Sorona Masina ny Talata 18 janoary 2022

Herinandro faha-2 mandavantaona

TALATA

 

Tononkira fidirana

Sal. 65, 4

 

Andriamanitra ô, hiankohoka aminao anie ny tany tontolo, ary hidera Anao sy hiantsa ny Anaranao, ry Avo indrindra.

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, Tompo mandidy sy manapaka ny tany aman-danitra Ianao; koa mba henoy izahay vahoaka mitalaho aminao ary fenoy ny fiadananao ny andro iainanay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Boky voalohan’i Samoela

1 Sam. 16, 1-13

 

Nohosoran’i Samoela i Davida teo afovoan’ny rahalahiny; ary dia nidina tamin’i Davida ny Fanahin’ny Tompo.

Tamin’izany andro izany, nilaza tamin’i Samoela ny Tompo nanao hoe: “Mandra-pahoviana no itomanianao an’i Saola, kanefa Aho manary azy tsy ho mpanjakan’i Israely intsony? Fenoy diloilo ny tandrokao, dia mandehana fa irahiko ho any amin’i Jese any Betlehema ianao, satria amin’ny zanany no nahitako ilay mpanjaka tiako.” Dia hoy i Samoela: “Hataoko ahoana no fankany? Ho ren’i Saola izany dia hataony maty aho?” Ary hoy ny Tompo: “Mitondrà vantotr’ombivavy, ka ataovy hoe: Hanatitra sorona ho an’ny Tompo no nankanesako taty. Ary asao i Jese amin’ny sorona, fa hampahafantariko anao izay tokony hataonao, dia hohosoranao ho ahy izay hotondroiko aminao.” Dia nataon’i Samoela izay nandidian’ny Tompo azy, ka nankany Betlehema izy. Tonga nitsena azy ny loholon’ny tanàna tamin’ahiahy ka nanao hoe: “Hampiadana va no nahatongavanao?” Dia hoy i Samoela: “Hampiadana. Tonga hanatitra sorona ho an’ny Tompo aho. Ka hamasino ny tenanareo, ary andeha hiaraka amiko ho any amin’ny sorona.” Dia nanamasina an’i Jese sy ny zanany izy, sy nanasa azy ireo ho any amin’ny sorona. Nony tafiditra izy ireo dia nahita an’i Eliaba i Samoela ka nanao hoe: “Mby eto anatrehany tokoa ilay voahosotry ny Tompo.” Fa hoy ny Tompo tamin’i Samoela: “Aza ny tarehiny no jerenao, na ny haavon’ny tsanganany, fa efa natanilako io. Tsy mba izay hitan’ny olombelona no izy; ny olombelona mijery ny tarehy fa ny Tompo kosa mijery ny fo.” Dia i Abinadaba indray no nantsoin’i Jese, ka nampandaloviny teo anatrehan’i Samoela fa hoy i Samoela: “Itý koa tsy mba nofidin’ny Tompo.” Dia i Samà indray no nampandalovin’i Jese, fa hoy i Samoela: “Tsy mbola ilay voafidin’ny Tompo koa itý.” Nampandalovin’i Jese teo anatrehan’i Samoela koa ireto fito mirahalahy tamin’ny zanany ary hoy i Samoela tamin’i Jese: “Tsy misy nofidin’ny Tompo amin’ireto.” Ary hoy i Samoela tamin’i Jese: “Ireo ihany va no zatovolahy rehetra?” Dia hoy i Jese: “Mbola misy ilay faralahy, ka indro fa miandry ondry izy.” Ka hoy i Samoela tamin’i Jese: “Ampanalao izy, fa tsy hipetraka hihinana isika raha tsy efa tonga izy.” Dia nampanalain’i Jese io. Mavo mena ny volon’izy izay; sady bary maso izy no tsara tarehy. Ary hoy ny Tompo: “Mitsangana, hosory io, fa io no izy.” Dia noraisin’i Samoela ny tandroka nisy diloilo, ka nohosorany teo afovoan’ireo rahalahiny io; ary hatramin’izany andro izany ka hatramin’ny andro manaraka, dia nidina tamin’i Davida ny fanahin’ny Tompo. Dia niainga i Samoela nankany Ramata.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 88, 20. 21-22. 27-28

 

Fiv.: I Davida mpanompoko no sitrako.

