Sorona Masina ny Alahady 31 oktobra 2021

ALAHADY FAHA-31 mandavantaona — B

NY DIDY HO ANTSIKA DIA HOE: TIAVA

Tononkira fidirana

Sal. 37, 22-23

Aza ilaozanao aho, ry Tompo Andriamanitro; aza manalavitra ahy, faingàna hanampy ahy, ry Tompo Mpamonjiko!

 

Asiana VONINAHITRA ANIE...

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy be indrafo ô, Ianao no ahafahan’ny mpino manompo Anao araka ny mendrika Anao; koa mihanta aminao izahay: aza avela ho solafa-mamindra eo am-piezahana hahazo ny soa nampanantenainao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Deterônômy

Det. 6, 2-6

Mihainoa, ry Israely: Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo.

Tamin’izany andro izany, niteny tamin’ny vahoaka i Môizy nanao hoe: «Matahora an’Andriamanitra Tomponao ianao sy ny zanakao ary ny zanaky ny zanakao, ary tandremo ny didy aman-dalàny rehetra nandidiako anao, amin’ny andro rehetra hiainanao, mba hohalavaina ny andronao. Koa henoy izany, ry Israely, ary mitandrema ny mba hanatanteraka izany, mba ho sambatra sy hitombo isa be ianao, any amin’ny tany tondra-dronono aman-tantely; araka ny nolazain’ny Tompo Andriamanitry ny razanao anao. Mihainoa, ry Israely: Ny Tompo Andriamanitsika, dia Izy ihany no Tompo. Tiava ny Tompo Andriamanitrao, amin’ny fonao manontolo sy amin’ny fanahinao manontolo. Aoka ho ao am-ponao izao didy omeko anao anio izao».

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 17, 2-3a. 3bd-4. 47 sy 51ab.

 

Fiv. : Mamiko Ianao, ry Tompo, fa heriko!

Mamiko Ianao, ry Tompo, fa heriko, Tompo vatolampiko, toera-mafy ho ahy, Andriamanitra Mpanafaka, haram-bato fialofana.
Ampinga, famonjena mahery, fiarovana-avo ho ahy.
Dera ho an’ny Tompo, hoy aho, fa voavonjy amin’ny rafiko aho! Veloma ny Tompo! Hisaorana ny vatolampiko!
Hasandratra ilay Andriamanitra mampandresy. Omeny fandresen-dehibe ny Mpanjakany, anehoany fitiavana ilay Nohosorany.

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio

Heb. 7, 23-28

 

Maharitra mandrakizay i Kristy, ka manana fisoronana tsy manam-pifandiasana.

Ry kristianina havana, maro no natao mpisorona tamin’ny Testamenta taloha satria tsy navelan’ny fahafatesana haharitra; fa i Kristy kosa maharitra mandrakizay, ka manana fisoronana tsy manam-pifandiasana. Noho izany koa, dia mahavonjy marimarina izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy ireo. Eny tokoa, dia Mpisorombe toy izao no sahaza antsika: masina, tsy manan-tsiny, tsy misy pentina, voàvaka amin’ny mpanota, voasandratra avo noho ny lanitra; ary tsy mila hanolotra sorona isan’andro toy ny mpisorombe hafa ho an’ny fahotan’ny tenany aloha, dia ho an’ny vahoaka koa, fa indray mandeha monja Izy no nanao izany tamin’ny nanolorany ny Tenany, dia ampy. Satria olona zoim-pahalemena no atsangan’ny Lalàna ho mpisorombe: fa ny tenin’ny fianiànana taorian’ny Lalàna kosa dia nanendry ny Zanaka, Izay tonga amin’ny fara fanaperana mandrakizay.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia. (Joany 14, 23)

Raha misy tia Ahy, hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko; ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 12, 28b-34

Izany no didy voalohany. Ary ny faharoa dia mitovy aminy ihany koa.

