Sorona Masina ny Alakamisy 23 jona 2022

Herinandro faha-12 mandavantaona

ALAKAMISY


Tononkira fidirana

Sal. 27, 8-9


Ny Tompo no herin’ny vahoakany, mpiaro sy mpamonjy ny nohosorany. Tompo ô, vonjeo ny vahoakanao, tsofy rano fa lovanao, ary ento an-trotroana mandrakizay.


Fangatahana

Tompo ô, mba velomy lalandava ao am-ponay ny fanajana sy ny fitiavana ny Anaranao masina; satria tsy afoinao na oviana na oviana izay nataonao mafy orina amin’ny fitiavana Anao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Boky faharoan’ny Mpanjaka

2 Mpanj. 24, 8-17


Nentin’ny mpanjakan’i Babilôna ho babo any Babilôna i Jôasîna sy ny olo-malaza rehetra amin’ny tany.

Valo ambin’ny folo taona i Jôasîna fony nanjaka, ary telo volana no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Nohestà zanak’i Enatàna avy ao Jerosalema. Nanao izay ratsy eo imason’ny Tompo araka izay rehetra nataon-drainy izy.

Niakatra hamely an’i Jerosalema ny mpanompon’i Nabokôdônôzôra mpanjakan’i Babilôna tamin’izany, ka nanao fahirano ny tanàna. Ary mbola nanao fahirano azy ny mpanompony no tonga teo anoloan’ny tanàna koa i Nabokôdônôzôra mpanjakan’i Babilôna. Tamin’izany dia nivoaka nankao amin’ny mpanjakan’i Babilôna i Jôasîna, mpanjakan’i Jodà, mbamin’ny reniny, ny mpanompony, ny manamboninahiny sy ny eonokany, dia nataon’ny mpanjakan’i Babilôna sambo-belona izy, tamin’ny taona fahavalo nanjakany. Nongoahina tao avokoa ny rakitra rehetra tao amin’ny tranon’ny Tompo sy ny rakitra tao an-tranon’ny mpanjaka, ary novakîna daholo ny fanaka volamena nataon’i Salômôna, mpanjakan’i Israely, tao an-tranon’ny Tompo, araka izay efa voalazan’ny Tompo rahateo. Nentina ho babo avokoa Jerosalema manontolo, ny mpifehy rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra, dia olon-tsambo-belona iray alina, mbamin’ny mpanao taozavatra rehetra sy ny mpanefy vy; ny olo-mahantra tao amin’ny tany ihany no sisa tafajanona. Nentina ho any Babilôna i Jôasîna, nentiny ho babo avy any Jerosalema ho any Babilôna ny renin’ny mpanjaka, ny vadin’ny mpanjaka rehetra, ny eonokany, ny olo-malaza amin’ny tany. Fanampin’izany koa ny lehilahy mahery rehetra nisy fito arivo, mbamin’ny mpanao taozavatra sy manefy vy arivo lahy, samy lehilahy mahery sy mahay miady, dia nentin’ny mpanjakan’i Babilôna daholo. Ary ny natsangan’ny mpanjakan’i Babilôna ho mpanjaka hisolo an’i Jôasîna, dia i Mataniasa rahalahin-drainy, ka novany hoe Sedesiasa ny anarany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 78, 1-2. 3-5. 8. 9.


Fiv.: Afaho izahay, ry Tompo, noho ny Anaranao!

Andriamanitra ô! tongan’ireo firenena ny lovanao! Nolotoiny ny Tempolinao Masina! Ary i Jerosalema nataony korotam-bato! Ny fatin’ny mpanomponao nomeny ho sakafon’ny voromanidina; ny nofon’ny mpivavaka aminao natsipiny ho an’ny bibidia!
Ny rany nataony mandriaka toy ny rano manodidina an’i Jerosalema! Ary tsy misy mandevina! Zary faneson’ny mpifanila aminay izahay, sy fanakora sy fandatsan’ireo manodidina! Mandra-pahoviana, ry Tompo, no hahaviniranao, sy hiredaredan’ny hasaro-piaronao?
Aza dia tsarovana hamelezana anay ireo helokay fahiny; ny indrafonao atsena anay faingana: fa reraka loatra izahay. Vonjeo izahay, ry Andriamanitra Mpamonjy: noho ny voninahitrao! Afaho izahay, avelao ny otanay; noho ny Anaranao!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Jenezy

Jen. 16, 1-12. 15-16


Niteraka zazalahy iray tamin’i Agara i Abrahama ary nomeny anarana hoe Ismaely.

Tsy niteraka tamin’i Abrahama i Sarà vadiny; ary nanana mpanompovavy Ejipsianina anankiray atao hoe Agara izy. Hoy Sarà tamin’i Abrahama: “Indro efa nataon’ny Tompo momba aho; ka mangataka anao aho mba handeha amin’ny mpanompovaviko, fa angamba hitera-dahy ho ahy izy.” Dia neken’i Abrahama ny tenin’i Sarà. Efa nonina folo taona tany amin’ny tany Kanaàna i Abrahama tamin’ny nakan’i Sarà, vadin’i Abrahama, an’i Agara ilay Ejipsianina mpanompovaviny, ka nanomezany azy an’i Abrahama vadiny.

