Sorona Masina ny Alatsinainy 04 jolay 2022

Herinandro faha-14 mandavantaona

ALATSINAINY


Tononkira fidirana

Sal. 47, 10-11


Andriamanitra ô, mivetso ny hatsaram-ponao eto amin’ny tempolinao izahay. Manerana ny vazan-tany ny Anaranao, ry Tompo, ka deraina hatraiza hatraiza. Ny fahamarinana dia eo an-tananao.


Fangatahana

Andriamanitra ô, ny Zanakao nietry tena no nanarenanao ny olombelona lavon’ny fahotana, koa ataovy heni-kafaliana masina izahay mino Anao, ary enga anie izahay nafahanao tamin’ny fanandevozan’ny fahotana mba hataonao finaritra migoka ny haravoana tsy manam-pahataperana.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Osea Mpaminany

Os. 2, 16. 17b. 18. 21-22


Hofofoiko mba ho ahy mandrakizay ianao.

Izao no lazain’ny Tompo: Indro Aho hitarika azy sy hitondra azy any an’efitra, ary hiteny aminy ao am-pony; ka any izy hamaly toy ny tamin’ny andro fahatanorany, sy toy ny tamin’ny andro niakarany avy any amin’ny tany Ejipta. Amin’izany andro izany — teny marin’ny Tompo —, ianao hiantso Ahy hoe: “Vadiko”, fa tsy hiantso Ahy intsony hoe: “Baalako.” Hofofoiko mba ho Ahy mandrakizay ianao; hofofoiko ho Ahy ianao amin’ny rariny sy ny hitsiny ary amin’ny fahasoavana sy ny fitiavana; hofofoiko ho Ahy amin’ny fahamarinana, ka hahalala ny Tompo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 144, 2-3. 4-5. 6-7. 8-9


Fiv.: Antra sy mangoraka ny Tompo.

Misaotra Anao isan’andro aho, sy midera ny Anaranao mandrakizay! Lehibe ny Tompo ary mendri-dera fatratra; tsy azo takarina ny halehibeny!
Ny taranaka mifampigaga ny zava-bitanao, sy mankalaza ny asanao mahery, manambara ny harevaky ny voninahitrao, mitantara ny asanao mahagaga.
Miteny ny herinao mahatahotra, mitanisa tokoa ny halehibeazanao, miventy ny fahatsiarovana ny hatsaranao lehibe, ary mihoby ny fahamarinanao!
Antra sy mangoraka ny Tompo, tsy malaky tezitra ary be hatsaram-po! Tsara amin’ny olon-drehetra ny Tompo; mambomba ny asany rehetra ny fangorahany!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Jenezy

Jen. 28, 10-22a


Nahita tohatra iray nijoro izy, sy ny Anjelin’Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy ary Andriamanitra niteny.

Tamin’izany andro izany, niala tany Bersabea i Jakôba nankany Haràna. Nony tonga tao amin’ny fitoerana anankiray izy, dia nandry teo, fa efa maty masoandro. Naka vato anankiray tao izy, nataony ondana, dia nandry teo, tamin’izany fitoerana izany. Ary nanonofy izy, ka indro nisy tohatra anankiray niorina tamin’ny tany tafapaka amin’ny lanitra ny lohany; ary nisy Anjelin’Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy. Ary niseho terý ambony ny Tompo ka nanao hoe: “Izaho no Tompo Andriamanitr’i Abrahama, rainao, sy Andriamanitr’i Isaaka; io tany andrianao io dia homeko anao sy ny taranakao. Ho tahaka ny vovoky ny tany ny taranakao; hitatra any andrefana sy any atsinanana ianao, ary any avaratra sy any atsimo; ary aminao sy amin’ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany. Indro aho momba anao, ka hiaro anao any amin’izay halehanao rehetra, sy hampody anao indray amin’itý tany itý. Fa tsy handao anao Aho, mandra-pahatanterako izay voalazako taminao.”

