Sorona Masina ny Alakamisy 21 oktobra 2021

Herinandro faha-29 mandavantaona

ALAKAMISY


Tononkira fidirana

Sal. 16, 6. 8


Tompo ô, miantso aho, ka valio: atongilano ny sofinao ka henoy aho! Ambeno toy ny anakandriamaso aho; alofy ao ambany elatrao.


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ataovy miraiki-po lalandava aminao izahay, hanompo Anao avo indrindra amin’ny fonay tokoa.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy

Efez. 8, 14-21


Hiorina mafy amin’ny fitiavana ianareo ka ho feno ny hafenoan’Andriamanitra.

Ry kristianina havana, mandohalika amin’ny Ray aho, dia ny Ray, izay angalan’ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy etý an-tany anarana, mba homeny anareo, araka ny haren’ny voninahiny, ny hankaherezina fatratra araka ny olona anaty amin’ny Fanahy, sy ny hitoeran’i Kristy ao am-ponareo amin’ny finoana, dia ho latsa-paka sy hiorina amin’ny fitiavana ianareo, ka hiara-mahafantatra tsara amin’ny olo-masina rehetra izay sakany sy lavany, ary haavony sy halaliny, sady hahalala ny fitiavan’i Kristy izay mihoatra ny fahalalana rehetra, ka dia ho feno ny hafenoan’Andriamanitra rehetra ianareo. Ary ho an’Ilay mahay manao mihoatra lavitra noho izay angatahintsika sy saintsainintsika, araka ny heriny miasa ato amintsika, eny, ho Azy anie ny voninahitra ao amin’ny Eglizy, sy ao amin’i Kristy Jesoa, hatramin’ny taranaka farany indrindra, sy mandrakizay mandrakizay. — Amen.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 32, 1-2. 4-5. 11-12. 18-19


Fiv.: Ny hatsaram-pon’ny Tompo manerana ny tany.

Hobio ny Tompo, ry olo-marina: dia Ilay mendrika hoderaina, ry olo-mahitsy! Derao amin-dokanga ny Tompo; antsao amim-baliha tory folo!
Fa mahitsy ny tenin’ny Tompo; ara-drariny ny asany rehetra; ny fahamarinana sy ny hitsiny no tiany, ny hatsaram-pon’ny Tompo manerana ny tany!
Ny fanampoizan’ny Tompo maharitra mandrakizay; ny fikasan’ny fony, amin’ny taranaka mifandimby. Sambatra ny firenena tahin’Andriamanitra Tompony sy ny vahoaka nofidiny ho Lovany!
Indro ny mason’ny Tompo amin’izay matahotra Azy, sy amin’izay matoky ny hatsaram-pony, hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana, sy hamelona azy amin’ny tao-mosarena!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm. 6, 19-23


Ankehitriny afaka tamin’ny fahotana ianareo ka efa tonga mpanompon’Andriamanitra.

Ry kristianina havana, miteny araka ny fanaon’ny olona aho, noho ny fahalemen’ny nofonareo: tahaka ny nanoloranareo ny tenanareo hanompo ny fahalotoana sy ny tsy fahamarinana hahatanteraka ny tsy fahamarinana, no aoka hanoloranareo ny rantsam-batanareo ankehitriny hanompo ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana. Fa nony mpanompon’ny ota ianareo, dia olon-ko azy tamin’ny fahamarinana. Inona àry no vokatra azonareo tamin’izay? Vokatra mahamenatra anareo fe ankehitriny, fa fahafatesana no iafarany. Ary ankehitriny kosa, rahefa afaka tamin’ny fahotana ianareo, ka efa tonga mpanompon’Andriamanitra, dia ny fahamasinana no vokatra azonareo ary ny fiainana mandrakizay no hiafaranareo. Fa ny fahafatesana no tambin’ny ota, ary ny fiainana mandrakizay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika kosa no fanomezan’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 1, 1-2. 3. 4 sy 6


Fiv.: Sambatra ny olona manao ny Tompo ho tokiny.

Endrey ny hasambaran’ny olona tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy, tsy mandeha amin’ny lalan’ny mpanota na monina amin’ny fonenan’ny mpaneso fa ny Lalàn’ny Tompo no sitrany; ny Lalàny no saininy andro aman’alina.
Toy ny hazo maniry amoron-drano velona izy: mamokatra ara-potoana, tsy malazo ravina; izay rehetra ataony mahomby avokoa.
Tsy mba toy izany ny ratsy fanahy fa mova tsy akofa paohin-drivotra! Fa ny lalan’ny olo-marina fantatry ny Tompo, ny lalan’ny mpanota kosa mamery.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 12, 49-53


Tsy tonga hitondra fiadanana Aho fa fampisarahana aza.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Tonga hanipy afo etý ambonin’ny tany Aho, ka akory itý faniriako mba hirehetan’izany sahady! Ary manana batemy hanaovana batemy Ahy koa Aho, ka ory manao ahoana Aho ambara-pahatanterak’izany! Moa ataonareo fa tonga hitondra fihavanana etý an-tany Aho? Tsia, hoy Izaho aminareo, fa fampisarahana aza. Satria hatramin’izao raha olona dimy an-trano iray, dia hanao an-daniny, ka hifanohitra ny telo amin’ny roa, ary ny roa amin’ny telo; ny ray amin’ny zanany lahy, ary ny zanakalahy amin’ny rainy; ny reny amin’ny zanany vavy, ary ny zanakavavy amin’ny reniny; ny rafozam-bavy amin’ny vinantony vavy, ary ny vinantovavy amin’ny rafozany vavy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, mihanta aminao izahay manolotra izao fanompoana izao, mba ataovy afaka malalaka manompo Anao ny fonay ary diovy amin’ny fahasoavanao, dia ho mendrika ny handraisanay ny Kômonio.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 32, 18-19

Indro ny mason’ny Tompo eo amin’izay matahotra Azy sy amin’izay matoky ny hatsaram-pony, hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana sy hamelona azy amin’ny andro mosarena.


na hoe:

Mk. 10, 45

Tonga hahafoy ny ainy ny Zanak’Olona mba hanavotra ny be sy ny maro.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo; enga anie hitombo fahamasinana izahay mankalaza sy manatanteraka ny Sorona masina ka sady ho ambinina amin’ny zava-mandalo no hahay hankafy ny soa mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0083