Sorona Masina ny Zoma 22 oktobra 2021

Herinandro faha-29 mandavantaona

ZOMA


Tononkira fidirana

Sal. 16, 6. 8


Tompo ô, miantso aho, ka valio: atongilano ny sofinao ka henoy aho! Ambeno toy ny anakandriamaso aho; alofy ao ambany elatrao.


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ataovy miraiki-po lalandava aminao izahay, hanompo Anao avo indrindra amin’ny fonay tokoa.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy

Efez. 4, 1-6


Tsy misy afa-tsy tena iray, Tompo iray, finoana iray, Batemy iray.

Ry kristianina havana, mangataka aminareo aho, dia izaho izay an-tranomaizina noho ny amin’ny Tompo mba hanao fitondran-tena mendrika ny fiantsoana niantsoana anareo ianareo, amin’ny fanetren-tena sy halemem-panahy rehetra, amin’ny fahari-po, amin’ny fifandeferana, amim-pitiavana; mikeleza aina hitana ny firaisam-po amam-panahy akamban’ny fihavanana; fa tsy misy afa-tsy tena iray, sy Fanahy iray, araka ny niantsoana anareo ho amin’ny fanantenana iray; tsy misy afa-tsy Tompo iray, finoana iray, Batemy iray, ary Andriamanitra iray, izay Rain’izy rehetra, ambonin’izy rehetra, manerana azy rehetra, ary ao anatin’izy rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 23, 1-2. 3-4ab. 5-6


Fiv.: Indreto ny dimbin’ireo izay nizaha ny endrikao, ry Tompo.

Ny tany, ny hareny, Azy Tompo avokoa. Dia izao rehetra izao ary izay monina ao. Naoriny ambonin’ny rano izy ireny. Napetrany tsara eo ambonin’ny ony.
Koa zovy no hiakatra hihaona amy Tompo; hanorim-ponenana an-toerany masina. Ny olon-tsy meloka, ny olo-mahitsy, sy izay tsy mianiana tsy tò amin’ny hafa.
Dia izy no hany hotsofina rano, ny Tompo Mpamonjy hanome rariny azy. Fa izy no dimbin’ireo izay nizaha ny endrik’ilay Andriamanitra Tompo.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm. 7, 18-25a


Iza re no hanafaka ahy amin’itý vatam-pahafatesana itý?

Ry kristianina havana, fantatro fa tsy mitoetra ato amiko ny tsara, izany hoe tsy ato amin’ny nofoko; ny fikasana fotsiny no ato amiko, fa tsy ny manatanteraka ny tsara, satria tsy ny tsara izay tiako no ataoko, fa ny ratsy izay tsy tiako; ka rahefa tsy ny tiako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny fahotana izay mitoetra ato amiko.

Ka toa misy lalàna toy izao ato amiko: nony te-hanao ny tsara aho, dia ny ratsy no indro misosoka. Satria amin’ny olona ao anaty aho, dia mankasitraka ny lalàn’Andriamanitra ihany, fa ny lalàna hitako amin’ny rantsam-batako sy manohitra ny lalàn’ny saina no manandevo ahy amin’ny lalàn’ny fahotana izay ao amin’ny rantsam-batako. Indrisy! olo-mahantra aho; iza re no hanafaka ahy amin’itý vatam-pahafatesana itý? Hisaorana anie Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika!

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 118, 66-68. 76-77. 93-94


Fiv.: Ampianaro ahy, Tompo, ny fitsipikao.

Ampianaro ahy ny fahaizan-tsoa sy ny fahalalana: fa izaho matoky ny baikonao! Soa Ianao, ry Tompo, sady mpanisy soa: ampianaro ahy ny fitsipikao!
Hampionona ahy anie ny hatsaram-ponao: araka ny teninao tamin’ny mpanomponao. Ny indrafonao anie haninteraka sy hamelona ahy: satria ny Lalànao no firavoako!
Tsy hohadinoiko na oviana na oviana ny lahatrao, izay amelombelomanao ahy! Vonjeo aho fa Anao, sady mikatsaka ny lahatrao!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 12, 54-59


Fantatrareo ny toetry ny lanitra sy ny tany. Ahoana àry no tsy ahafantaranareo ny toetr’izao andro diavintsika izao!

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: “Raha vao mahita rahona avy any andrefana ianareo, dia manao hoe: ‘Ho avy ny orana’, ka avy tokoa izy; ary raha renareo avy atsimo ny rivotra, dia hoy ianareo: ‘Hafana ny andro’, ka tonga tokoa izany. Ry mpihatsaravelatsihy, hainareo fantarina ny toetry ny lanitra sy ny tany, ka ahoana àry no tsy ahafantaranareo izao andro diavintsika izao? Nahoana koa no tsy amantaran’ny tenanareo izay marina? Fa raha miara-mandeha amin’izay manana ady aminao ianao hanatrika ny mpitsara, dia ataovy izay hahafahanao aminy raha mbola eny an-dalana ianareo, fandrao tongany any amin’ny mpitsara ianao ka atolotry ny mpitsara amin’ny mpamatotra, ary alatsaky ny mpamatotra an-tranomaizina. Lazaiko aminao fa tsy ho afaka ao ianao ambara-pahaloanao ny variraiventy farany indrindra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, mihanta aminao izahay manolotra izao fanompoana izao, mba ataovy afaka malalaka manompo Anao ny fonay ary diovy amin’ny fahasoavanao, dia ho mendrika ny handraisanay ny Kômonio.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 32, 18-19

Indro ny mason’ny Tompo eo amin’izay matahotra Azy sy amin’izay matoky ny hatsaram-pony, hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana sy hamelona azy amin’ny andro mosarena.


na hoe:

Mk. 10, 45

Tonga hahafoy ny ainy ny Zanak’Olona mba hanavotra ny be sy ny maro.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo; enga anie hitombo fahamasinana izahay mankalaza sy manatanteraka ny Sorona masina ka sady ho ambinina amin’ny zava-mandalo no hahay hankafy ny soa mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0084