Sorona Masina ny Asabotsy 14 mey 2022

14 Mey

Md. MATIASY, Apôstôly

 

Fankalazana

I Md. Matiasy dia heverina fa Jody avy amin’ny fokon’i Jodà sy teraka tany Betilehema. Azo heverina koa fa ny hatsaram-panahy nananany no nitarika azy hanaraka an’i Kristy ka nahatonga azy ho anisan’ny mpianany.
Fa nony efa niakatra any an-danitra i Jesoa Kristy, ka mbola nivory tao Jerosalema ny Apôstôly, niandry ny hidinan’ny Fanahy Masina dia nidinika tamin’ireo mpianatra sahabo ho 120 i Md. Piera ny tokony hifidianana mpianatra anankiray hasolo an’i Jodasy ilay namadika ka namono tena. Nambaran’i Md. Piera fa 12 ny Apôstôly nofidin’i Jesoa; nivadika ny iray ka tsy maintsy soloana haha-12 ny isa tsy azo bangaina, satria eo amin’ny Apôstôly 12 no nanorenan’i Jesoa ny Fiangonana. Ary dia nanendry an’i Jôsefa atao hoe Barsabasy sy i Matiasy izy ireo hifidianana: fa samy mendrika sy nahitana ny toetra voatanisan’i Md. Piera sy naraikiny ho fepetra amin’ny fifidianana izy roa lahy ireo. Ary rahefa nivavaka, nangataka ny hahatanteraka ny sitrapon’ny Tompo izy rehetra, ka natao ny latsa-bato dia i Md. Matiasy no lany, ary hatramin’izay dia nakambana tamin’izy 12 lahy zokiny izy. Dia nandray ny Fanahy Masina niaraka tamin’ny namany izy tamin’ny Pantekôty.
Araka ny lovan-tsofina, rahefa nifampizara ny toerana haleha hampianarana ny Apôstôly, dia ny faritanin’i Jodea no anjaran’i Md. Matiasy, izay nampisehoany finoana sy fahazotoana lehibe, ary nampibebahany olona maro be.
Toy ireo Apôstôly namany, dia maty martiry (63) i Md. Matiasy tamin’ny andro nanjakan’i Néron.
Amin’izao andro ahatsiarovantsika ny nisoloan’i Md. Matiasy an’i Jodasy izao, samia isika mihorohoro ndrao lasan’olona ny anjarantsika ao amin’ny Eglizin’Andriamanitra noho ny tsy fahamendrehan’ny fitondran-tenantsika.

 

Tononkira fidirana

Jo. 15, 16

Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo, ka nanendry anareo: mba handehananareo sy hahavokaranareo ary haharetan’ny vokatrareo.

 

Asiana Voninahitra anie...

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, nofidinao hahafeno isa ny Apôstôly i Masindahy Matiasy; ary mivavaka ho anay izy, ka mba ataovy anisan’ny olom-pinidinao izahay faly nambininao sy notiavinao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay. Amen.

 

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 1, 15-17. 20-26

 

I Matiasy no nahazo ny loka ka izy no lany ho anisan’ny Apôstôly roa ambin ny folo lahy

Tamin’izany andro izany, dia nitsangana teo afovoan’ny rahalahy i Piera (tokony ho roapolo amby zato ny isan’izy nivory teo) ka nanao hoe: “Ry rahalahy, tsy maintsy tanteraka ilay Soratra voalazan’ny Fanahy Masina tamin’ny vavan’i Davida momba an’i Jodasy, izay nitarika ny mpisambotra an’i Jesoa; fa anisantsika ihany koa izy, sady nanana anjara tamin’izao fandraharahantsika izao. Ary izany indrindra no voasoratra ao amin’ny bokin’ny Salamo hoe: Aoka ho lao ny fonenany, ka tsy honenan’olona akory; ary koa: Aoka ho lasan’olon-kafa ny anjara raharahany. Koa amin’ireo lehilahy niaraka tamintsika tamin’ny andro rehetra nitoeran’i Jesoa Tompo teto amintsika, hatramin’ny nanaovan’i Joany batemy Azy ka hatramin’ny andro niakarany any an-danitra, dia aoka hisy anankiray ho namantsika mba ho vavolombelon’ny nitsanganany ho velona.”

Dia nanokana roa lahy tamin’izy ireo izy, dia i Jôsefa atao hoe i Barsabasy sy nampiana anarana hoe ilay Marina, ary i Matiasy, ka nivavaka nanao hoe: “Tompo ô, Ianao no mahalala ny fon’ny olona rehetra, ka asehoy izay voafidinao amin’izy roa lahy ireto, mba hanana anjara amin’izao fandraharahan’ny Apôstôly izao, izay nialan’i Jodasy hankanesany any amin’ny fitoerany.” Dia nanaovany loka izy roa lahy, ary i Matiasy no nahazo ny loka, ka izy no lany ho isan’ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 112, 1-2. 3-4. 5-6. 7-8

 

Fiv. : Ny Tompo mampiray toerana azy amin’ny andriandahin’ny vahoakany.

Derao, ry mpanompon’ny Tompo, derao ny Anaran'ny Tompo. Tsarovy ny Anaran’ny Tompo, na izao na ho mandrakizay.
Tongava marain-tsy hariva hidera ny Anaran’ny Tompo. Ambonin’ireo firenena: Ny lazany avo dia avo!
Moa misy mitovy amy Tompo? Ny Tompo mitoetra any ambony. Ka miandroka Izy mijery, na lanitra izany na tany.
Alàny amy fako ny ory. Esoriny avy eo ny mahantra. Apetrany anilan’andriana, andriana izay fanta-bahoaka.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hahavokaranareo ary haharetan’ny vokatrareo, hoy ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 15, 9-17

 

Tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, fa hantsoiko hoe sakaiza.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo koa, ka mitomoera amin’ny fitiavako ianareo. Raha mitandrina ny didiko ianareo no hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy itoerako amin’ny fitiavany. Izaho no milaza izany aminareo, dia mba ho ao aminareo ny fifaliako, ary mba ho lavorary ny fifalianareo. Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo. Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany. Ianareo no sakaizako, raha manatanteraka izay andidiako anareo. Tsy ataoko hoe mpanompo intsony ianareo, satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko. Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo, ka nanendry anareo mba handehananareo, sy hahavokaranareo, ary haharetan’ny vokatrareo, sy hanomezan’ny Raiko anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny Anarako. Ny andidiako anareo dia ny mba hifankatiavanareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny fanatitra atolotry ny Eglizinao amim-panajana ho enti-mankalaza an’i Masindahy Matiasy, ka mba ataovy mankahery anay ny fahasoavanao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Apôstôly I

 

Kômonio

Jo. 15, 12

Izao no didiko, hoy ny Tompo: mifankatiava ianareo toy ny nitiavako anareo.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Aoka tsy hitsahatra hameno fahasoavana anay Ianao, ry Tompo, fa mivavaka ho anay i Masindahy Matiasy, ka ho sitrakao anie ny handray anay any amin’ny hazavana iraisana anjara amin’ireo Olomasinao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0734