Nahatsiaro tamin’ny torimasony i Jakôba, ka nanao hoe: “Eto amin’itý toerana itý tokoa ny Tompo, fa izaho tsy nahalala izany.” Dia raiki-tahotra izy ka nanohy hoe: “Endrey! mahatahotra itý fitoerana itý! Eto tokoa ny tranon’Andriamanitra, eto ny vavahadin’ny lanitra!” Nifoha maraina koa izy dia nalainy ilay vato nataony ondana, naoriny nataony tsangam-bato ka norotsahany diloilo ny tampony. Nataony hoe Betela no anaran’io fitoerana io. Loza anefa no anaran’ny tanàna tany aloha. Ary nanao voady i Jakôba ka hoy izy: “Raha momba ahy tokoa Andriamanitra ka miaro ahy amin’izao dia alehako izao, raha manome ahy hanin-kohanina sy lamba hitafiako, ka tafaverina soa aman-tsara any an-tranon’ikaky aho, dia ny Tompo no ho Andriamanitro. Ho tranon’Andriamanitra itý vato naoriko ho tsangambato itý.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 90, 1-2. 3-4. 14-15ab


Fiv.: Andriamanitra ô, Ianao no itokiako.

‘Zany izaho raha mialokaloka ao an-tranon’ilay Avo. Velon-toky tsy manahy fa alofanao, ry Tompo. O! ry Tompo fialofako sy mandako, hoy aho, Andriamanitra itokiako marimarina tokoa.
Fa ny Tompo no mpanafaka amin’ny fandrika mandavo. Sy manakana, manohana fiadiana mety hamono. Eo ambanin’ireo elany no anaronany anao. Zay matoky tsy manahy fa efa tsara fambombana!
Fa matoky ny fitiavako izy hany ka vonjeko. Nahafantatra ny Anarako: tsenaiko famonjena. Hovaliako raha miantso, hovonjeko raha mijaly. Raha tojo fitsapana tsy havelako hanirery!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo dia fanahy sy fiainana. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 9, 18-26


Maty vao izao ny zanako vavy ka tongava Ianao dia ho velona izy.

Tamin’izany andro izany, raha mbola niteny i Jesoa, dia indro nisy lehiben’ny sinagôga anankiray niditra nanatona sy nitsaoka Azy, ka nanao hoe: “Tompoko, maty vao izao ny zanako vavy, ka andeha re hametraka ny tananao aminy, dia ho velona izy.” Dia nitsangana i Jesoa ka nandeha nanaraka azy Izy mbamin’ny mpianany.

Ary indro nisy vehivavy nitsi-drà nandritra ny roa ambin’ny folo taona, nanatona Azy avy eo ivohony, ka nanendry ny morontongotr’akanjony; fa hoy izy anakampony: “Na dia ny akanjony ihany aza no ho voakasiko, dia ho sitrana aho.” Ary nitodika i Jesoa ka nahita azy, dia nanao hoe: “Matokia, anaka, ny finoanao no nahasitrana anao.” Hatramin’izay dia sitrana ravehivavy.

Nony tonga tany an-tranon’ilay lehibe i Jesoa ka nahita ny mpitsoka sodina, sy ny olona maro nitabataba, dia nanao hoe: “Mialà ianareo, fa tsy maty akory razazavavy, fa matory.” Dia nihomehezan’ireo Izy. Ary rahefa navoaka ny olona, dia niditra Izy, ka nandray ny tanan’ilay zazavavy, dia nitsangana io. Ary niely tamin’izany tany rehetra izany ny lazan’izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, handio anay anie ny fanatitra atolotray hanajana ny Anaranao masina, ary hitantana anay isan’andro hanao asa mendrika ny lanitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 33, 9

Andramo ary zahao fa tsara ny Tompo; sambatra ny olona mitoky aminy.


na hoe:

Mt. 11, 28

Mankanesa atý amiko ianareo rehetra mijaly sy vesaram-pahoriana, fa hanamaivana anareo Aho, hoy ny Tompo.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tototry ny soa sarobidy avy aminao izahay, ry Tompo, ka mihanta aminao: mba ataovy mahazo ny fanomezana mahavonjy ary tsy hitsahatra midera Anao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0439