Sorona Masina ny Alakamisy 30 desambra 2021

Aorian’ny Nahaterahan’ny Tompo

30 DESAMBRA

Raha alahady ny andro, na tsy misy alahady analanelan’ny 25 desambra sy 1 janoary, dia Fankalazana manetriketrika NY FIANAKAVIANA MASINA


Tononkira fidirana

Fahendrena 18, 14-15


Raha ilay nangina iny ny voaary tontolo ka nisasaka tsara ny alina, ry Tompo, dia nidina avy eo amin’ny seza fiketrahany any an-danitra ny Teninao mahefa ny zavatra rehetra.


Asiana Voninahitra anie ho an’Andriamanitra.


Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary: enga anie ny nahaterahan’ny Zanakao Lahitokana tonga nofo hahafaka, anay amin’ny fanandevozan’ny fahotana mangeja anay hatry ny ela.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Taratasy voalohan’i Md. Joany Apôstôly

1 Jo. 2, 12-17


Izay manao ny sitra-pon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.

Manoratra ho anareo zanaka aho, satria voavela ny helokareo noho ny Anaran’i Jesoa. Manoratra ho anareo aho, ry ray, satria nahalala Ilay hatramin’ny voalohany ianareo. Manoratra ho anareo aho, ry zatovo, satria naharesy ilay Ratsy ianareo. Nanoratra ho anareo ankizy aho, satria efa nahalala ny Ray ianareo. Nanoratra ho anareo ray aho satria efa nahalala Ilay hatramin’ny voalohany ianareo. Nanoratra ho anareo zatovo aho, satria mahery ianareo ka mitoetra ao aminareo ny tenin’Andriamanitra, sady efa naharesy ilay Ratsy ianareo. Aza tia izao tontolo izao, na ny zavatra amin’izao tontolo izao. Fa izay tia an’izao tontolo izao dia tsy manana fitiavana ny Ray ao anatiny. Satria ny zavatra rehetra amin’izao tontolo izao, ny filan’ny nofo, ny fitiavan’ny maso, ny rehaka amin’izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao. Mandalo izao tontolo izao sy ny filàny, fa izay manao ny sitra-pon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo, — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 95, 7-8a. 8b. 9. 10


Fiv.: Aoka hifaly ny lanitra, ary hiravo ny tany!

Omeo ny Tompo, rey vahoaka, irony hasina sy fahefana mbamin’ireo Anaram-panajana.
Ny fanatitrao andeha atolory, ka ny Tompo Masina iankohofy fa ny tavany e mahajemby.
Ny tontolo aoka hihararetra fa hilaza dinika ny Tompo, hotorîny amin’ny firenena.
He! Ny Tompo irery no Mpanjaka. Itony tany: vitany mijoro. Izany rariny entiny mitsara.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Imbetsaka fahiny Andriamanitra no niteny tamin’ny razantsika tamin’ny vavan’ny Mpaminany; nony farany, amin’izao androntsika izao kosa dia ny Zanany mihitsy no itenenany amintsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 2, 36-40


Nilazalaza ny Zaza tamin’izay rehetra niandry ny fanavotana an’i Israely i Ana.

Tamin’ny andro nanoloran’ny ray aman-dreniny an’i Jesoa tao an-tempoly, dia nisy koa tao mpaminany vavy anankiray, dia i Ana, zanak’i Fanoela, fokon’i Asera; efa antitra dia antitra izy, dia fito taona no nanambadiany taorian’ny naha-virjiny azy ary efa mpitondratena tokony ho efatra amby valopolo taona, sady tsy niala tao amin’ny tempoly, fa nanompo an’Andriamanitra andro aman’alina tamin’ny fifadian-kanina sy fivavahana. Tonga koa izy tamin’izany fotoana izany, ka nidera an’Andriamanitra, ary nilazalaza ny Zaza tamin’izay rehetra niandry ny fanavotana an’i Jerosalema. Ary nony tanterak’izy ireo ny zavatra rehetra araka ny Lalàn’ny Tompo, dia nody tany Galilea tao Nazareta tanànany izy. Ary nitombo nihanatanjaka ny Zaza sady feno fahendrena, ary tao aminy ny fahasoavan’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Aoka ho fo antra, ry Tompo, no handraisanao ny fanatitra atolotray vahoakanao, ka izay ambaranay entanim-pinoana sy fitiavana anie mba ho azonay amin’izao Sorona masina izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Ny Nahaterahan’ny Tompo


Raha Kanôna Rômanina no atao, dia ny "Entanin’ny firaisana" fanao amin’ny Noely no alaina.


Kômonio

Jo. 1, 16

Tamin’ny fiainany lavorary no nandraisantsika rehetra anjara, dia fahasoavana miampy fahasoavana.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Andriamanitra ô, ny Sakramenta noraisinay no ifandraisanao aminay, koa tanteraho ao am-ponay ny vokatr’izany Sakramenta izany ary ny fahasoavana nomenao anie hahatonga anay ho mpanomponao lavorary.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0078