Sorona Masina ny Talata 24 mey 2022

Herinandro faha-6 — Fankalazana ny Paka

TALATA


Tononkira fidirana

Apôk. 19, 7. 6.


Aoka isika hifaly, hiravo, hanome voninahitra an’Andriamanitra, fa manjaka sy mahefa ny Tompo Andriamanitsika. Aleloia!


Fangatahana

Andriamanitra ô, hientan-karavoana mandrakariva anie izahay vahoakanao fa nomenao aim-baovao; ary faly izahay ankehitriny fa naverinao amin’ny voninahitra maha-zanaka natsangana sady miandry ilay andro hitsangananay ho velona, ka enga anie ho feno toky hahazo ny tena hasambarana.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 16, 22-34


Minoa an’i Jesoa Tompo dia ho voavonjy ianao sy ny ankohonanao.

Tamin’izany andro izany, dia nirohotra hamely an’i Paoly sy i Silasy ny vahoaka tao Filipy; ary nasain’ny mpitsara nendahana ny lambany vao handalasina amin’ny hazo izy ireo. Ary rahefa naratra be ihany izy, dia nataony an-tranomaizina, ka nasainy hambenan’ny mpiambina mafy. Nony nahazo teny toy izany ny mpiambina, dia nampiditra azy tao an-tranomaizina anatiny indrindra, sy nangia ny tongony tamin’ny bolaky hazo. Rahefa tokony ho nisasaka ny alina, dia nihira fiderana an’Andriamanitra i PaoIy sy i Silasy, ka nihaino azy ny tao an-tranomaizina. Niaraka tamin’izay dia nisy horohoron-tany mafy dia mafy nanozongozona ny trano hatrany am-potony, ka nivoha tampoka ny varavarana rehetra; ary nivaha daholo ny fatoran’izy rehetra. Taitra tamin’izay ny mpiambina ny tranomaizina, ka nony nahita ny varavaran’ny tranomaizina nivoha izy, dia nanatsoaka ny sabany ndeha hamono tena, satra nataony ho nitsoaka nandositra ny mpifatotra. Fa niantso tamin’ny feo mahery i Paoly nanao hoe: “Aza mamono tena foana, fa eto daholo ihany izahay rehetra.” Dia nangataka jiro ny mpiambina, ka niditra faingana sady nangovitra niankohoka teo an-tongotr’i Paoly sy i Silasy. Nentiny nivoaka izy roa lahy, dia hoy izy: “Tompoko, inona no tokony hataoko mba ho voavonjy aho?” Ary hoy ny navalin’izy roa lahy: “Minoa an’i Jesoa Tompo, dia ho voavonjy ianao sy ny ankohonanao.” Dia nilazan’izy roa lahy ny tenin’ny Tompo izy sy izay rehetra tao an-tranony. Iny alina iny ihany, dia nitondra azy roa lahy izy, ka nanasa ny feriny; ary tamin’izany ora izany ihany dia natao batemy izy sy ny tao an-tranony rehetra. Dia nentiny nankao an-tranony izy roa lahy, ka norosoany hanina, ary nifaly izy mianakavy rehetra, satria efa nino an’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 137, 1-2a. 2bd-3. 7d-8


Fiv.: Ny tananao mamonjy ahy, ry Tompo.

Tompo ô! midera Anao amin’ny foko tontolo aho: satria Ianao nihaino ny tenin’ny vavako! Miantsa Anao eo anatrehan’ireo andriamanitra aho, miankohoka mitodika ny Tempolinao Masina.
Misaotra ny Anaranao aho: noho ny hatsaram-po sy fahamarinanao! Ny andro iantsoako, mamaly Ianao, sy mampitombo hery ny fanahiko!
Ny tananao mitsotra sy mamonjy ahy. Ny Tompo Mpamaly izay ratsy atao ahy! Tompo ô, mandrakizay ny hatsaram-ponao: aza atsahatra ny efa nataon’ny tananao.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin’ny maty, tia anay Ianao sy nanasa ny helokay tamin’ny Ranao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 16, 5b-11


Raha tsy mandeha Aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpanafaka alahelo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Fa ankehitriny handeha Aho, ka tsy misy aminareo manontany hoe: Ho aiza Ianao? Fa noho Izaho nilaza izany taminareo dia feno alahelo ny fonareo. Milaza ny marina aminareo anefa Aho fa mahasoa anareo ny handehanako; satria raha tsy mandeha Aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpanafaka alahelo; fa raha mandeha Aho, dia haniraka Azy ho atý aminareo. Ary rahefa tonga Izy, dia handresy lahatra an’izao tontolo izao ny amin’ny fahotana, sy ny amin’ny fahamarinana, ary ny amin’ny fitsarana: ny amin’ny fahotana, satria tsy mino Ahy izy ireo; ny amin’ny fahamarinana, satria mankany amin’ny Ray Aho, ka tsy ho hitanareo intsony; ary ny amin’ny fitsarana, satria voatsara sahady ny filohan’izao tontolo izao.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: mba omeo hafaliana lalandava noho izao misterin’ny Paka izao ka hitohy hatrany ao aminay anie ny vokatry ny fanavotana loharanon-kafaliana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Paka


Kômonio

Lk. 24, 46. 26.

Tsy maintsy niaritra fijaliana i Kristy sy nitsangan-ko velona vao tafiditra any amin’ny voninahiny. Aleloia!


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mba henoy, ry Tompo, ny vavaka ataonay: ka enga anie izahay mazoto mandray ny Kômonio masina loharanom-pamonjena mba hahazo fanampiana amin’itý fiainana itý ary handova ny hasambarana mandrakizay ,

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0807