Sorona Masina ny Alakamisy 10 febroary 2022

Herinandro faha-5 mandavantaona

ALAKAMISY

 

Tononkira fidirana

Sal. 94, 6-7

 

Andeha isika hiankohoka sy hitsaoka an’Andriamanitra; mandohaliha eo anoloan’ny Tompo nanao antsika, fa Izy no Tompo Andriamanitsika.

 

Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, ombao fitiavana lalandava izahay fianakavianao, ka ambeno sy arovy mandrakariva, fa ny hany ianteheranay dia ny fahasoavanao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka… Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany

Boky voalohan’ny Mpanjaka

1 Mpanj. 11, 4-13

 

Satria ianao tsy nitandrina ny fanekeko, dia hotsoahako eo an-tananao ny fanjakako, nefa hamelako foko iray ihany ny zanakao noho ny amin’i Davida.

Tamin’ny fahanteran’i Salômôna, dia natongilan’ny vadiny ho amin’ny andriamani-kafa ny fony, ka tsy mba an’ny Andriamanitra Tompony manontolo, toy ny fon’i Davida rainy, ny fony, fa nanaraka an’i Astarte andriamani-bavin’ny Sidônianina i Salômôna, sy an’i Melkôma, fahavetavetan’ny Amônita. Koa nanao izay ratsy teo imason’ny Tompo i Salômôna, fa tsy mba manaraka an-tsakany sy an-davany ny Tompo tahaka an’i Davida rainy.

Tamin’izany nanorina fitoerana avo i Salômôna teo amin’ny tendrombohitra tandrifin’i Jerosalema, ho an’i Kamosa fahavetavetan’i Môaba, sy ho an’i Molaoka, fahavetavetan’ny taranak’i Amôna. Nanao toy izany koa izy ho an’ny vadiny hafa firenena rehetra, izay nandoro zava-manitra sy nanatitra sorona ho an’ny andriamanitr’izy ireo. Dia tezitra tamin’i Salômôna ny Tompo noho ny nivilian’ny fony niala tamin’ny Tompo Andriamanitr’i Israely izay efa niseho taminy indroa, sady efa nandrara azy ny amin’izany, mba tsy hanarahany andriamani-kafa, nefa tsy nitandrina ny didin’ny Tompo izy. Ka hoy ny Tompo tamin’i Salômôna: “Noho izao fitondran-tenanao izao, ka tsy mba nitandrina ny fanekeko sy ny lalàko izay nandidiako anao ianao, dia hotsoahako marina tokoa eo an-tananao ny fanjakana, ka omeko ny mpanomponao. Tsy hataoko amin’ny andronao anefa izany, noho ny amin’i Davida rainao fa rahefa mby amin’ny zanakao vao hendahako aminy izy. Ary tsy dia ny fanjakana manontolo koa aza no hoendahako, fa hamelako foko iray ihany ny zanakao, noho ny amin’i Davida mpanompoko, sy noho ny amin’i Jerosalema izay voafidiko.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 105, 3-4. 35-36. 37 sy 40

 

Fiv.: Tsarovy izahay, ry Tompo, izay tia ny vahoakanao.

Sambatra izay mitandrina ny rariny, sy manao ny hitsiny amin’ny fotoan-drehetra! Tsarovy izahay, ry Tompo, izay tia ny vahoakanao! Vangio amin’ny famonjenao izahay.
Niharo tamin’ireo firenena izy, sady nianatra ny fanaony. Ny sampin’izy ireo notompoiny, ka tonga fandrika ho azy.
Nosoroniny ho an-dolo ny zanany lahy aman-janany vavy. Koa nirehetan’ny haviniran’ny Tompo ny Vahoakany, tonga halany mainty ny Lovany.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 7, 24-30

 

Ny amboa kely koa mba mihinana ny sombintsombin’ny mofon-jaza ao ambany latabatra ihany.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa, dia nankany amin’ny faritanin’i Tira sy Sidôna, ary niditra tao an-trano anankiray, fa tsy te-ho fantatr’olona, nefa tsy nahazo niery. Fa vetivety foana dia nisy vehivavy anankiray nanan-janakavavy azon’ny fanahy maloto nandre izany, ka tonga niankohoka tamin’ny tongony. Jentily avy amin’ny firenena Sirôfenisa ravehivavy, ary ny nangatahiny taminy dia ny handroahany ny demony amin’ny zanany vavy. Fa hoy Izy taminy: “Aoka ho voky aloha ny zanaka; fa tsy mety raha alaina ny mofon-jaza ka atsipy ny amboa.” Dia namaly ravehivavy ka nanao taminy hoe: “Marina izany, Tompoko, kanefa ny amboa kely koa mba mihinana ny sombintsombin’ny mofon-jaza ao ambany latabatra ihany.” Ary hoy i Jesoa taminy: “Mandehana, fa noho izany teny izany, dia efa niala tamin’ny zanakao vavy ny demony.” Nony tonga tany an-tranony izy, dia nahita ny zanany vavy nandry teo am-parafara fa efa nialan’ny demony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Ry Tompo Andriamanitray ô, nataonao hanohana anay osa sy malemy ireto vokatry ny tany ireto, koa mihanta aminao izahay: enga anie ho tonga Sakramenta manambara sy mampahazo ny fiainana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 106, 8-9

Hisaorana anie ny Tompo noho ny hatsaram-pony sy ny zava-mahagaga vitany ho an’ny olombelona: fa ny fanahy mangetaheta, hetsahiny; ny fanahy mosarena, vokisany soa.

 

na hoe:

Mt. 5, 5-6

Sambatra ny ory, fa halàna alahelo; sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana fa ho voky.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Andriamanitra ô, sitrakao ho mofo iray ihany no hifanapahanay ary kalisy iray ihany no hiarahanay misotro; ka ataovy miray ao amin’i Kristy izahay, dia ho faly hitondra famonjena ho an’izao tontolo izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0084