Sorona Masina ny Alahady 15 mey 2022

ALAHADY FAHA-5 - Taona-D fankalazana ny Paka

NY VOKATRY NY PAKA: HAFALIANA SY FITIAVANA

Lokon’akanjo: fotsy

Tononkira fidirana

Sal. 97, 1-2

Ihirao hira vao ny Tompo, fa nahavita zava-mahagaga; naneho ny fahamarinany tamin’ireo firenena. Aleloia!


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao nanavotra anay sy nanangana anay ho zanakao; koa henoy izahay zanakao malalanao, fa mino an’i Kristy, ka omeo ny fahafahana marina sy ny lova mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 14, 20b-26

Notantarain’izy ireo tamin’ny fiangonana ny zava-dehibe nataon’Andriamanitra taminy.

Tamin’izany andro izany, i Paoly sy i Barnabe dia niverina tany Listra, sy Ikôniôma ary Antiôkia, nankahery fo ny mpianatra, sy namporisika azy haharitra amin’ny finoana, ary nilaza fa amim-piaretana fahoriana betsaka no tsy maintsy hidirantsika amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Isan’ny Eglizy nalehany, nony efa nivavaka sy nifady hanina izy ireo, dia nanendry Pretra, sy nanankina azy tamin’ny Tompo izay efa ninoany. Dia namaky an’i Pisidia izy ireo, ka tonga tany Panfilia. Ary rehefa nitory ny tenin’ny Tompo tany Perja izy, dia nidina nankany Atalia. Avy ao izy, dia niondrana an-tsambo hankany Antiôkia, fa teo no nanolorana azy hoentin’ny fahasoavan’Andriamanitra hanao ny asa izay vitany. Vao tonga tao izy, dia namory ny fiangonana, ka nitantara ny zavatra lehibe nataon’Andriamanitra taminy, sy ny namohany ny varavaran’ny finoana ho an’ny Jentily.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 144, 14-9. 10-11. 12-13ab


Fiv.: Manandratra Anao aho, ry Andriamanitro, Mpanjaka;
sy misaotra ny Anaranao, ry Ilay mandrakizay.

Manandratra Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka; ny Anaranao isaorako mandrakizay mandrakizay. Misaotra Anao isan’andro aho sy midera ny Anaranao mandrakizay.
Antra sy mangoraka ny Tompo, tsy malaky tezitra ary be fitiavana; tsara amin’ny tontolo ny Tompo, ny asany rehetra angorahany.
Midera Anao, ry Tompo, ny asanao rehetra, misaotra Anao ny mpivavaka aminao; ny voninahitry ny Fanjakanao resahiny, ny asanao mahery teneniny.
Ny Tompo mahatoky amin’ny teniny, tsara fo amin’ny asany rehetra Izy; izay mila ho lavo tohanany, izay mitanondrika atràkany.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Boky Fanambaràna nosoratan’i Md. Joany Apôstôly

Apôk. 21, 1-5a


Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo.

Izaho, Joany, dia nahita lanitra vaovao sy tany vaovao, fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary tsy nisy intsony koa ny ranomasina. Dia indro hitako nidina avy any an-danitra ny tanàna masina avy any amin’Andriamanitra, dia Jerosalema vaovao, voahaingo toy ny vehivavy ampakarina, voaomana hihaona amin’ny vadiny. Ary inay nisy feo mahery reko avy ao amin’ny seza fiandrianana nanao hoe: “Indro ny tranolain’Andriamanitra tonga eny amin’ny olona, ary Izy hiara-monina amin’izy ireo. Izy ireo moa ho vahoakany, ary Izy Andriamanitra mitoetra eny aminy kosa, ho Andriamanitr’izy ireo. Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ary ny fahafatesana dia tsy hisy intsony; ny alahelo amam-pitarainana sy fahoriana koa tsy hisy intsony, fa efa lasa ny toetra taloha”. Dia hoy Ilay nipetraka teo ambony seza fiandrianana: “Indro havaoziko ny zavatra rehetra”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo, mifankatiava ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 13, 31-33a

Didy vaovao no omeko anareo dia ny mba hifankatiavanareo.

Tamin’izany andro izany, nony efa nivoaka ny trano fihinanana i Jodasy, dia hoy i Jesoa: “Nomem-boninahitra izao ny Zanak’olona, ary Andriamanitra kosa no nomena voninahitra eo aminy. Ary raha Andriamanitra no nomem-boninahitra eo aminy, dia Andriamanitra kosa no hanome voninahitra Azy eo amin’ny Tenany sy hanome voninahitra Azy faingana. Anaka, kely foana sisa hitoerako aminareo. Didy vaovao no omeko anareo, dia izao: Mifankatiava, ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.— Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ampahatsiahivin’i Kristy antsika anio ny didy vaovao nomeny antsika; koa akambano ny vavaka ataontsika mba hanentana antsika ny fitiavany ary ho haintsika haely amin’ny olombelona rehetra.

Valy: Fenoy ny fitiavanao izahay, ry Tompo.

* Mivavaha amin’Andriamanitra ho an’ny Eglizy, mba hampiany isika ho hitan’izao tontolo izao fa miray finoana sy mifankatia.
* Mivavaha ho an’ireo mpitondra fanjakana, mba hampian’ny fitiavan’Andriamanitra izy, hikatsaka ny hiraisan’ireo nifidy azy, fa tsy hamela ny vahoaka hisara-bazana.
* Mivavaha ho an’ireo kivy sy very toky, fa tsy misy mpitia na nilaozan’olon-tiana, mba ho sambatra hahazo ny fitiavan’i Kristy izy ireny, amin’ny alalan’ireo olona manatanteraka tokoa izay inoany.
* Misy olona mivelona amin’ny hatsembohan’ny hafa. Koa mitalahoa amin’Andriamanitra mba hotsimbininy ireo mikely aina hampisy fitoviana eo amin’ny samy olombelona
* Mivavaha ho antsika iray fiangonana sy iray firenena mba homen’Andriamanitra ny fitiavany, hahasambatra ny olona tsirairay sy hahasambatra ny fianakaviam-be misy antsika.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Tompo ô, ny fifankatiavana no tianao hahafantarana ny mpianatrao; koa herezo izahay ho tia tahaka ny nitiavanao anay: tsy hitady valiny ary ho tia tsy misy fetra.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Andriamanitra ô, izao Sorona ifandraisanay aminao izao, no nataonao hiombonanay anjara aminao Andriamanitra Avo Indrindra; koa mihanta aminao izahay: enga anie ho arakaraka ny ahalalanay ny marina nambaranao no hanamasinanay ny toe-piainanay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Paka.


Kômonio

Jo. 15, 1. 5.

Izaho no foto-boaloboka, ianareo no sampany, hoy ny Tompo. Izay mitoetra ao amiko sy itoerako mamoa be. Aleloia!


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Tompo, ombao fitahiana izahay vahoakanao, vao nofahananao ny sakafo avy any an-danitra, ka mba esory hiala amin’ny toetranay fahiny, ary ento hankeo amin’ny fiainam-baovao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0081