Sorona Masina ny Alarobia 06 jolay 2022

Herinandro faha-14 mandavantaona

ALAROBIA


Tononkira fidirana

Sal. 47, 10-11


Andriamanitra ô, mivetso ny hatsaram-ponao eto amin’ny tempolinao izahay. Manerana ny vazan-tany ny Anaranao, ry Tompo, ka deraina hatraiza hatraiza. Ny fahamarinana dia eo an-tananao.


Fangatahana

Andriamanitra ô, ny Zanakao nietry tena no nanarenanao ny olombelona lavon’ny fahotana, koa ataovy heni-kafaliana masina izahay mino Anao, ary enga anie izahay nafahanao tamin’ny fanandevozan’ny fahotana mba hataonao finaritra migoka ny haravoana tsy manam-pahataperana.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Osea Mpaminany

Os. 10, 1-3. 7-8. 12


Fotoana hitadiavana ny Tompo izao.

Voaloboka mirobona erý i Israely, efa mavesatry ny voany. Araka ny habetsahan’ny voany no ampitomboany ny ôteliny; araka ny hatsaran’ny taniny, no hatsaran’ny tsangam-bato nataony. Mpihatsaravelatsihy ny fony; ka efa hivesatra ny valin’izany izy. Hanjera ny ôteliny izy, handrava ny tsangam-batony. Tsy ho ela no hilazany hoe: “Tsy mana-mpanjaka isika noho isika tsy natahotra ny Tompo”; fa hahavita inona ho antsika moa izay mpanjaka? Levona i Samaria; ny mpanjakany dia toy ny tapak’ahitra eo ambonin’ny rano. Ho rava ny fitoerana avon’i Avena, izay fahotan’i Israely; handadian’ny tsilo amam-boarointsaka ny ôteliny. Ny tendrombohitra hilazany hoe: “Saròny izahay!” ary ny havoana hataony hoe: “Mianjerà aminay!” Afafazo araka ny fahamarinana ny voanareo; ataovy araka ny famindram-po ny fijinjànareo; miasà tany vao ho anareo; fa efa fotoana hitadiavana ny Tompo izao, mandra-piaviny handatsaka ny fahamarinana ao aminareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 104, 2-3. 4-5. 6-7


Fiv.: Tadiavo lalandava ny tavan’ny Tompo.

Hirao Izy, antsao! Vetsoy ny asany mahagaga! Ireharehao ny Anarany masina! Miravoa ny fon’ny mpitady ny Tompo!
Katsaho ny Tompo sy ny heriny! Tadiavo lalandava ny tavany! Tsarovy ny asa mahagaga nataony, ny asany mahatalanjona, ny fitsaran’ny vavany.
Ry taranak’i Abrahama mpanompony, ry zanak’i jakôba, ianareo voafidiny! Izy no Tompo Andriamanitra, manerana ny tany tontolo ny fitsarany.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Jenezy

Jen. 41, 55-57 ; 42, 5-7a. 17-24a


Voakapoka isika, satria diso tamin’ny rahalahintsika.

Tamin’izany andro izany, dia tratry ny mosary koa ny tany Ejipta rehetra, ka nitaraina tamin’ny Faraôna ny vahoaka nitady hanina. Fa hoy i Faraôna tamin’ny Ejipsianina rehetra: “Mankanesa any amin’i Jôsefa, ary ataovy izay lazainy aminareo.” Nony nanenika ny tany rehetra ny mosary, novohan’i Jôsefa ny tranom-bary rehetra naorina tany, ary nivarotra tamin’ny Ejipsianina izy; ary nitombo nitombo ihany ny mosary tamin’ny tany Ejipta. Tonga tao Ejipta avokoa ny avy amin’ny tany rehetra, hividy vary amin’i Jôsefa, fa nihamafy ny mosary tamin’ny tany rehetra.

