Sorona Masina ny Asabotsy 30 oktobra 2021

Herinandro faha-30 mandavantaona

SABOTSY


Tononkira fidirana

Sal. 105, 3-4


Miravoa ianareo mitady ny Tompo. Katsaho ny Tompo, dia hahery ianareo. Tadiavo lalandava ny hahita ny tavany.


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ampio izahay hitombo finoana sy fanantenana ary fitiavana, ary ataovy mankamamy ny didinao hahamendrika anay hahazo ny soa nampanantenainao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy

Fil. 1, 18b-26


I Kristy no ahavelomako, ary ny fahafatesana no ahazoako tombony.

Ry kristianina havana, rahefa i Kristy no torìna, na amim-pihatsarambelatsihy izany, na amin-kitsim-po, dia mahafaly ahy izany, ary mbola hahafaly ahy koa aza. Satria fantatro fa hody ho famonjena ahy izany, noho ny fivavahanareo sy noho ny fitahian’ny Fanahin’i Kristy; tsy izany ihany, fa manantena sy matoky aho fa tsy hahazo henatra na amin’inona na amin’inona, fa mainka ho feno ny fahasahiako, ka na dia ankehitriny aza, toraka ny mandrakariva koa, dia homem-boninahitra amin’ny tenako i Kristy, na velona aho na maty. Satria raha ny amiko, dia i Kristy no ahavelomako, ary ny fahafatesana no ahazoako tombony. Raha mbola velona amin’ny nofo anefa aho, dia ho fahavokaran’ny asako izany, ka tsy hitako izay hofidiko, fa sanganehana eo anelanelan’izy roa ireo aho: ny handeha ho any amin’i Kristy moa, irìko sy tsara lavitra: nefa ny hitoetra amin’ny nofo kosa no ilaina kokoa noho ny aminareo. Ary izany indrindra no ampoiziko sy fantatro, dia ny hitoetra sy haharitra eo aminareo rehetra, mba hahazoanareo fandrosoana sy fifaliana amin’ny finoanareo. Ka dia hitombo ao amin’i Kristy Jesoa ny reharehanareo noho ny amiko, amin’ny hankanesako atý aminareo indray.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 41, 2. 3. 5bde.


Fiv.: Ny fanahiko mangetaheta an’Andriamanitra, Ilay Andriamanitra velona.

Mova tsy serfa ’zay lian-doharano ny foko efa liana ny Tompoko? Mangetaheta ny Tompo ny foko, d’ilay Andriamanitra velona!
Mba rahoviana aho re no handroso hiseho anoloan’Andriamanitra? Zary sakafoko ny ranomaso, indrisy isan’andro isan’alina!
‘Zany aho fahiny raha niakatra an-drova. Hihaona amy Tompo Andriamanitro! Drey ny hafaliako eo anivom-bahoaka, nandredona hiram-pisaorana.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm. 11, 1-2a. 11-12. 25-29


Raha ny fanariana azy no fampihavanana an’izany zavatra izany, hanao ahoana ny fandraisana azy: Tsy ho fitsanganan-ko velona va?

Ry kristianina havana, moa dia narian’Andriamanitra va ny olony? Sanatria izany! Fa izaho koa dia Israelita, taranak’i Abrahama, sy fokon’i Benjamina, ka tsy narian’Andriamanitra ny olony, izay efa fantany rahateo. Koa hoy izaho: Moa dia tafintohina, ka lavo tsy ho tafarina intsony va izy ireo? Sanatria izany! Fa ny fahalavoany no nahatonga famonjena ho an’ny jentily, mba hahavelom-pialonana an’i Israely. Koa raha ny fahalavoany no tonga herin’izao tontolo izao, ary ny nihenàny no zary haren’ny jentily, hanao ahoana re ny hafenoany? Fa mba tsy hanaovanareo ny tenanareo ho hendry, dia tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry havana, izao zava-miafina izao: nilatsaka amin’ny hajambana ny sasany amin’i Israely, mandra-piditry ny hafenoan’ny jentily. Ary amin’izany dia ho voavonjy avokoa i Israely rehetra, araka ny voasoratra hoe: Hivoaka avy ao Siôna ny Mpanafaka, ka hanesotra ny tsy fahamarinana rehetra amin’i Jakôba, dia ho tanteraka amin’izany ny fanekena nataoko tamin’izy ireo, rahefa voaesotra ny fahotany. Raha amin’ny Evanjely, dia mbola fahavalo izy noho ianareo; fa raha amin’ny fifidianana kosa, dia malala izy noho ny razany; satria tsy misy anenenany ny fanomezan-tsoa sy ny fiantsoan’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 93, 12-13a. 14-15. 17-18


Fiv.: Fa ny Tompo tsy hahafoy ny vahoakany.

Sambatra ny olona izay anarinao, ry Tompo, sy ampianarinao ny Lalànao, mba tsy hanahiany amin’ny andro fahoriana.
Fa ny Tompo tsy hahafoy ny vahoakany, na handao ny lovany, ka ny olo-marina hahazo ny rariny, ny mahitsy fo no handresy lahatra.
Raha tsy ny Tompo no namonjy ahy, poatoizay ilay toera-mangina no ho fonenako! Vao Lasa ny teniko hoe: Mibolisatra ny tongotro! ny hatsaram-ponao, ry Tompo, no avy hananty!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny Teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 14, 1. 7-11


Izay manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.

Indray sabata, raha niditra hisakafo tao an-tranon’ny loholon’ny Farisianina anankiray i Jesoa dia nitsikilo Azy izy ireo. Ary nony hitan’i Jesoa ny hamaizan’ny olona nasaina naka ny fitoerana voalohany, dia nanao itý fanoharana itý tamin’izy ireo Izy nanao hoe: “Raha asaina amin’ny fampakaram-bady ianao, aza mipetraka amin’ny fitoerana voalohany, fandrao misy olona nasaina ambony toetra noho ianao, ka ho avy izay nanasa anao sy izy, hilaza aminao hoe: ‘Omeo an’itý ny fitoeranao’, ary amin’izay, dia ho menatra ianao hifindra arý amin’ny fitoerana farany. Fa raha asaina ianao, dia any amin’ny fitoerana farany mipetraka, ka raha tonga izay nanasa anao, dia hilaza aminao hoe: ‘Mandrosoa, ry sakaiza etsy alohaloha kokoa’; amin’izay dia hahazo voninahitra eo imason’izay rehetra hiara-mihinana aminao ianao. Fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Topazo maso, ry Tompo, ireto fanatitra atolotray Anao Avo indrindra, ka ny voninahitrao anie no ho voalohany kendrenay amin’ny fanompoam-pivavahana ataonay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 19, 6

Novonjenao izahay ka hihoby Anao sy hirebika amin’ny Anaranao Andriamanitray.


na hoe:

Ef. 5, 2

Tia antsika i Kristy ary nahafoy ny ainy ho antsika; nanolotra ny tenany tamin’Andriamanitra ho sorona mamerovero.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Ho tanteraka aminay anie, ry Tompo, izay ambaran’ny Sakramentanao, ka ny ankalazainay amin’ny endri-javatra ankehitriny anie mba tena ho azonay any ankoatra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1087