Sorona Masina ny Asabotsy 11 jona 2022

Herinandro faha-10 mandavantaona

SABOTSY


Tononkira fidirana

Sal. 26, 1-2


Ny Tompo no faniloko sy vonjiko: iza no hatahorako? Ny Tompo no mandan’ny aiko: zovy no hangovitako?


Fangatahana

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, loharano iavian’ny soa rehetra Ianao, koa mitalaho aminao izahay: mba tsilovy hahita ny marina ary tantano hanatontosa azy.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Boky voalohan’ny Mpanjaka

1 Mpanj. 19, 19-21


Nitsangana i Elisea, dia nandeha ary nanaraka an’i Elia.

Tamin’izany andro izany, nony niala teo an-tendrombohitra i Elia dia nahita an’i Elisea, zanak’i Safàta niasa tany. Omby efatra amby roapolo tsiroaroa no teo alohany, ka teo amin’ny faharoa ambin’ny folo laharana izy. Nanatona azy i Elia sady natsipiny taminy ny kapaotiny. Nilaozan’i Elisea ny ombiny, dia nihazakazaka nanaraka an’i Elia izy, nanao hoe: “Aoka handeha hanoroka an’i dada sy i neny aho, dia hanaraka anao.” Ary hoy i Elia taminy: “Mandehana miverina, fa naninona anao moa aho?” Dia niala teo aminy i Elisea, ka nalainy ny omby roa mikambana sy novonoiny, ary ny jiogan’ny omby no nandrahoany ny henany, ary nomeny hohanin’ny olona izany, vao niainga izy nanaraka an’i Elia sy nanompo azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 15, 1-2a sy 5. 7-8. 9-10


Fiv.: Ianao, ry Tompo, no anjara lovako.

Andriamanitra Tompo ô, ambeno. F’Ianao re no hany ifefeko, Ianao re, ry Tompo, no lova, hany zarako mandrakizay!
Ka isaorako Tompo Ianao. Fa nanolotra saina, fanahy. Sy nanoro ny foko hatrany. Eo alohako foana ny Tompo; tsy hiala ankavanako Izy. Ka hisaorako mandrakizay.
Ts’omby tratra tokoa ny hafaliana, ’zay mameno ny foko tontolo sy manenika ’zato fanahy. Ka ny nofoko mandry amin-toky; fa tsy foinao ho levona ny aiko. Ny olon-tianao tsy foinao ho faty.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasy faharoan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto

2 Kôr. 5, 14-21


Ilay tsy nahalala ota dia nataony ota ho antsika.

Ry kristianina havana, teren’ny fitiavan’i Kristy antsika izahay, satria fantatray marina fa maty ho an’ny olona rehetra ny olona iray, ka dia maty koa izy rehetra; ary maty ho an’ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’izay maty sy nitsangana ho azy ireo. Koa dia tsy mahalala olona araka ny nofo intsony izahay; ary na dia nahalala an’i Kristy araka ny nofo aza izahay, dia tsy araka izany intsony no ahalalanay Azy ankehitriny. Noho izany, na iza na iza ao amin’i Kristy, dia zava-boaary vaovao izy, ka lasa ny zavatra taloha, fa indro tonga vaovao ny zavatra rehetra. Ary tsy iza no niavian’izany zavatra rehetra izany fa Andriamanitra izay nampihavana antsika aminy indray tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, sady nanome anay ny fandraharaham-pihavanana; satria Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao aminy indray tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, ka tsy nitana ny fahotan’ny olona, sy nametraka ny teny fampihavanana taminay. Koa sady solon’i Kristy ary izahay no irak’Andriamanitra koa, ka tahaka an’Andriamanitra no mananatra, sy toy ny tenan’i Kristy no mihanta aminareo hoe: “Mihavàna re amin’Andriamanitra ianareo! Fa he itý Izy: Ilay tsy nahalala ota dia nataony ota ho antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra aminy isika.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 102, 1-2. 3-4. 8-9. 11-12.


Fiv.: Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo.

Isaory ny Tompo, ry fanahiko; sy ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra! Isaory ny Tompo, ry fanahiko! Aza misy hadinoina ny soa avy aminy!
Izy Ilay mamela ny helokao rehetra, manasitrana ny aretinao rehetra, manavotra ny ainao amin’ny lavaka, manototra hatsaram-po sy indrafo anao.
Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo, tsy malaky tezitra ary be hatsaram-po! Tsy mba lalandava no fandaharany, na mandrakizay no irehetan’ny fony!
Fa tahaka ny haavon’ny lanitra ambonin’ny tany, no haben’ny hatsaram-pony amin’izay matahotra Azy. Tahaka ny ifanalaviran’ny atsinanana sy andrefana, no analavirany amintsika ny hadisoantsika!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Araikao amin’ny fanambaranao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 5, 33-37


Izaho kosa milaza aminareo tsy hianiana akory.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany nanao hoe: “Efa renareo koa fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe: ‘Aza mianiana tsy tò, fa efao amin’ny Tompo ny fianiananao.’ Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hianiana akory, na amin’ny lanitra, fa seza fiandrianan’Andriamanitra izy; na amin’ny tany, fa fandiavan’ny tongony izy; na amin’i Jerosalema, fa tanànan’ny mpanjaka lehibe izy; na amin’ny lohanao, fa tsy mahay mahafotsy na mahamainty na dia singam-bolo iray akory aza ianao. Fa aoka ny teninareo ho eny, dia eny; tsia, dia tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ilay Ratsy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Ry Tompo be indrafo ô, topazo maso izahay manompo Anao, dia ho sitrakao ny fanatitray ary hitombo ny fitiavanay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 17, 3

Ny Tompo no vatolampiko, tany ialofako sy mpanafaka ahy; Izy no Andriamanitro sy andriko.


na hoe:

1 Jo. 4, 16

Fitiavana Andriamanitra: izay mitoetra ao amin’ny fitiavana mitoetra ao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra mitoetra ao aminy.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, ny Sakramentanao manasitrana ny rofy rehetra anie hanafaka anay amin’ny ratsy isan-karazany sy hitarika anay hizotra amin’ny lala-mahitsy.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0086