Sorona Masina ny Alahady 12 desambra 2021

ALAHADY FAHA-3 — Taona D fiavian’ny Tompo

TSY MBA MANDAO ANDRIAMANITRA, FA FITIAVANA

Lokon’akanjo: mavokely na volomparasy

Tononkira fidirana

Fil. 4, 4-5


Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo! Eny, averiko indray mifalia! satria efa akaiky anie ny Tompo!


Fangatahana

Andriamanitra ô, indreto ny vahoakanao entanim-pinoana miomana hankalaza ny nahaterahan’i Kristy Tomponay; koa mihanta aminao izahay: enga anie mba ho tody soa aman-tsara amin’ny hafaliana entin’ny Mpamonjy, sy harisika mandrakariva hankalaza an’izany amin’ny fomba manetriketrika.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Sôfônia Mpaminany

Sôf. 3, 14-18e


Haneho ny hafaliany lehibe noho ny aminao ny Tompo.

Mihobia, ry zanakavavin’i Siôna! Manaova feo firavoravoana, ry Israely! Mifalia sy mireharehà amin’ny fonao rehetra, ry zanakavavin’i Jerosalema. Fa ny fitsarana nanameloka anao nesorin’ny Tompo, ny fahavalonao nentiny nihodivitra anao. Ny Tompo, Mpanjakan’i Israely, no eo aminao, ka tsy hahita loza intsony ianao. Amin’izany andro izany, izao no holazaina amin’i Jerosalema: “Aza matahotra, ry Siôna, ary aza miraviravy tanana! Ny Tompo Andriamanitrao no eo aminao, Mpamonjy mahery! Ary Izy haneho ny hafaliany lehibe noho ny aminao; hangina Izy amin’ny fitiavany; noho ny aminao dia hisebiseby amin’ny hobin-kafaliana. Hovorîko ireo latsaka am-pahoriana, tsy mahita fety lehibe hankalazaina”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 12. 2-3. 4bde. 5-6


Fiv.: Miantsoa mafy ary miravoravoa, fa lehibe eo afovoanao ilay Masin’i Israely.

Endrey! Andriamanitra no famonjena ahy: tsy matahotra intsony aho fa matoky! Eny, fa ny Tompo no hery sy tanjako, Izy no famonjena ahy.
Am-piravoravoana ianareo no hanovo amin’ny loharanom-pamonjena, ka izao no ho teninareo amin’izay andro izay:
Derao ny Tompo, antsoy ny Anarany torio ny vahoaka ny asany vaventy, ny haavon’ny Anarany ambarao!
Antsao ny Tompo fa naneho fiamboniana: ataovy antso avo izany eran-tany tontolo. Mientàna, mihobia, ry mponina ao Siôna, fa lehibe eo anivonao ny Masin’i Israely.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy

Fil. 4, 4-7


Akaiky ny Tompo.

Ry kristianina havana, mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo; eny, averiko indray: mifalia e! aoka ho fantatry ny olona rehetra ny hamoram-panahinareo: efa akaiky anie ny Tompo e! Aza manahy na inona na inona; fa ambarao an’Andriamanitra, amin’ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana, izay rehetra ilainareo na amin’inona na amin’inona. Hiaro ny fonareo sy ny sainareo ao amin’i Kristy Jesoa anie ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra ny fahalalana rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo: nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 3, 10-18


Inona àry no hataonay?

Tamin’izany andro izany, nanontanian’ny vahoaka i Joany nataony hoe: “Inona àry no hataonay?” Dia namaly izy ka nanao hoe: “Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ny tsy manana; ary izay manan-kanina dia aoka hanao toy izany koa”. Ary nisy poblikanina nanatona hataony batemy koa, ka nanao taminy hoe: “Inona no hataonay, ry mpampianatra ô?” Dia hoy izy taminy: “Aza mampandoa mihoatra noho izay nasaina alainareo”. Ary nisy miaramila koa nanontany azy hoe: “Ary izahay kosa, inona no mba hataonay?” Dia hoy ny navaliny azy: “Fadio ny fanaovana an-keriny sy ny fitorohana, ary mahaiza mianina amin’izay karamanareo”. Ary raha mbola niandry ny olona, sy samy nisaina tao am-pony fa i Joany angaha no Kristy, dia niteny i Joany ka nanao tamin’izy rehetra hoe: “Izaho manao batemy anareo amin’ny rano, fa avy Ilay mahery noho izaho, ary tsy mendrika hanala ny fehikapany akory aho: Izy no hanao Batemy anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo; eny an-tanany ny fikororohany ary hodioviny ny famoloany, ka ny vary hangoniny ao an-tsompitra, fa ny mololo kosa hodorany any amin’ny afo tsy mety maty”. Fananarana maro hafa koa no nentiny nitory ny Evanjely tamin’ny olona.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, tsy vavaka sy fandraisana Sakramenta ihany no tokony hanomanana ny hahatongavan’ny Mesia, fa fitiavana hita amin’ny asa. Koa angataho Andriamanitra handrisika antsika olombelona rehetra hifankatia, hampandroso ny Fanjakan’i Jesoa Kristy ety an-tany.

Valy: Fenoy ny fitiavanao izahay, ry Tompo.

* Mivavaha ho an’ny Papa sy ny Eveka ary ny Pretra, mba ho hainy mandrakariva ny hanoro ny olona amin’izay tokony hatao hanomanana ny fiavian’i Kristy mifanandrify amin’ny ambaratongam-piainan’ny tsirairay avy.
* Mivavaha isika mba ho tena androm-pifalian’ny mahantra tokoa ity Noely ity. ary mba ho haintsika omanina amim-pitiavana hahazoana izany hafaliana izany koa.
* Maro ny ankizy sy ny tanora tsy mahita hiainana amin’izao fiainana revo amin’ny hita maso, toa lavitra ny tena fahasambarana izao; koa mivavaha mba hanazava azy sy hahitany hevitra, ny Evanjely androany sy ny hafatr’i Joany Batista
* Very maina ny fivavahantsika raha tsy mahatonga antsika ho tena tia ary manompo an’Andriamanitra sy ny olombelona bebe kokoa; koa mivavaha mba hanampy antsika handini-tena sy hahita izay lesoka, izao fiomanana amin’ny Noely izao.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.


Jesoa Tompo ô, ampio izahay hahita mazava izay vato misakana ao aminay sy manodidina anay, hahafahanay mandray Anao Mpamonjy tonga ety an-tany. Omeo hery izahay handresy ny fihatsarambelatsihy sy ny tsy rariny ary ny hery setra mba hiorenan’ny Fanjakanao eo amin’izao tontolo izao.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie ho tontosa soa aman-tsara ity sorom-panompoana ity, ka hiteraka izay vokatra nokendrenao tamin’ny namoronanao azy sy hahazoanay tsy misy tomika ny famonjena.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Fiavian’ny Tompo I na II


Kômonio

Iz. 35, 4

Ilazao ireo very hevitra hoe: «Mahereza fo ary aza matahotra; indro fa ny Andriamanitsika no ho avy ary hamonjy antsika Izy’>.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo mora fo: enga anie izao Kômonio masina izao handio anay ho afaka amin’ny haratsianay ka hanomana anay ho mendrika ilay androm-pifaliana ho avy.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0078