Sorona Masina ny Zoma 12 aogositra 2022

Herinandro faha-19 mandavantaona

ZOMA

 

Tononkira fidirana

Sal. 73, 20. 19. 22. 23

 

Tsarovy, ry Tompo, ny fanekena nataonao ary tsinjovy mandrakariva ny ain’ireo mahantranao; mitsangàna Ianao, ry Tompo, ombao ny adinao, ary aza hadino ny fihantsian’ireo mila ady aminao.

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, sahinay antsoina hoe Ray Ianao; ka mba ataovy lavorary ao am-ponay ny fanahy nanangananao anay ho zanakao hahamendrika anay hahazo ny lova nampanantenainao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Ezekiela Mpaminany

Ezek. 16, 1-15. 60. 63

 

Tonga lafatra ny hatsaranao noho ny famirapiratako nataratro taminao, nefa nivaro-tena ianao.

Tonga tamiko ny Tenin’ny Tompo nanao hoe: “Ry zanak’olona, ampahafantaro an’i Jerosalema ny fahavetavetany, ka ataovy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra amin’i Jerosalema: Ny tanin’ny Kananeanina no niavianao sy nahaterahanao; Amôreanina ny rainao, ary Heteanina ny reninao. Toy izao ny amin’ny nahaterahanao: tamin’ny andro nahaterahanao ianao tsy voatapaka tadim-poitra, tsy voampandro tamin’ny rano hadio, tsy voahosotra sira, tsy voahodidina lamban-jaza. Tsy nisy nijery maso antra anao, ka mba nanao iray akory tamin’ireo fikarakarana ireo, noho ny indrafo anao; fa tamin’ny andro nahaterahanao, dia nariana tany an-tsaha ianao, fa narikoriko anao ny olona.

Nandalo teo akaikinao Aho, dia nahita anao nitsipatsipaka tamin’ny ranao, ka nanao aminao hoe: “Miveloma amin’ny ranao.” Dia nampitomboiko toy ny ahitra any an-tsaha ianao, ka nitombo, nihalehibe, tonga tsara tarehy tapitr’ohatra tokoa, naniry nono, ary tonga taona fanambadiana, nefa nihanjahanja ianao, niboridana mihitsy. Nandalo teo akaikinao Aho ka nahita anao; dia efa tonga ny fotoanao, dia ny fotoam-pitiavana; ka novelariko taminao ny ila lambako, nanaronako ny fitanjahanao ary nianiana taminao Aho, ka nanao fihavanana taminao, — teny marin’ny Tompo Andriamanitra—, ka dia Ahy ianao.

Nampandroiko tamin’ny rano ianao, dia nosasako ho afaka aminao ny ranao, nohosorako diloilo. Notafiako amborodao ianao, nokiraroiko hoditr’ombirano, nohodidiniko rongony fotsy madinika ny lohanao, ary notafiako amparasily. Nohaingoiko tamin’ny firavaka ianao: nasiako haba ny tananao, sy rado ny vozonao; nasiako masombola ny oronao, ary kavina ny sofinao; ary diadema kanto ny lohanao. Niravaka volamena amam-bolafotsy ianao; ary nitafy rongony fotsy madinika sy amparasily aman’amborodao. Vary tsara indrindra sy tantely aman-diloilo no fihinanao; ary tonga tsara tarehy indrindra ianao, sy nahazo ny fiamboniam-panjakana. Nanehoeho laza hatrany amin’ny firenena ny anaranao noho ny hatsaran-tarehinao fa lavorary loatra izy, noho ny famirapiratako nataratro taminao, — teny marin’ny Tompo Andriamanitra.

Kanjo natoky ny hatsaran-tarehinao ianao, ka nitolo-tena ho an’ny olon-kafa noho ny lazanao, nanarana ny fitiavanao tamin’ny mpandalo rehetra, nanolo-tena taminy.