Koa tonga hividy vary ireo zanak’i Israely, ary nisy olon-kafa koa niara-tonga taminy fa tratry ny mosary ny tany Kanaana. I Jôsefa no manam-pahefana nitantana ny tany, ary izy no nivaro-bary tamin’ny tompon-tany rehetra. Nony tonga ny rahalahin’i Jôsefa dia niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany. Vao nahita ireo rahalahiny i Jôsefa dia nahalala azy; nefa nody olon-kafa taminy izy, ka niteny mafy taminy. Dia nasainy hatao an-tranomaizina hateloana izy ireo.

Nony tamin’ny andro fahatelo, dia hoy i Jôsefa tamin’izy ireo: “Izao no ataovy, dia ho velona ianareo, fa matahotra an’Andriamanitra aho: Raha olo-marina tokoa ianareo, aoka ny anankiray aminareo, izay rahalahinareo, hijanona mifatotra ao an-tranomaizina misy anareo, ary ianareo kosa handeha hitondra vary hanafaka hanoanana ny fianakavianareo. Koa ento mankatý amiko ny zandrinareo faralahy; dia ho hita fa marina ny teninareo, ka tsy ho faty ianareo.” Dia nataony izany. Ary nifampilaza izy nanao hoe: “Voakapoka tokoa isika izao, noho ny amin’ny rahalahintsika; fa nahita ny fahorian’ny fanahiny isika, tamin’ilay izy nitalaho ny famindram-pontsika, nefa tsy nihaino azy isika ka izany no nahatongavan’izao fahoriana izay manjò antsika izao.” Fa niteny tamin’izy ireo i Robena ka nanao hoe: “Tsy efa nilazako va re ianareo fa hoe: Aza manota amin’ny zaza? Nefa tsy nohenoinareo akory izany; koa indro arahina amintsika izao ny rany.” Tsy fantatr’izy ireo ho nahalala ny teniny i Jôsefa, satria mpandika teny no niresahany taminy. Ka nihataka niala teo amin’izy ireo izy, dia nitomany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 32, 2-3. 10-11. 18-19


Fiv.: Ho aminay anie ny hatsaram-ponao, ry Tompo, araka ny itokianay Anao.

Derao amin-dokanga ny Tompo; antsao amim-baliha tory folo! Ihirao hira vao Izy; andredony horaka aman-java-maneno.
Ny Tompo mandrava ny fanampoizan’ny firenena, sy manafoana ny fikasan’ny vahoaka. Ny fanampoizan’ny Tompo maharitra mandrakizay; ny fikasan’ny Fony, amin’ny taranaka mifandimby.
Indro ny mason’ny Tompo amin’izay matahotra Azy, sy amin’izay matoky ny hatsaram-pony, hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana, sy hamelona azy amin’ny tao-mosarena.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Efa nataoko hoe Sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 10, 1-7


Mankanesa any amin’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niantso ny mpianany roa ambin’ny folo lahy ka nanome azy fahefana handroaka fanahy maloto, sy hahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra. Ary ireto no anaran’ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy: Ny voalohany dia i Simôna izay atao hoe i Piera, dia i Andre rahalahiny, i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny, i Filipo sy i Bartelemy, i Tomà sy i Matio ilay poblikanina, i Jakôba zanak’i Alfe sy i Tade, i Simôna ilay Kananeanina, ary i Jodasy Iskariôta ilay namadika Azy. Ireo ny roa ambin’ny folo lahy izay nirahin’i Jesoa rahefa nohafatrafarany hoe: “Aza manaraka ny lalana mankany amin’ny Jentily, ary aza miditra amin’ny tanànan’ny Samaritanina, fa aleo mankany amin’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely. Ary raha mandeha ianareo, mitoria hoe: Efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, handio anay anie ny fanatitra atolotray hanajana ny Anaranao masina, ary hitantana anay isan’andro hanao asa mendrika ny lanitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 33, 9

Andramo ary zahao fa tsara ny Tompo; sambatra ny olona mitoky aminy.


na hoe:

Mt. 11, 28

Mankanesa atý amiko ianareo rehetra mijaly sy vesaram-pahoriana, fa hanamaivana anareo Aho, hoy ny Tompo.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tototry ny soa sarobidy avy aminao izahay, ry Tompo, ka mihanta aminao: mba ataovy mahazo ny fanomezana mahavonjy ary tsy hitsahatra midera Anao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0242