Sorona Masina ny Zoma 17 septambra 2021

Herinandro faha-24 mandavantaona

ZOMA


Tononkira fidirana

Sir. (Ekl.) 36, 18


Omeo fiadanana ireo manantena Anao, ry Tompo; enga anie ho masin-teny ny mpaminany; henoy ny vavak’i Israely mpanomponao sy vahoakanao.


Fangatahana

Topazo maso izahay, ry Andriamanitra mpitantana ny zavatra rehetra, ary ataovy manompo Anao amin’ny fonay tokoa mba handrenesanay ny herin’ny famindram-ponao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto

1 Kôr. 15, 12-20


Raha tsy nitsangan-ko velona i Kristy dia foana ny finoanareo.

Ry kristianina havana, raha torìna ho nitsangan-ko velona àry i Kristy, ahoana itý ilazan’ny sasany aminareo hoe: tsy misy fitsanganan-ko velona? Raha tsy misy ny fitsanganan-ko velona, na dia i Kristy aza tsy nitsangan-ko velona; ary raha tsy nitsangan-ko velona i Kristy, dia foana ny toriteninay, foana koa ny finoanareo! Izahay aza dia ho hita fa vavolombelona mandainga ny amin’Andriamanitra ho nanangana an’i Kristy ho velona, nefa tsy natsangany Izy tsinona raha marina fa tsy mitsangana ny maty. Fa na dia i Kristy aza dia tsy nitsangan-ko velona raha tsy mitsangana ny maty. Ary raha tsy mitsangana ny maty, dia foana ny finoanareo; mbola ao aminareo ihany ny fahotanareo, ary very ry zareo nody mandry ao amin’i Kristy. Ka dia isika no ho fara fahoriana indrindra amin’ny olon-drehetra, raha amin’itý fiainana itý ihany no anantenantsika an’i Kristy. Tsy izany anefa, fa efa nitsangan-ko velona tokoa i Kristy; ary Izy no santatr’izay efa nody mandry.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 16, 1. 6-7. 8b sy 15


Fiv.: Izaho, ry Tompo, hivoky amin’ny Endrikao raha mifoha.

Henoy ny antsoko, ry Tompo! Ataovy re ny tarainako! Mampandria sofina amin’ny tonom-bavako, izay tsy avy amina molotra mpamitaka!
Miantso aho, ka valio, ry Andriamanitra anongilano sofina, henoy teny! Ataovy mahatalanjona ny hatsaram-ponao lehibe, ry Ilay Mpamonjy amin’ny fahavalo an’izay mifefy amin’ny tananao!
Ambeno toy ny anakandriamaso aho, afeno ao amin’ny aloky ny elatrao. Izaho, noho ny fahamarinako, hibanjina ny Tavanao, hivoky amin’ny Endrikao raha mifoha.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’i Timôte

1 Tim 6. 2d-12


Aoka ianao, ry olon’Andriamanitra, hikatsaka fahamarinana.

Ry malala, fantatrao izay tokony hampianarina sy hatorotoro tsara ny olona. Raha misy mampianatra zavatra hafa noho izany, ka tsy manaiky ny teny marin’i Jesoa Kristy Tompontsika, sy ny fampianarana mampanaja an’Andriamanitra, dia olona mpieboebo foana izany, sy tsy mahalala na inona na inona, fa adalan’ady hevitra aman’ady teny, izay miteraka fialonana, fifandirana, fanaratsiana, fiahiahian-dratsy, fifanoherana tsy misy farany, fanaon’ny olona efa ratsy saina sy nialan’ny fahamarinana, ka manao ny fivavahana ho filan-karena. Eny, harem-be tokoa ny fahazotoa-mivavaka omban’ny fianìnana; satria tsy nitondra na inona na inona isika no niditra tamin’izao tontolo izao, ka iaraha-mahita fa tsy hahatondra na inona na inona koa no hiala eto: koa rahefa manan-ko hanina sy hitafiana, dia aoka hianina amin’izany. Fa izay te-hanan-karena, dia tafalatsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika amam-pilàna maro tsy misy heviny sy mampidi-doza, izay mandentika ny olona amin’ny fandringanana amam-pahaverezana. Satria ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, ka ny sasany nentin’izany, dia efa nivily lavitry ny finoana, sy nandefona ny tenany tamin’ny fijaliana maro. Koa aoka àry ianao, ry olon’Andriamanitra, handositra izany zavatra izany, fa hikatsaka fahamarinana, fahazotoa-mivavaka, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy. Miadia ny ady tsaran’ny finoana, ary mahazoa ny fiainana mandrakizay, izay niantsoana anao, sy nanaovanao fanekem-pinoana fatratra teo imason’ny vavolombelona maro.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 48, 6-7. 8-10. 17-18. 19-20


Fiv.: Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ireo ny fanjakan’ny lanitra.

Nahoana aho moa no hatahotra loza hihevitra hoe tsy ho tafarina intsony? Ireo fahavaloko mirehareha, fa manana ka manontany ny ory.
Fa angaha misy olona maha-avo-tena, na hoe afa-mahaloa tamby amin’ny Tompo? Satria lafo loatra tokoa ny avotr’aina, tsy voavidim-bola na oviana na oviana.
Raha misy misondrotra manan-daza. Angaha ny hareny manaraka azy? Raha maty izy hankaiza ny fahamboniany?
Endrey izany lazany teo aloha nohasohasoiny any an-tampon-doha. Izao tafaray amin’ny Razany izy, tsy hahita mazava mandrakizay.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 8, 1-3


Nanaraka Azy ny vehivavy sasany nositraniny tamin’ny aretiny.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa lasa nitety ny tanàna sy ny vohitra, nampianatra sy nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra. Nanaraka Azy ny roa ambin’ny folo lahy sy ny vehivavy sasany nositraniny tamin’ny fanahy ratsy sy ny aretina, dia i Maria atao hoe Madelenina izay nivoahana demony fito, i Joàna vadin’i Kozà mpitandrina ny fananan’i Herôda, ary i Sozàna mbamin’ny maro hafa koa izay nanampy Azy tamin’ny fananany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy


Vavaka Fanolorana

Aoka hanohina ny fonao, ry Tompo, ny fitalahoanay; ary horaisinao ireto fanatitra ataon’ny mpanomponao mba hahavonjy ny be sy ny maro izay atolotry ny tsirairay hanajana ny Anaranao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 35, 8

Endrey, sarobidy ny hatsaram-ponao, ry Tompo! Fa ny zanak’olombelona hialoka ambany elatrao.


na hoe:

1 Kôr. 10, 16

Ny kalisy izay isaorantsika dia firaisana amin’ny Ran’i Kristy; ny mofo izay vakîntsika dia firaisana amin’ny Vatan’i Kristy Tompo.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Haninteraka ny fanahy amam-batanay anie, ry Tompo, ny hasin’ny fanomezanao avy any an-danitra, ka ny hery avy aminy fa tsy ny saim-pantatray, no hitarika anay lalandava.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0083