Sorona Masina ny Zoma 12 novambra 2021

Herinandro faha-32 mandavantaona

ZOMA

 

Tononkira fidirana

Sal. 87, 3

 

Ho tonga eo anoloanao anie ny fivavahako; manongilàna sofina amin’ny antsoko, ry Tompo!

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, mba esory lavitra anay izay rehetra manampontsampona anay, ka rahefa afa-doza ny fanahy amam-batanay dia ho afaka manatontosa an-tsakany sy an-davany ny adidy rehetra aminao izahay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasy Faharoan’i Md. Joany Apôstôly

2 Jo. and. 4-9

 

Izay mitoetra amin’ny fampianarana no manana ny Ray sy ny Zanaka.

Faly dia faly aho, fa nahita ny zanakao sasany mandeha amin’ny fahamarinana, araka ny didy noraisintsika tamin’ny Ray. Ary ankehitriny, mihanta aminao aho, tompokovavy, — tsy toy ny manoratra didy vaovao aminao, fa ny efa azontsika hatramin’ny voalohany ihany — aoka hifankatia isika. Ny fitiavana dia izao: ny mandeha araka ny didiny; ary ny didiny araka ny renareo hatramin’ny voalohany, dia izao: ny mandeha amin’ny fitiavana. Fa maro no efa mitsangana ho mpamitaka amin’izao tontolo izao, izay tsy manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo i Jesoa Kristy; ireny no mpamitaka sy antikristy. Tandremo àry, mba tsy hanafoana ny fisasaranay, fa mba handray valisoa tanteraka ianareo. Izay rehetra tafahoatra fa tsy mitoetra amin’ny fampianaran’i Kristy dia tsy manana an’Andriamanitra; fa izay mitoetra ao amin’ny fampianarana no manana ny Ray sy ny Zanaka.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 118, 1-2. 10-11. 17-18

 

Fiv.: Sambatra izay mizotra amin’ny lalan’ny Tompo.

Sambatra izay madio famindra, fa mizotra amin’ny lalan’ny Tompo! Sambatra izay mitandrina ny fanambaràny, sy mitady azy amin’ny fony tontolo!
Mitady Anao amin’ny foko tontolo aho, koa aza avela handao ny baikonao! Raketiko ato am-poko ny didinao, mba tsy hanotako aminao.
Asio soa itý izaho mpanomponao; ka ho velona sy hitandrina ny teninao! Alao tampina ny masoko hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Bokin’ny Fahendrena

Fahendrena 13, 1-9

 

Raha nahazo fahalalana an’izao tontolo izao izy, ahoana no tsy nahalalany moramora kokoa ny Andriamanitra nanao azy?

Tena toetra adala ny an’ny olona rehetra tsy nahalala an’Andriamanitra, ka ny soa hita maso tsy nahaizany hahalala an’Ilay Misy ho azy, ary ny fandinihana ny asa nataony tsy nahaizany hahafantatra an’Ilay Mpanao azy. Fa ny afo, ny rivotra, ny aera mihetsiketsika, ny fanilon’ny lanitra, ny faribolan’ny kintana, ny rano mirimorimo, no nataony ho andriamanitra mitondra izao rehetra izao. Raha renoky ny hatsaran-tarehin’ireo izy ka nanao ny zava-boaary ho andriamanitra, dia aoka ho fantany fa mihoatra lavitra noho ireny ny Tompo, fa ny Mpamorona ny hatsaran-tarehy no nanao an’ireny. Ary raha ny hery sy ny vokatra avy aminy no igagany, aoka ho fantany amin’izany ny halehiben’ny fahefan’izay nanao an’ireny. Satria ny fahamboniana sy ny hatsaran-tarehin’ny zava-boaary, dia mampahafantatra Ilay Mpahary azy noho ny fifanahafan’izy roa tonta.

Nahazo tsiny kely anefa izy ireo, satria naniasia ihany angamba izy, tamin’ny fitadiavana an’Andriamanitra amam-paniriany hahita Azy. Mandinika ny asany izy ireo, ka izany no fototry ny fikarokarohany, ary matoky foana ny fisehoan-javatra fa aoka izany ny hatsaran-tarehin’izay hitany. Amin’izany anefa, tsy afa-tsiny kosa izy ireo, satria, raha nahazo fahalalana ampy izy, mba hahalalany an’izao tontolo izao, dia ahoana kosa no tsy nahalalany moramora kokoa ny Tompo?

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 18, 2-3. 4.5

 

Fiv.: Ny lanitra mitanisa ny voninahitr’Andriamanitra.

Ny lazan’ny Tompo ambaran’ny lanitra. Ny asany kosa torìn’ny habakabaka, ny andro milaza amin’ny andro manaraka, ny alina indray mitantara amin’ny alina.
Tsy teny lazainy, tsy volana ambarany, tsy feo mba manako horenesin’ny sofina: kanefa dia tsinjo eran-tany ny baikony; miely tsy tana ny hafatra entiny.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aletoia.

Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 17, 26-37

 

Toy izany koa no hiseho amin’ny andron’ny Zanak’Olona.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Toy ny niseho tamin’ny andron’i Nôe no hiseho koa amin’ny andron’ny Zanak’Olona: nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoa-jazavavy, mandra-pahatongan’ny andro nidiran’i Nôe tao amin’ny sambo fiara, dia tonga ny safodrano ka nandringana azy rehetra. Ary koa tahaka ny tamin’ny andron’i Lôta: nihinana sy nisotro ny olona, nividy sy nivarotra, ary namboly sy nanao trano; fa tamin’ny andro nivoahan’i Lôta tao Sôdôma kosa, nisy afo sy solifara avy any an-danitra nilatsaka nandringana azy rehetra. Dia ho tahaka izany koa amin’ny andro hisehoan’ny Zanak’Olona.

Amin’izany andro izany, izay any ambony tafon-trano aoka tsy hidina haka ny fananany ao an-tranony; toy izany koa, izay any an-tsaha, aoka tsy hiverina haka izay nilaozany. Tsarovy ny vadin’i Lôta! Izay hitady hamonjy ny ainy, dia hahavery azy, fa izay hahafoy azy no hamonjy azy. Lazaiko aminareo fa amin’izany alina izany, amin’ny olona roa lahy miray fandriana, ny iray horaisina ary ny iray havela; amin’ny olona roa vavy miara-manodina fikosohan-dafarinina, ny iray horaisina ary ny iray havela; ary amin’ny olona roa lahy izay eny an-tsaha, ny iray horaisina ary ny iray havela.” Dia namaly izy ireo ka nanao taminy hoe: “Ho aiza Tompoko?” Ary hoy Izy taminy: “Amin’izay hitoeran’ny faty no hiangonan’ny voromahery.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Tompo ô, topazo maso miantra ireto fanatitra ireto fa ankalazanay ny nijalian’ny Zanakao; ka fo feno fitiavana anie no handraisanay ny hasina avy aminy.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 22, 1-2

Ny Tompo no Mpiandry ahy: tsy misy mahaory ahy; ampiraotiny amin’ny vilo-maitso aho, entiny amin’ny rano manala sasatra.

 

na hoe :

Lk. 24, 35

I Jesoa Tompo namaky ny mofo no nahafantaran’ny mpianany Azy.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Velom-pisaorana Anao izahay, ry Tompo, fa nofahananao tamin’ny fanomezana masina, koa mihanta aminao; enga anie hirotsaka aminay ny Fanahinao ary hahitsy fo hatrany izahay fa efa nandray ny hery avy any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0083