefana hipetraka hihinana eo amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra ka nampianatra sy nandroso ho any Jerosalema. Ary nisy olona anankiray nanontany Azy hoe: “Tompoko, moa dia vitsy ihany no ho voavonjy?” Ka hoy Izy tamin’ny olona: “Mikeleza aina hiditra amin’ny varavarana ety; fa lazaiko aminareo fa maro no hitady hiditra nefa tsy ho afaka. Satria rehefa hitsangana manidy ny varavarana ny tompon-trano no tavela any alatrano ianareo ka handondòna ny varavarana hanao hoe: ‘Tompoko, vohay izahay’, dia hovaliany hoe: ‘Tsy fantatro izay niavianareo’. Ary amin’izay ianareo dia hanao hoe: ‘Nihinana sy nisotro teo anatrehanao izahay, ary nampianatra teny amin’ny kianjanay ianao’. Fa hovaliany hoe: ‘Lazaiko aminareo fa tsy fantatro izay niavianareo; mialà amiko ianareo rehetra mpanao ratsy’. Ary amin’izay vao hisy fitomaniana sy fikitroha-nify rehefa hitanareo eo amin’ny Fanjakan’Andriamanitra i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba mbamin’ny Mpaminany rehetra, fa ianareo kosa ho voaroaka any ivelany. Hisy olona avy any Atsinanana sy Andrefana, ary avy any Avaratra sy Atsimo, hipetraka hihinana eo amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Ary indro hisy farany izay ho voalohany, ary hisy voalohany izay ho farany”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo, — Dera anie ho anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, anio isika dia hangataka amin’Andriamanitra mba ho tanteraka ny sitrapony, hahalavorary ny voninahiny sy hahasoa ny olombelona rehetra eto an-tany, izay iriny hiray fianakaviambe ao aminy.

Valy: Arotsahy aminay ny fahazavanao sy ny fahamarinanao.

* Mivavaha ho an’ireo nomena andraikitra hampita ny Evanjely amintsika olombelona, mba hahery fo hatrany izy ary hitory izay rehetra voalazan’ny Evanjely.
* Mivavaha ho an’ireo manam-pahefana eo amin’izao tontolo izao mba tsy ho revon’ny voninahitra eto an-tany, fa mba hahatsiaro ny mandrakizainy, ka hahalala sy hanaraka ny Evanjely.
* Mivavaha ho an’ireo rehetra misasatra sy mijaly hahasambatra ny hafa, mba hahazo ny anjara hasambarany koa na eto an-tany na any an-koatra.
* Mangataha amin’Andriamanitra mba hampiraisany ny Fiangonany, hahamora ny famoriana ny olona rehetra ao aminy, hiara-tsambatra ho anisan’ny fianakaviany dieny eto an-tany ka hatrany an-danitra.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.

 

Tompo ô, mba omeo ilay tampon’ny fahasoavana izahay, dia ny ho tonga any amin’ny Fanjakanao indray andro any, ka ampianaro hiaraka aminao hanorina ny Fanjakanao dieny ety an-tany.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Tompo ô, Sorona tokana, no nanangananao vahoaka maro ho firenenao, koa ataovy miray fo sy miadan-tsaina ny Eglizinao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Alahady tsotra VI, ohatra.

 

Kômonio

Sal. 103, 13-15

Tompo ô, lonaky ny andon’ny lanitrao ny tany, ka ataonao mahavokatra ny mofo hamelona anay sy ny divay mampifaly ny fon’ny olombelona.

 

na hoe:

Jo. 6, 55

Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako dia manana ny fiainana mandrakizay, hoy ny Tompo, ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hanasitrana anay tanteraka ny Fonao antra, hahavitanay asa mendrika hankasitrahinao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0081