Sorona Masina ny Zoma 14 janoary 2022

Herinandro voalohany mandavantaona

ZOMA


Tononkira fidirana


Teny amin’ny lanitra mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana no nahitako an’ilay Lehilahy tsaohin’ny Anjely alinkisa amin’ny feo indray mihira hoe: Intý ilay nomena ny fahefana mandrakizay mandrakizay.


Fangatahana

Ry Tompo mora fo ô, henoy ny firarianay vahoaka mitalaho aminao, mba hahita izay tokony hatao izahay ka hazoto hanatanteraka izany.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Boky voalohan’i Samoela

1 Sam. 8, 4. 7. 10-22a


Hitaraina ianareo noho ny amin’ny mpanjaka nofidinareo, nefa tsy hihaino anareo ny Tompo, satria nangataka mpanjaka ho anareo ianareo.

Tamin’izany andro izany, nivory ny loholon’i Israely rehetra nankany amin’i Samoela, tany Ramà, nanao taminy hoe: “Ianao itý efa antitra ary ny zanakao tsy manara-dia anao, koa mpanjaka toy ny an’ny firenena rehetra no atsangano aminay hitsara anay.” Tsy sitrak’i Samoela izany teny izany noho izy ireo nanao hoe: “Omeo mpanjaka izahay hitsara anay.” Dia nivavaka tamin’ny Tompo i Samoela; ary hoy ny Tompo tamin’i Samoela: “Henoy ny feon’ny vahoaka araka izay rehetra holazainy aminao, satria tsy mba ianao no ariany fa Izaho no ariany, dia ny tsy hanjakako aminy intsony.” Dia nambaran’i Samoela tamin’ny vahoaka nangataka mpanjaka taminy ny tenin’ny Tompo rehetra, ka hoy izy: “Izao no fahefana ampiasain’ny mpanjaka, izay hanjaka aminareo. Ny zanakalahinareo halainy ary hampitaingenany ny kalesiny sy hataony mpitaingin-tsoavaliny ary hihazakazaka eo anoloan’ny kalesiny izy ireo. Hataony mpifehy arivo, mpifehy dimampolo izy; hampiasainy ny taniny, hampijinjainy ny variny, hampanaoviny ny fiadiany, mbamin’ny forongon-kalesiny. Ny zanakavavinareo halainy ho mpanamboatra zava-manitra, ho mpahandro, ho mpanao mofo. Ny tanimbarinareo, ny tanim-boalobokareo, ny fototr’ôlivanareo tsara indrindra dia halainy ka homeny ny mpanompony. Ny ampahafolon’ny vokatra aman-tanim-boalobokareo halainy ka homeny ny tandapa ama-mpanompony. Ny mpanomponareo na lahy na vavy, mbamin’ny ombinareo aman’ampondra tsara indrindra halainy hampanaovina ny asany. Ny ampahafolon’ny biby fiompinareo halainy, ary ny tenanareo aza ho mpanompony. Hitaraina ianareo amin’izany andro izany, noho ny amin’ny mpanjaka nofidinareo, nefa tsy hihaino anareo ny Tompo.” Tsy nety nihaino ny feon’i Samoela akory ny vahoaka, fa hoy izy: “Tsia, fa aoka ihany izahay mba hana-mpanjaka! Dia mba ho toy ny firenena koa izahay; ny mpanjakanay no hitsara anay, hitari-dalana anay, ary hitari-tafika anay.” Nony ren’i Samoela ny teny rehetra nataon’ny vahoaka dia nolazainy indray ho ren’ny Tompo; ka hoy ny Tompo tamin’i Samoela: “Henoy ny feony ka manangàna mpanjaka ho azy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaroana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 88, 16-17. 18-19


Fiv.: Hohiraiko mandrakizay ireo hatsaram-pon’ny Tompo.

Tompo ô, sambatra ilay vahoaka mahay mihoby, sy mandroso amin’ny hazavan’ny Tavanao, sy mifaly amin’ny Anaranao tontolo andro, sy mientana amin’ny Fitiavanao ny rariny.
Satria Ianao no reharehan’ny heriny, ary ny Fitiavanao no manandratra ny tandrokay! Eny, ny Tompo no Andrianay; Ilay Masin’i Israely no Mpanjakanay.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio

Heb. 4, 1-5. 11


Aoka isika hazoto miditra amin’ny fialan-tsasatry ny Tompo.

