Sorona Masina ny Alahady 28 novambra 2021

ALAHADY VOALOHANY fiavian’ny Tompo – Taona D

HO AVY I KRISTY AMIN’NY FARANDRO

Tononkira fidirana

Sal. 24, 1-3


Any aminao, ry Tompo, no anandratako ny fanahiko! Ianao, ry Andriamanitra no ifefeko: tsy ho azon-kenatra aho, tsy ho resin’ny fahavaloko! Izay rehetra mitady Anao tsy ho azon-kenatra.


Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary: herezo ny fonay mino Anao mba ho masim-piainana izahay hitsena an’i Kristy Ilay ho avy ary ho mendrika ho tonga eo anilany hahazo ny Fanjakan’ny lanitra.

Amin’ny alalan’Izy Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Jeremia Mpaminany

Jer. 33, 14-16


Hampitsimoka solofo mandala ny marina ho an’i Davida Aho.

Indro avy ny andro, teny marin’ny Tompo, hanatanterahako ny teny soa nolazaiko momba ny taranak’i Israely aman-taranak’i Jodà. Amin’izany andro izany, sy amin’izany fotoana izany, hampitsimoka solofo marina ho an’i Davida Aho, izay hitsara araka ny hitsiny sy ny rariny amin’ny tany. Amin’izany andro izany i Jodà, hovonjena ary i Jerosalema handry feizay, ka hantsoina hoe: Tompo-fahamarinantsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 24, 4bd-5ab. 8-9. 10 sy 14


Fiv.: Aminao, ry Iaveh, no asandratro ny fanahiko.

Ny lalanao, ry Tompo, atoroy ahy, ampianaro ahy ny soritrao. Ny fahamarinanao itarihana ahy, Ianao no Andriamanitra Vonjiko.
Tsara sy mahitsy ny Tompo: ny mpanota toroany lalana, ny ory entiny amin’ny marina, asehony azy ireo ny lalany.
Ny lalany: fahamarinana, fitiavana amin’izay mitandrina ny fanekeny. Izay matahotra ny Tompo tsy anafenany: atorony azy ny fanekeny.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônîka

1 Tes. 3, 12 — 4, 2


Hankahery fo anareo ny Tompo, ho amin’ny fahatongavan’i Kristy.

Ry kristianina havana, ny Tompo anie hampitombo sy hampandroso anareo amin’ny fifankatiavanareo, sy amin’ny fitiavanareo ny olona rehetra, tahaka anay aminareo izao! Hankahery ny fonareo anie Izy, ary hiaro azy tsy hanan-tsiny amin’ny fahamasinana eo anatrehan’Andriamanitra Raintsika, ho amin’ny fahatongavan’i Jesoa Kristy Tompontsika mbamin’ny olomasiny rehetra. Amen.

Farany, ry kristianina havana, izao no angatahinay sy ihantanay aminareo ao amin’i Jesoa Tompo: efa nianaranareo taminay izay fitondran-tena mety hankasitrahin’Andriamanitra sady efa arahinareo koa, ka mandrosoa mandrakariva amin’ny fandehanana araka izany. Efa fantatrareo rahateo ny didy nomenay anareo avy amin’i Jesoa Kristy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Asehoy anay, ry Tompo ny famindram-ponao! ary omeo anay ny famonjena avy aminao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 21, 25-28. 34-36


Akaiky ny fanavotana anareo.

Tamin’izany andro izany i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe: “Hisy famantarana eny amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary ety an-tany dia ho ory sy very hevitra ny firenena noho ny fikotrokotroky ny ranomasina sy ny onjany; ho ankona foana ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay loza hanjo an’izao tontolo izao, fa hihozongozona ny herin’ny lanitra. Dia ho hita amin’izay ny Zanak’Olona avy any ambonin’ny rahona amim-pahefana sy voninahitra lehibe. Raha vao miantomboka izany zavatra izany, dia miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo. Tandremo àry fandrao vesaran’ny fihinanan-doatra sy ny fimamoana ary ny fiahiana izao fiainana izao ny fonareo, ka tratrany tonga tampoka aminareo anie izany andro izany e! Fa ho sahala amin’ny fandrika hahavoa ny olona rehetra mitoetra eto ambonin’ny tany izany. Koa miambena àry, ary mivavaha mandrakariva mba ho mendrika ho afaka amin’izany loza rehetra tsy maintsy tonga izany ianareo, ka hitsangana hiseho eo anatrehan’ny Zanak’Olona”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, henontsika tamin’ny tenin’Andriamanitra teo fa tian’ny Eglizy handinika ny fahatongavan’ny Tompo isika; koa fenoy fanantenana sy fitiavana ny fontsika manao izao vavaka izao.

Valy: Tompo ô, tongava eo anivon’ny vahoakanao.

* Adidin’ny Eglizy ny manomana ny fo amam-panahin’ny olombelona, hahatongavan’i Kristy; koa mivavaha mba hotarihin’ny Fanahy Masina izy sy hampiany hahavokatra fahamarinana sy fitiavana erantany.
* Manomana ny hahatongavan’ny Tompo ny mpitondra firenena rehefa miezaka hanao ny rariny sy hanasoa ny olombelona; koa mivavaha mba homen’ny Tompo ny fahazavana ilainy izy.
* Fahavaratra aty amintsika ankehitriny ary mamirifiry any amin’ny tapany avaratry ny tany; koa mivavaha ho an’ireo rovi-damba ririnina sy mosarem-pahavaratra, ny tsy manan-trano hialofana sy ny tsy ampy sakafo.
* Maro ny very finoana, maro ny tsy mahalala an’Andriamanitra no mitady ny marina ao anatin’ny maizina; koa mivavaha mba hitodika azy Andriamanitra, ary hanazava azy eo amin’ny fiainany.
* Amin’izao fanombohan’ny taona ao amin’ny Eglizy izao, dia mivavaha hanarahantsika hatrany ny fiainan’i Jesoa ary hahatsiarovantsika fa eto am-povoantsika Izy sy te ho tonga nofo ao amintsika tsirairay avy.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Tompo ô, efa eto amin’izao tontolo izao Ianao: ao amin’ny Eglizy, ao aminay mino Anao; ka ampio izahay manomana ny Noely izao, mba hitombo fitiavana ka hahitana bebe kokoa hatrany fa eto aminay Ianao, Ilay velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, raiso ny fanatitray nofantenana tamin’ny zava-tsoa avy aminao, ka enga anie ny vavakay mba hahasoa anay eto an-tany no sady hampahazo ny fanavotana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay . Amen.


Prefasy: Fiavian’ny Tompo I.


Kômonio

Sal. 84, 13

Ny Tompo no handrotsaka ny soa ka hahabe vokatra ny tany.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hahasoa anay ny mistery nankalazainay, fa namboarinao dieny izao ho anay mivahiny eto anivon’ny zava-mandalo mba hankafizanay ny zavatry ny lanitra, ary hifikiranay amin’ny harena maharitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1114