Sorona Masina ny Alakamisy 28 oktobra 2021

Herinandro faha-30 mandavantaona

ALAKAMISY


Tononkira fidirana

Sal. 105, 3-4


Miravoa ianareo mitady ny Tompo. Katsaho ny Tompo, dia hahery ianareo. Tadiavo lalandava ny hahita ny tavany.


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ampio izahay hitombo finoana sy fanantenana ary fitiavana, ary ataovy mankamamy ny didinao hahamendrika anay hahazo ny soa nampanantenainao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy

Efez. 6, 10-20


Raiso ny fiadian’Andriamanitra, dia hijoro tsara ianareo.

Ry kristianina havana, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny heriny mahefa ny zavatra rehetra. Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra, dia tsy hiraika amin’izay fanangolen’ny demony akory ianareo. Fa tsy amin’ny nofo aman-dra no iadiantsika, fa amin’ny fifehezana, amin’ny fahefana, amin’ny andrian’izao tontolo maizina izao, amin’ny fanahy ratsy eny ambony eny. Koa raiso avokoa àry ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo manohitra amin’ny andro ratsy, dia hijoro tsara ianareo rahefa niala nenina. Aza miraika, fa sikino fahamarinana ny andilanareo, tafio ny rariny ho fiarovan-tratra, kiraroy fahavononan-kitory ny Evanjelim-pihavanana ny tongotrareo; fanampin’ireo rehetra ireo, dia ny finoana no raiso ho ampinga hamonoanareo ny tsipîka afo rehetra alefan’ilay Ratsy. Raiso koa ny fanantenam-pamonjena ho fiarovan-doha, ary ny tenin’Andriamanitra ho sabatry ny fanahy. Ataovy lalandava ao amin’ny Fanahy ny fangatahana amam-pifonana rehetra, amin’izany dia miambena amin’ny faharetana rehetra, sy amin’ny fivavahana ho an’ny olona masina rehetra; dia ho ahy koa, mba homena ahy ny hiloa-bava an-kasahiana, hampahafantatra ny hevi-miafina ambaran’ny Evanjely, (izay anaovako ny raharahan’ny ambasadaoro eo am-pigadrana) dia hitory azy tsy amin-tahotra araka izay mety hataoko aho.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 143, 1. 2. 9-10


Fiv.: Isaorana ny Tompo, Vatolampiko!

Isaorana ny Tompo Vatolampiko, Ilay mampianatra ny tanako hamely; ny sandriko hiady.
Ilay Fialofako sy toera-mafy ho ahy, fiarovana avo ho ahy sy mpanafaka ahy! Ilay ampinga sy aroko, mampietry vahoaka maro ho eo ambaniko!
Andriamanitra ô! hira vao no hiraiko aminao! Valiha tory folo no iantsàko Anao! Ianao ilay manome fandresena ny mpanjaka, sy manafaka an’i Davida mpanomponao.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm. 8, 31b-39


Tsy misy zava-boaary hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy.

Ry kristianina havana, raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika? Izy tsy nandala ny tena Zanany, fa nahafoy Azy ho antsika rehetra, ka ahoana no tsy hanomezany antsika ny zavatra rehetra koa miaraka aminy? Iza no hiampanga an’izay voafidin’Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy ka zovy no hanameloka? Moa i Kristy va, Ilay efa maty, fa nitsangan-ko velona, sy mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika? Koa iza àry no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy? Fahoriana va, sa fahaterena, sa fanenjehana, sa fahanoanana, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra? Araka ny voasoratra hoe: Ianao no amonoana anay isan’andro: mova tsy ny ondry famono no fihevitry ny olona anay. Amin’izany rehetra izany anefa, dia mihoatra noho ny mpandresy isika, amin’ny alalan’Ilay tia antsika. Satria matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na Anjely na ireo fifehezana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na ireo fahefana, na ny any ambony, na ny any ambany, na zava-boaary hafa, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 108, 21-22. 26-2 7. 30-31


Fiv.: Vonjeo araka ny hatsaram-ponao aho, ry Tompo.

Fa Ianao, ry Tompo, manasoava noho ny Anaranao! Manafaha araka ny hasoan’ny hatsaram-ponao: fa mahantra sy mijaly aho, ory fo ato anatiko.
Ampio aho, ry Tompo Andriamanitro! Vonjeo araka ny hatsaram-ponao! Aoka ho fantany fa ny tananao izao; fa Ianao, ry Tompo, no nanao an’izao.
Fa izaho hisaotra ny Tompo eran’ny fo, eran’ny vava; sy hidera Azy eo afovoan’olo-maro: noho Izy mijoro ankavanan’ny mahantra, mba hamonjy azy amin’izay manameloka!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra, mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 13, 31-35


Tsy mety raha mpaminany ka dia vonoina any ivelan’i Jerosalema.

Tamin’izany andro izany, dia nisy Farisianina sasany nanatona an’i Jesoa, ka nanao taminy hoe: “Mandehana miala eo Ianao, fa tadiavin’i Herôda hovonoina.” Dia hoy Izy tamin’ireo: “Mandehana lazao amin’izany amboadia izany hoe: Indro mandroaka demony sy manasitrana marary Aho anio sy rahampitso, fa amin’ny andro fahatelo vao ho tanteraka ny amiko. Kanefa tsy maintsy tohiziko ihany ny diako anio sy rahampitso ary rahafakampitso; satria tsy mety raha mpaminany ka dia hovonoina ivelan’i Jerosalema. Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina aminao, impiry re no nitadiavako hamory ny zanakao tahaka ny reniakoho mambomba ny zanany eo ambany elany, fa tsy nety ianareo! Ary indro fa avela aminareo ny tranonareo. Fa lazaiko aminareo fa tsy hahita Ahy intsony ianareo ambara-pilazanareo hoe: Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Topazo maso, ry Tompo, ireto fanatitra atolotray Anao Avo indrindra, ka ny voninahitrao anie no ho voalohany kendrenay amin’ny fanompoam-pivavahana ataonay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 19, 6

Novonjenao izahay ka hihoby Anao sy hirebika amin’ny Anaranao Andriamanitray.


na hoe:

Ef. 5, 2

Tia antsika i Kristy ary nahafoy ny ainy ho antsika; nanolotra ny tenany tamin’Andriamanitra ho sorona mamerovero.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Ho tanteraka aminay anie, ry Tompo, izay ambaran’ny Sakramentanao, ka ny ankalazainay amin’ny endri-javatra ankehitriny anie mba tena ho azonay any ankoatra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0083