Sorona Masina ny Zoma 29 oktobra 2021

Herinandro faha-30 mandavantaona

ZOMA


Tononkira fidirana

Sal. 105, 3-4


Miravoa ianareo mitady ny Tompo. Katsaho ny Tompo, dia hahery ianareo. Tadiavo lalandava ny hahita ny tavany.


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ampio izahay hitombo finoana sy fanantenana ary fitiavana, ary ataovy mankamamy ny didinao hahamendrika anay hahazo ny soa nampanantenainao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy

Fil. 1, 1-11


Izay nanomboka asa soa tao aminareo dia hahatanteraka izany hatramin’ny andron’i Kristy.

I Paoly sy i Timôte, mpanompon’i Jesoa Kristy, mamangy ny olona masina rehetra ao amin’i Kristy Jesoa, mbamin’ny pretra sy ny diakra any Filipy: ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo. Misaotra an’Andriamanitra isaky ny mahatsiaro anareo aho; ary mivavaka an-kafaliana isaky ny mivavaka ho anareo rehetra, noho ny firaisanareo hampandroso ny Evanjely, hatramin’ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny; sady matoky aho fa izay nanomboka izany asa soa indrindra izany tao aminareo, dia hanatanteraka izany mihitsy hatramin’ny andron’i Jesoa Kristy. Ary rariny ny hiheverako anareo rehetra toy izany, satria efa mby ato am-poko ianareo rehetra, noho ianareo rehetra mpiombona ny fahasoavana ananako, na amin’ny fifatorako, na amin’ny fampandreseko lahatra sy fanamafisako orina ny Evanjely. Fa Andriamanitra no vavolombelona fa manina anareo rehetra ao am-pon’i Kristy Jesoa indrindra aho. Ary izao no angatahiko aminy, dia ny hitombo bebe kokoa hatrany hatrany amin’ny fahaizana amam-pahalalana rehetra ny fitiavanareo, mba hamantaranareo izay tsaratsara kokoa, dia ho madio sy tsy manan-tsiny mandra-piavin’ny andron’i Kristy ianareo, ary feno ny vokatry ny fahamarinana avy amin’i Jesoa Kristy, ho voninahitra sy fiderana an’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 110, 1-2. 3-4. 5-6


Fiv.: Lehibe ny asan’ny Tompo.

Izaho midera ny Tompo amin’ny foko tontolo am-pivorian’ny olo-marina sy am-piangonam-be! Lehibe ny asan’ny Tompo, mampisaina izay rehetra tia Azy.
Voninahitra sy fiamboniana no vitan’ny Tompo; maharitra mandrakizay ny fahamarinany. Nahefa zava-mahagaga tsy very tadidy Izy. Mangoraka sy antra ny Tompo.
Manome hanina ny matahotra Azy Izy, fa mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay. Naneho asa mahery tamin’ny vahoakany Izy, fa nanome azy ny Lovan’ireo firenena.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm. 9, 1-5


Nirìko ny ho voaozona hamonjeko ny rahalahiko.

Ry kristianina havana, milaza ny marina ao amin’i Kristy aho, ka tsy mandainga, ary ny Fanahy Masina sy ny hitsim-poko no vavolombeloko, fa malahelo mafy aho, ory lalandava ny foko, satria saiky nirìko aza ny ho voaozona ho lavitra an’i Kristy ny tenako, hamonjeko ny rahalahiko izay havako araka ny nofo, dia ireo Israelita, izay manana ny fananganan-janaka, sy ny voninahitra sy ny fanekena, sy ny Lalàna, sy ny fombam-pivavahana, ary ny fampanantenana; azy koa ny Patriarka, sady avy aminy araka ny nofo i Kristy, izay ambonin’ny zavatra rehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay. Amen.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 147, 12-13. 14-15. 19-20


Fiv.: Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema.

Ry Jerosalema aoka ianao hiantsa! Derao Andriamanitra, ry Siôna! Ilay manamafy ny vavahady, miahy ireo ankizy ao anatinao.
Miantoka anao handry fehizay, manetsaka anao mena-bary kanto; mandefa ny didiny ho etý an-tany, dia teny miriotra tsy hay tohaina.
Nametraka ny hafany ho an’i Jakôba, ny didiny aman-tsatany ho an’i Israely! Tsy misy olon-kafa nomeny izany. Ny satany manko nafeniny azy.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleioia.

Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 14, 1-6


Raha latsaka amin’ny fantsakana lalina ny ampondra na ny ombinareo, iza aminareo no tsy hanafaka azy na dia sabata aza ny andro?

Indray sabata, raha niditra hisakafo tao an-tranon’ny loholon’ny Farisianina anankiray i Jesoa, dia nitsikilo Azy izy ireo. Ary indro nisy lehilahy anankiray manirano teo anatrehany. Dia niteny i Jesoa ka nanao tamin’ny mpampianatra ny Lalàna sy ny Farisianina hoe: “Azo atao ve ny manasitrana amin’ny andro sabata?” Fa tsy niteny tsy nivolana izy ireo. Dia noraisin’i Jesoa tamin’ny tanany kosa ralehilahy ka nositraniny ary nalefany handeha, izay Izy vao nilaza tamin’izy ireo hoe: “Raha latsaka amin’ny fantsakana lalina ny ampondra na ny ombinareo, iza aminareo no tsy hanafaka azy faingana na dia sabata aza ny andro?” Fa tsy nanan-kavaly an’izany izy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Vavaka Fanolorana

Topazo maso, ry Tompo, ireto fanatitra atolotray Anao Avo indrindra, ka ny voninahitrao anie no ho voalohany kendrenay amin’ny fanompoam-pivavahana ataonay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 19, 6

Novonjenao izahay ka hihoby Anao sy hirebika amin’ny Anaranao Andriamanitray.


na hoe:

Ef. 5, 2

Tia antsika i Kristy ary nahafoy ny ainy ho antsika; nanolotra ny tenany tamin’Andriamanitra ho sorona mamerovero.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Ho tanteraka aminay anie, ry Tompo, izay ambaran’ny Sakramentanao, ka ny ankalazainay amin’ny endri-javatra ankehitriny anie mba tena ho azonay any ankoatra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0084