Indray andro, niteny tamin-tsindrimandry Ianao, nanao tamin’ny voafidinao hoe: Nanandratra olo-mahery iray Aho; nanambony olom-boafidy tamin’ny vahoaka.
I Davida mpanompoko no sitrako: ka nohosorako ilo masina. Ny tanako homba azy; ny sandriko hankahery.
Izy hiantso Ahy hoe: Raiko Ianao, Andriamanitro sy vatolampy famonjena ahy. Izaho kosa hanao azy ho lahimatoako, sy ho avo indrindra amin’ny mpanjakan’ny tany!

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio

Heb. 6, 10-20

 

Io fanantenana natolotra io no tanantsika mova tsy vato fantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika

Ry kristianina havana, tsy mba tsy marina Andriamanitra, sanatria! ka hanadino ny asanareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho voninahitry ny Anarany, tamin’ny nanampianareo sy mbola anampianareo ny olo-masina. Irinay haneho fahazotoana toy izany koa ianareo tsirairay avy hitana ny fanantenanareo feno sy lavorary hatramin’ny farany, mba tsy hiketraka ianareo, fa hanahaka ireo mandova ny lova nampanantenaina noho ny finoany sy ny faharetany.

Tamin’ny fampanantenana nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama, noho ny tsy fisian’ny lehibebe kokoa noho ny tenany, dia nianiana tamin’ny tenany Izy. Ka nanao hoe: “Hosoaviko tokoa ianao sy hohamaroiko koa”; ary nahazo ny nampanantena azy io Patriarka io, satria niandry tamim-paharetana izy. Fa ny lehibebe kokoa noho ny tenany no ianianan’ny olona, ary ny fianianana no ataony antoka ka entiny manapaka ny fifandirana rehetra. Koa mba hanehoan’Andriamanitra mazavazava kokoa ny tsy fiovan’ny fikasany amin’ny mpandova ny fampanantenana dia nohamafisiny tamin’ny fianianana izany, mba ho zavatra roa tsy manam-piovana sy tsy hain’Andriamanitra amitahana antsika no hahazoantsika fanalana alahelo mahery; fa efa mihazakazaka isika hihazona ny fanantenana natolotra antsika. Izy io moa no tanantsika mova tsy vato fantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika, ary miditra any anatin’ny efitra lamba, dia any amin’izay efa nidiran’i Jesoa ho Mpialoha antsika, rahefa natao Mpisorombe mandrakizay araka ny fomban’i Melkisedeka.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 110, 1-2. 4-5. 9 sy 10d

 

Fiv.: Mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay Izy.

Izaho midera ny Tompo amin’ny foko tontolo am-pivoarian’ny olo-marina sy am-piangonambe. Lehibe ny asan’ny Tompo, mampisaina izay rehetra tia Azy.
Nahefa zava-mahagaga tsy very tadidy Izy. Mangoraka sy antra ny Tompo. Manome hanina ny matahotra Azy Izy, fa mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay.
Nandefa fanavotana tamin’ny vahoakany Izy, sy nanorina ny fanekeny ho mandrakizay. Masina sy mahatahotra ny Anarany; maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 2, 23-28

 

Ny sabata no natao ho an’ny olona fa tsy ny olona no natao ho an’ny sabata.

Indray sabata, raha nandeha namaky ny tanimbary i Jesoa, dia nioty salohim-bary teny am-pandehanana ny mpianany, ka hoy ny Farisianina taminy: “Jereo ange e, nahoana izy ireo no manao ny tsy fanao amin’ny sabata?” Fa hoy Izy taminy: “Moa tsy novakinareo va izay nataon’i Davida raha terin’ny hanoanana izy sy izay nanaraka azy? Fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy tamin’ny andron’i Abiatara lehiben’ny mpisorona, ka nihinana ny mofo alahatra izay tsy misy mahazo mihinana afa-tsy ny mpisorona ihany, sady nomeny mbamin’ny mpanaraka azy koa.” Dia hoy koa Izy taminy: “Ny sabata no natao ho an’ny olona, fa tsy ny olona no ho an’ny sabata. Koa ny Zanak’Olona dia tompon’ny sabata aza.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, ampio hazoto manolotra tsara izao mistery izao satria isaky ny mankalaza sy mahatsiaro izany izahay dia mahazo ny vokatry ny fanavotanao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 22, 5

Norosoanao sakafo aho, ry Tompo, ary mamiko loatra ny kapoaka fisotroako.

 

Na hoe:

1 Jo. 4, 16

Isika efa nankalaza sy nino ny fitiavan’Andriamanitra antsika.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Arotsahy ao aminay, ry Tompo, ny Fanahinao Fitiavana; ka enga anie ireo nofahananao tamin’ny mofo iray mba hiray fo tanteraka entanin’ny fitiavana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0083