Izaho anefa mbola hahatsiaro ny fanekena nataoko taminao, tamin’ny andron’ny fahatanoranao, ka hanorina fanekena mandrakizay aminao, mba hahatsiaro sy ho menatra ary tsy hiloa-bava intsony, noho ny henatra ianao, rahefa avy izay hanaovako fanorenana ho anao, noho ny nataonao rehetra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo: Iz. 12, 2-3. 4bde. 5-6

 

Fiv.: Nihodivitra ny hatezeranao ka nampionona ahy Ianao.

Ianao Andriamanitra Ray no vonjiko, matoky aho, mijoro fa tsy matahotra! Ny Tompo no hery sy reharehako. Fa Izy no vonjy sy fialofako. Avia àry hanovo amin-kafaliana. Ny vonjin’ny Tompo eo an-doharanony.
Am’izany andro izany samia manezaka. Derao Andriamanitra; antsoy ny Anarany. Torio ny vahoaka ny zava-bitany. Lazao fa tsy takatra hoe ny Anarany.
Ambony ny Tompo ka dia nasehony: lazao an’izany ny vazan-taniny. Ianao, ry Siôna hitotorebika, fa Tompo lehibe Izy sady masina.

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Bokin’i Jôsoe

Jôs. 24, 1-13

 

Izaho nitondra ny razanareo niala tany Mesôpôtamia; namoaka anareo avy tany Ejipta, ary nitondra anareo amin’itý tany itý.

Tamin’izany andro izany, novorîn’i Jôsoe ny fokon’i Israely rehetra; nantsoiny avokoa ny loholon’i Israely, ny lehibeny, ny mpitsarany ary ny manamboninahiny; ka niseho teo anatrehan’ny Tompo izy ireo: dia hoy i Jôsoe tamin’ny vahoaka rehetra: “Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitr’i Israely: Taloha dia tany an-dafin’ny ony no nonenan’ny razanareo, Teraha rain’i Abrahama sy rain’i Nakôra, ary andriamani-kafa no notompoin’izy ireo. Nalaiko tany an-dafin’ny ony i Abrahama razanareo ary nentiko ho amin’ny tany Kanaana rehetra; nampitomboiko taranaka, ary nomeko an’i Isaaka izy. I Isaaka dia nomeko an’i Jakôba sy i Esao; ary i Esao nomeko ny tendrombohitra Seïra ho fananany, ary i Jakôba sy ny zanany nidina nankany Ejipta.

Taorian’izany dia nirahiko i Môizy sy i Aarôna ary nasiako i Ejipta araka izay nataoko teo afovoany; ary rahefa izany, dia nentiko nivoaka ianareo. Nentiko nivoaka avy tany Ejipta ny razanareo, ka tonga teo amin’ny ranomasina ianareo. Ny Ejipsianina an-kalesy sy an-tsoavaly nanenjika ny razanareo, hatreo amin’ny ranomasina Mena. Velon-taraina tamin’ny Tompo izy ireo, ka nasian’ny Tompo haizina teo anelanelanareo sy ny Ejipsianina, nakatony tamin’izy ireny ny ranomasina ka nanafotra azy, ary ny masonareo no nahita izay nataoko tany Ejipta; dia nitoetra ela tany an’efitra ianareo. Nentiko ho any amin’ny tanin’ny Amôreanina izay monina any an-dafin’i Jordany ianareo, ka niadian’ireny. Natolotro teo an-tananareo izy, nahazo ny taniny ianareo, ary naringako teo anoloanareo izy. Nitsangana i Balàka, zanak’i Sefôra, mpanjakan’i Môaba, ka niady tamin’i Israely; nampiantso an’i Balaama zanak’i Beôra izy hanozona anareo. Fa tsy nety nihaino an’i Balaama Aho, ka nitso-drano anareo izy, dia voavonjiko tamin’ny tanan’i Balàka ianareo. Nita an’i Jordany ianareo, dia tonga tao Jerikao; niady taminareo ny mponina tao Jerikao, ny Amôreanina, ny Farezeanina, ny Kananeanina, ny Hateanina, ny Gergeseanina, ny Heveanina, ary ny Jebôseanina; ka natolotro teo an-tananareo ireny. Nalefako teo alohanareo ny fanenitra izay nandroaka an’ireny teo anoloanareo, mbamin’ny mpanjaka roa tamin’ny Amôreanina: tsy tamin-tsabatra aman-tsipikanareo no nahatanterahan’izany. Nomeko tany tsy nasainareo ianareo sy tanàna tsy naorinareo, ary monina ao, tanim-boaloboka aman’ôliva izay tsy nambolenareo, ka mihinana ny vokany ianareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 135, 1-3. 16-18. 21-22 sy 24