Nandeha tamin’i Agara izy, dia nanana anaka ravehivavy; ary nony hitany fa nanana anaka izy, dia nataony tsinontsinona ny tompovaviny. Hoy Sarà tamin’i Abrahama: “Mihatra aminao izao faniratsiràna ahy izao. Izaho no nanome ny mpanompovaviko ho andefimandrinao; kanjo nony hitany fa nanana anaka izy dia nataony tsinontsinona aho. Ka ny Tompo anie hitsara ahy sy ianao.” Hoy ny navalin’i Abrahama tamin’i Sarà: “Eo ambany fahefanao ny mpanompovavinao; ka ataovy araka izay ataonao ho mety.” Dia nampahorin’i Sarà i Agara ka nandositra tsy ho eo anatrehany.

Hitan’ny Anjelin’ny Tompo teo anilan’ny loharano anankiray tany an’efitra izy, dia teo anilan’ilay loharano amin’ny lalana mankany Sora. Hoy izy: “Ry Agara, mpanompovavin’i Sarà, avy aiza ianao ary ho aiza?” Hoy ny navaliny: “Mandositra lavitra an’i Sarà tompovaviko aho.” Fa hoy ny Anjelin’ny Tompo taminy: “Miverena any amin’ny tompovavinao, ka manetre tena eo ambany fahefany.” Ary hoy koa ny Anjelin’ny Tompo: “Hataoko marobe ny taranakao; ka tsy ho azo isaina noho ny hamaroany.” Hoy indray koa ny Anjelin’ny Tompo: “Indro manana anaka ianao, ka hiteraka zazalahy, ary homenao anarana hoe Ismaely, satria efa nohenoin’ny Tompo ny fahorianao. Ho ampondra haolo io lehilahy io: ny tanany haingainy hamely ny olona rehetra, ary ny tanan’ny olona rehetra kosa hiainga hamely azy: honina tandrifin’ny rahalahiny rehetra izy.”

Dia niteraka zazalahy tamin’i Abrahama i Agara; ary nomen’i Abrahama anarana hoe Ismaely ny zaza naterak’i Agara. Efa enina amby valopolo taona i Abrahama tamin’ny niterahan’i Agara an’i Ismaely tamin’i Abrahama.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 105, 1-2. 3-4a. 4b-5.


Fiv.: Derao ny Tompo fa tsara.

Derao ny Tompo fa tsara: eny, mandrakizay ny Hatsaram-pony! Iza no hahalaza ny Asa maherin’ny Tompo? Zovy no hahaventy ny fiderana Azy rehetra?
Sambatra izay mitandrina ny rariny, sy manao ny hitsiny amin’ny fotoan-drehetra! Tsarovy izahay, ry Tompo, Izay tia ny Vahoakanao.
Vangio amin’ny Famonjenao izahay: fa te-hahita ny hasambaran’ny Voafidinao, sy hifaly amin’ny fifalian’ny Firenenao! Eny, izahay te-hiravo miaraka amin’ny Lovanao!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny Tenin’Andriamanitra dia maharitra mandrakizay; ary izany no tenin’ny Evanjely izay notorìna taminareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 7, 21-29


Ao ny trano miorina ambony vatolampy; ao ny miorina ambony fasika.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompo, Tompo, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra fa izay manao ny sitra-pon’ny Raiko izay any an-danitra, izy ihany no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra. Amin’izany andro izany, maro no hanao amiko hoe: Tompo, Tompo, moa tsy naminany tamin’ny Anaranao va izahay? ary moa tsy nandroaka demony tamin’ny Anaranao va izahay? moa tsy efa nanao fahagagana tamin’ny Anaranao va izahay? Ary amin’izany dia holazaiko miharihary aminy hoe: Tsy fantatro akory ianareo na oviana na oviana; mialà amiko ianareo mpanao ratsy. Koa amin’izany, na zovy na zovy mandre izao teniko izao ka mitandrina azy, dia hoharina amin’ny lehilahy hendry izay nanorina ny tranony teo ambony vatolampy; ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, nefa tsy nianjera izy, fa niorina teo ambonin’ny vatolampy. Ary na zovy na zovy mandre izao teniko izao, ka tsy mitandrina azy, dia hanahaka ny lehilahy adala nanorina ny tranony teo ambony fasika; ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, dia nianjera izy ka loza ny faharavany.”

Ary nony efa vitan’i Jesoa izany teny izany, dia gaga ny vahoaka tamin’ny fampianarany, satria nampianatra toy ny manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna teo aminy sy ny Farisianina.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, itý sorom-pifonana sy fiderana itý ary enga anie hanadio anay ny fahasoavana avy aminy ka ho sitrakao ny fitiavana atolotry ny fonay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 144, 15

Any aminao avokoa ny mason’ny velona rehetra manantena Anao, ary Ianao manome ny sakafony ara-potoana.


na hoe:

Jo. 10, 11-15

Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo; mahafoy ny aiko ho an’ny ondriko Aho.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nahazo aim-baovao izahay nandray ny Vatana sy Ra masin’i Kristy koa mihanta aminao mora fo: enga anie izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana fanaonay izao ho antoky ny fanavotana anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0343