Ry kristianina havana, aoka hatahotra isika, dieny mbola manana ny teny fampanantenana fa hiditra amin’ny fialàny sasatra, mba tsy hisy tsy hahatratra izany aminareo na dia iray aza. Fa isika koa dia nitoriana filazana mahafaly toa an’ireny, saingy tsy nombany finoana ny teny ren’izy ireny ka tsy nahasoa azy akory. Fa isika izay mino kosa dia hiditra amin’ny fialan-tsasatra, araka ny voalazany hoe: “Nianiana noho ny hatezerako aho fa tsy hiditra amin’ny fialan-tsasatro izy ireo.” Toy izany ny teniny, na dia efa vita tapitra hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao aza ny asany. Fa hoy Izy hoe, amin’ny andininy anankiray any ho any ny amin’ny andro fahafito: “Ary Andriamanitra niala sasatra tamin’ny asany rehetra tamin’ny andro fahafito.” Ary eto indray, hoy Izy: “Tsy hiditra amin’ny fialan-tsasatro izy ireo.” Koa aoka isika hazoto miditra amin’izany fialan-tsasatra izany, mba tsy hisy ho latsaka amin’ny tsy finoana tahaka ireny koa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 77, 3-4d. 6d-7. 9.


Fiv.: Tsy hohadinoinareo ny asan’ny Tompo.

Izay henonay ka fantatray, fa nolazain’ireo razana anay, dia ny fiderana ny Tompo sy ny heriny mbamin’ny zava-mahagaga izay vitany.
Ireo zaza vao ho teraka hitantara amin-janany koa, ka ireto hatoky an’Andriamanitra, tsy hanadino ny asan’ilay Mahery, fa hitandrina kosa ny didiny.
Tsy mba hanahaka ireo razany, izay taranaka mpikomy sy mpiodina, tsy niraiki-tsaina tamin’Andriamanitra.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 2, 1-12


Manam-pahefana etý an-tany hanafaka ny fahotana ny Zanak’Olona.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa dia niditra indray tao Kafarnaôma. Nony re fa hoe tao an-trano Izy, dia nivory betsaka dia betsaka ny olona, ka tsy nisy hitoerana intsony na dia hatrany anoloan’ny varavarana aza; dia nitory teny taminy Izy. Tamin’izay dia nisy nanatona Azy nitondra lehilahy malemy anankiray, izay nolanjain’olona efa-dahy. Tsy afa-nanatona Azy anefa izy ireo noho ny habetsahan’ny vahoaka, ka dia ny tafon-trano nitoerany no nanesorany; nony voasokatra, dia nampidininy teo ny fandriana nandrian’ilay malemy. Ary i Jesoa nony nahita ny finoan’ireo, dia nanao tamin’ilay malemy hoe: “Anaka, voavela ny helokao.” Fa nisy mpanora-dalàna sasany nipetraka teo, ka nanao anakampo hoe: “Ahoana no itenenan’ilay itý toy izany? Miteny ratsy an’Andriamanitra lahy Izy. Iza no mahavela fahotana afa-tsy Andriamanitra irery ihany?” Fantatr’i Jesoa tao amin’ny fanahiny niaraka tamin’izay fa nieritreritra izany tao anatiny izy ireo ka hoy Izy taminy: “Nahoana ianareo no mihevitra toy izany ao am-ponareo? Inona no moramora kokoa, ny manao amin’itý malemy itý hoe: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, batao ny fandrianao, ary mandehana? Ary mba ho fantatrareo fa ny Zanak’Olona manam-pahefana etý an-tany hanafaka ny fahotana, dia izao no lazaiko aminao, (hoy Izy tamin’ilay malemy): Mitsangàna, batao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao.” Dia nitsangana niaraka tamin’izay izy ka nibata ny fandriany, ary lasa nody teo imason’ny olona rehetra; hany ka talanjona izy rehetra sady nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe: “Tsy mbola nahita tahaka izany izahay.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Ho sitrakao anie, ry Tompo, ny tolotra ataonay vahoakanao, ka sady hampandroso fahamasinana anay no hampahazo izay angatahinay amim-pitokiana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 35, 10

Ao aminao, ry Tompo, ny loharanon’aina; ny hazavanao no ahitanay hazavana.


na hoe :

Jo. 10, 10

Tonga Aho, mba hananan’ny ondry ny fiainana sady hananany azy be dia be, hoy ny Tompo.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, efa nomenao hery tamin’ny Sakramentanao izahay, ka mitalaho an-tanan-droa aminao: enga anie mba hanao izay mahafaly Anao ary hanompo Anao amin’ny toetra mendrika.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0432