 

Fiv.: Isaory ny Tompo, fa mandrakizay ny hatsaram-pony.

Isaory ny Tompo fa tsara! Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony! Isaory ny Andriamanitry ny andriamanitra. Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony! Isaory ny Tompon’ny tompo! Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Ilay nampizotra ny vahoakany tany an’efitra! Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony! Ilay nikapoka Mpanjaka lehibe! Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony! Sy nahafaty mpanjaka mahery! Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Ka nanome ny taniny ho lova! Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony! Ho lovan’i Israely mpanompony! Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony! Ilay nisarika antsika tamin’ny mpampahory Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao ary tariho ho amin’ny fahamarinana aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 19, 3-12

 

Ny hamafin’ny fonareo no nanomezan’i Môizy lalana anareo hisao-bady, fa hatramin’ny voalohany dia tsy mba toy izany.

Tamin’izany andro izany, nisy Farisianina nanatona an’i Jesoa mba haka fanahy Azy, ka nanao hoe: “Mahazo misao-bady va ny lehilahy na inona na inona antony?” Dia hoy Izy namaly azy ireo: “Tsy novakianareo va fa izay nahary ny olona tamin’ny voalohany, dia nanao azy ho lahy sy vavy ary nilaza hoe: ‘Noho izany, dia hilaozan-dralehilahy ny rainy aman-dreniny ka hikambana amin’ny vadiny izy, ary ho nofo iray ihany izy roroa?’ Noho izany tsy roa intsony izy, fa nofo iray. Ka aoka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’ny olona.” Fa hoy ireo taminy: “Ka nahoana àry i Môizy no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy?” Dia hoy Izy taminy: “Ny hamafin’ny fonareo no nanomezan’i Môizy lalana anareo hisao-bady; fa hatramin’ny voalohany dia tsy mba toy izany. Koa dia lazaiko aminareo, fa izay rehetra mandroaka ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka manambady hafa, dia mpijangajanga ary izay mampakatra ny vehivavy voaroaka, dia mpijangajanga koa.” Hoy ny mpianany taminy: “Raha izany no toetry ny lehilahy amin’ny vadiny, dia aleo tsy manambady.” Ary hoy Izy taminy: “Tsy ny olona rehetra no mahazo izany teny izany, fa izay nomena fahasoavana ihany. Fa misy eonoka hatrany an-kibon-dreniny; misy eonoka nataon’ny olona, ary misy eonoka izay nanao ny tenany eonoka noho ny fanjakan’ny lanitra. Aoka handray izay mahay mandray.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Mba raiso amin’ny fo tony, ry Tompo, ny tolotra avy amin’ny Eglizinao, fa nomenao tsara fo mba hatolotra Anao ary ovan’ny herinao ho Sorona famonjena anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 30, 17-18

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema! fa manome vary matsiro mahavoky.

 

na hoe:

Jo. 6, 52

Ny mofo izay homeko, hoy ny Tompo, dia Nofoko ho fiainan’izao tontolo izao.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, enga anie hahazoanay ny famonjena ny Kômonio noraisinay ka haharitra amin’ny tena fahazavana marina izahay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0165