Tamin’izany andro izany, nisy mpanora-dalàna nanatona an’i Jesoa ka nanontany Azy izay voalohany amin’ny didy rehetra. Ary i Jesoa namaly azy hoe: “Ny voalohany indrindra amin’izy rehetra dia ity: Mihainoa, ry Israely: ny Tompo Andriamanitsika no hany Tompo tokana; koa tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo, sy amin’ny fanahinao manontolo, sy amin’ny sainao manontolo, ary amin’ny herinao manontolo. Izany no didy voalohany. Ary ity no faharoa mitovy aminy ihany koa: Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao. Tsy misy didy lehibe mihoatra noho ireo”. Dia hoy ilay mpanora-dalàna taminy: “Tsara izany, ry Mpampianatra, marina indrindra ny nilazanao fa tokana Andriamanitra, ary tsy misy afa-tsy Izy, ka ny tia Azy amin’ny fo manontolo, sy amin’ny fanahy manontolo, ary amin’ny hery manontolo, ary ny tia namana tahaka ny tena, dia lehibe lavitra noho ny sorona dorana rehetra, sy ny fanatitra hafa rehetra”. Nony hitan’i Jesoa fa namaly tamim-pahendrena izy, dia hoy Izy taminy: “Tsy lavitra ny Fanjakan’Andriamanitra ianao”. Ary hatramin’izay dia tsy nisy olona sahy nanontany Azy intsony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, ampahatsiahivin’i Jesoa antsika anio ny votoatin’ny Lalàna hoe: tia an’Andriamanitra hoatra ny Ray ary tia ny olombelona toy ny iray tam-po: didy io, fa didy ahazoana fahasambarana; koa mangataha amin’Andriamanitra mba hitantanany ny olombelona hankamin’izany lalana fahamarinana sy fiainana izany.

Valy: Tantano hahalala ny Ray izahay Tompo ô.

* Ny Eglizy no iraka voalohany hanoro ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiavana ny namana; koa mivavaha mba hitombo hatrany ireo mihaino ny feony sy hanaraka ny ohatra omeny amin’izao androntsika izao.
* Adidy miandry ny mpitondra fanjakana rehetra ny mitarika ny vahoaka ho tia an’Andriamanitra sy hifankatia; koa angataho ny Tompo mba hankahery azy sy hanampy azy amin’izany adidiny izany.
* Mivavaha ho an’ireo mila ho voan’ny fakam-panahy hanadino ny namana eo am-panompoana an’Andriamanitra, na hanadino an’Andriamanitra eo am-panompoana ny namana.
* Ny mahantra: be no menatra; ny marary: maro no tsy sahy miantso vonjy; ny kivy: be no tsy sahy mitaraina; koa mivavaha mba hotahin’Andriamanitra izy ireny ary tsy hafoin’ny mpiara-belona.
* Raha tena tia an’Andriamanitra isika, dia hahay hiteny momba Azy; ary raha tena tia namana, dia hahay hamantatra izay ilainy; koa mifampivavaha mba samy hahavita ireo adidy roa ireo.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.

 

Tompo ô, atoronao anay matetika ny didinao hoe: Tiava, fa izahay no osa ary be fitiavan-tena; koa ampio ny fahasoavanao hahatontosànay ny didinao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Ho fanatitra madio mendrika Anao anie, ry Tompo, izao Sorona izao; ary ho loharano tsy ritra hanovozana ny famindram-ponao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Alahady tsotra VII, ohatra.

 

Kômonio

Sal. 15, 11

Ny lalan’ny fiainana no natoronao ahy; ka henika ny hafaliana aho, eo anatrehanao, ry Tompo.

 

na hoe:

Jo. 6, 58

Hoy ny Tompo hoe: Tahaka Ahy nirahin’ny Ray Izay velona ka velona amin’ny Ray, no hahavelona amiko an’izay mihinana Ahy.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hitombo ao aminay ny hasin’ny herinao; ary havaozy amin’ny Sakramentanao izahay dia ho vonona hahazo ny soa nampanantenainao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0207