Sorona Masina ny Zoma 27 mey 2022

Herinandro faha-6 — Fankalazana ny Paka

ZOMA


Tononkira fidirana

Apôk. 5, 9-10


Ny Ranao, ry Tompo, no nanavotanao anay, dia izahay avy amin’ny foko rehetra sy ny samihafa fiteny mbamin’ny fanjakana sy ny firenena rehetra, ary natsanganao izahay ho fanjakana mpisorona ho an’ny Andriamanitray. Aleloia!


Fangatahana

Andriamanitra ô, nohavaozinao tao amin’i Kristy nitsangan-ko velona izahay hahazoanay ny fiainana mandrakizay; koa asandrato ny fonay ho any amin’ilay Mpamonjy mipetraka eo ankavananao; ary, rahefa ho avy amim-boninahitra Izy Mpanavotra anay, dia enga anie ireo nateraka indray tamin’ny Batemy mba hitafy ny toetra tsy mety maty hahasambatra azy mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 18, 9-18


Be ny vahoakako amin’itý tanàna itý.

Raha tany Kôrinto i Paoly, dia hoy ny Tompo taminy, indray alina, tamin’ny tsindrimandry: “Aza matahotra, fa mampianara, ka aza mangina. Satria momba anao Aho ka tsy hisy olona hahazo hanisy ratsy anao, sady be ny vahoakako amin’itý tanàna itý.” Dia nitoetra tao herintaona sy enim-bolana izy, nampianatra ny tenin’Andriamanitra tao.

Ary nony i Galiôna no governora tao Akaîa, dia niray tetika hamely an’i Paoly ny Jody, ary nitondra azy teo amin’ny fitsarana, ka nanao hoe: “Ilay itý mitaona ny olona hanaraka ny fombam-pivavahana mifanohitra amin’ny Lalàna.” Nony niloa-bava ndeha hamaly i Paoly, dia hoy i Galiôna tamin’ny Jody: “Ry Jody, ny amin’ny ratsy natao, na ady heloka no ihainoako ny fitorianareo; fa raha izay ady hevitra momba ny fampianarana sy ny anarana, ary ny lalànareo kosa, raharahanareo izany, ka tsy te-hitsara an’izany aho.” Dia noroahiny hiala teo amin’ny fitsarana izy ireo. Tamin’izay dia nosamborin’izy rehetra i Sôstena lehiben’ny sinagôga, ka nokapohiny teo anoloan’ny fitsarana; fa tsy nahoan’i Galiôna akory izany.

Mbola nitoetra tao Kôrinto andro maromaro ihany i Paoly, vao nanao veloma ny rahalahy ka niondrana nankany Siria, niaraka tamin’i Prisila sy Akilasy, ary nohetezany tao Senkrea ny volondohany, fa nisy voady nataony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 46, 2-3. 4-5. 6-7


Fiv.: Mpanjakan’ny tany tontolo Andriamanitra.

Ry vahoaka rehetra, mitehafa tanana! Miderà an’Andriamanitra amin’ny hobim-pifaliana, fa mahatahotra ny Tompo Avo indrindra, Mpanjaka lehibe amin’ny tany tontolo.
Vahoaka maro, ataony ambaninay; fokom-pirenena, ambany tongotray. Izahay nofidiny ho lovany, i Jakôba olon-tiany, ho reharehany.
Andriamanitra miakatra, arahina hoby; ny Tompo misandratra amim-peon’anjomara. Antsao Andriamanitra! Antsao! Antsao ny Mpanjakantsika! Antsao!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo; handeha Aho ary ho avy eo aminareo indray, ka ho faly ny fonareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 16, 20-23a


Tsy hisy olona hanesotra ny hafalianareo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Lazaiko marina aminareo fa hitomany sy higogogogo ianareo, ary hifaly izao tontolo izao; halahelo ianareo, fa hody hafaliana ny alahelonareo. Ory ny vehivavy raha miteraka, satria tonga ny fotoany; nefa tsy tsaroany intsony ny fahoriany rahefa teraka izy, noho ny hafaliany fa hoe misy olona teraka amin’izao tontolo izao. Manana alahelo koa ianareo ankehitriny, nefa ho hitako indray ianareo, ka ho faly ny fonareo, ary tsy hisy olona hanesotra ny hafalianareo. Amin’izany andro izany, dia tsy hanontany Ahy na inona na inona intsony ianareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Enga anie ho fo antra, ry Tompo, no handraisanao ny fanatitray fianakavianao, ka mba tohano sy arovy izahay hahatahiry izay noraisinay ary ho tody any amin’ny soa omenao mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Ny Niakaran’ny Tompo


Kômonio

Rôm. 4, 25

Natolotra hisolo voina antsika meloka i Kristy Tompontsika, ary nitsangana indray mba hanamarina antsika. Aleloia.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba arovy amin’ny fitiavanao mandrakariva ireo izay novonjenao; ka enga anie izay navotan’ny Zanakao nijaly sy maty ho faly mankalaza Azy nitsangan-ko velona.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0078