Sorona Masina ny Alakamisy 02 septambra 2021

Herinandro faha-22 mandavantaona

ALAKAMISY


Tononkira fidirana

Sal. 85, 3. 5


Iantrao aho, ry Tompo, fa miantso Anao tontolo andro; Ianao, ry Tompo, no mazava fo sy malemy fanahy, be hatsaram-po amin’izay rehetra miantso Anao!


Fangatahana

Ry Andriamanitry ny hery rehetra, Soa indrindra no Anaranao; ka ataovy tia Anao tokoa ny fonay, herezo hazoto hanompo Anao, velomy izay tsara mba anananay ary tsimbino lalandava izay novelominao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto

1 Kô 3, 18-23


Anareo ny zavatra rehetra, fa ianareo an’i Kristy ary i Kristy an’Andriamanitra.

Ry kristianina havana, aza misy mamita-tena; fa raha misy aminareo manao ny tenany ho hendry amin’izao tontolo izao, dia aoka ho adala izy mba ho hendry. Satria ny fahendren’izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan’Andriamanitra, araka ny voasoratra hoe: “Ny hafetsen’ny hendry no hamandrihako azy”; ary koa hoe: “Fantatry ny Tompo ny hevitry ny hendry, ary fantany fa zava-poana izany.” Koa aza misy manao olona ho reharehany, fa anareo ny zavatra rehetra, na i Paoly, na i Apôlô, na i Sefasy, na izao tontolo izao, na fiainana, na fahafatesana, na ny zavatra ankehitriny na ny zavatra ho avy: anareo avokoa izany rehetra izany; ianareo kosa an’i Kristy, ary i Kristy an’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 23, 1-2. 3-4ab. 5-6


Fiv.: An’ny Tompo ny tany sy izay mameno azy.

Ny tany, ny hareny: Azy Tompo avokoa; dia izao rehetra izao ary izay monina ao. Naoriny ambonin’ny rano izy ireny, napetrany tsara eo ambonin’ny ony.
Koa zovy no hiakatra hihaona amin’ny Tompo; hanorim-ponenana an-toerany masina? Ny olon-tsy meloka, ny olo-mahitsy sy izay tsy mianiana tsy tò amin’ny hafa.
Dia izy no hany hotsofina rano; ny Tompo Mpamonjy hanome rariny azy. Fa izy no dimbin’ireo izay nizaha ny endrik’Ilay Andriamanitra Tompo.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôlôsy

Kôl. 1, 9-14


Nanafaka antsika tamin’ny fahefan’ny maizina Andriamanitra, ka namindra antsika ho amin’ny fanjakan’ny Zanany.

Ry kristianina havana, hatramin’ny andro nandrenesanay ny fitiavanareo, dia tsy tapaka ny mivavaka ho anareo izahay; ary izao no angatahinay: mba hofenoina ny fahalalana tsara ny sitrapon’Andriamanitra, amin’ny fahendrena amam-pahazavàn-tsaina rehetra ara-panahy ianareo, ka handeha mendrika ny Tompo, sy mahafa-po Azy amin’ny zavatra rehetra; mba hahavokatra amin’ny asa soa rehetra ianareo, sady hitombo fahalalana an’Andriamanitra, mba hampahatanjahina amin’ny hery rehetra araka ny fahefany be voninahitra ianareo, ka handefitra ny zavatra rehetra amim-paharetana sy an-kafaliana; ary misaotra ny Ray, izay nahamendrika antsika hanana anjara amin’ny lovan’ny olomasina any amin’ny mazava, tamin’Izy nanafaka antsika tamin’ny fahefan’ny maizina, ka namindra antsika ho amin’ny fanjakan’ny Zanany malalany, dia Izy kosa no ananantsika ny fanavotana sy ny famelana ny fahotantsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 97. 2-3a. 3de-4. 5-6


Fiv.: Ny Tompo nanambara ny famonjeny.

Hitan’ny firenena rehetra ny famonjeny amam-pahamarinany. Mba tsarovy, ry Israely, ilay Fitiavany tsy mivadika.
He zahao e, ry vazan-tany, izato vonjin’Andriamanitra. O ry tany, derao ny Tompo, ka mientàna amin-karavoana!
Ndao, antsao am-baliha ny Tompo; anaovy antsa sy fihobiana. Feon’antsiva sy anjomara enti-midera ny fiandrianany!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 5, 1-11


Nandao ny zavatra rehetra izy ireo ka nanaraka Azy.

Tamin’izany andro izany, raha teo amoron’ny farihin’i Genezareta i Jesoa, dia nifanesika nankeo aminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin’Andriamanitra. Nahita sambo kely roa niantsona teo amoron-drano Izy (fa niala hanasa ny haratony ny mpanarato), dia niditra tamin’ny sambo kely anankiray izay an’i Simôna ka nangataka taminy mba hihataka kely amin’ny tany, vao nipetraka teo an-tsambo kely nampianatra ny vahoaka.

Rahefa nitsahatra niteny Izy, dia nanao tamin’i Simôna hoe: “Mandrosoa eny amin’ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano.” Fa hoy ny navalin’i Simôna Azy: “Tompoko, efa niasa mafy nandritra ny alina izahay, fa tsy nahazo na inona na inona; nefa noho ny teninao, dia halatsako ihany ny harato.” Nony nanao izany izy, dia nahazo hazandrano be dia be ka nisy rovitra ny haratony. Ary nanàtsika ny namany izay teny amin’ny sambo kely hafa izy ireo mba ho avy hanampy azy: dia tonga ireo, nofenoiny ny sambo kely roa ka efa saika nilentika ny sambo. Nony nahita izany i Simôna Piera dia niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa ka nanao hoe: “Mialà amiko, Tompoko, fa mpanota aho.” Fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy, noho ny habetsahan’ny hazandrano azony; ary toy izany koa i Jakôba sy i Joany, zanak’i Zebede izay iray raharaha tamin’i Simôna. Dia hoy i Jesoa tamin’i Simôna: “Aza matahotra, fa hatramin’izao dia hanarato olona ianao.” Dia nampiantsona ny sambo kely tamin’ny tany niaraka tamin’izay izy ireo ka namoy ny zavatra rehetra ary nanaraka Azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Hirotsaka aminay mandrakariva anie, ry Tompo, ny tso-dranom-pamonjena avy amin’itý tolotra masina itý, ka ho tanteraka ny soa tsy hita maso ambarany.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 30, 20

Tompo ô, akory itý haben’ny hatsaranao izay omaninao ho an’ny matahotra Anao!


na hoe:

Mt. 5, 9-10

Sambatra ny mpampihavana fa hantsoina hoe zanak’Andriamanitra; sambatra izay enjehina noho ny amin’ny rariny fa azy ireo ny fanjakan’ny Lanitra.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Nomenao hery tamin’ny mofo avy any an-danitra izahay, ry Tompo, ka mitalaho aminao: enga anie hankahery ny fonay izao sakafo avy aminao be fitiavana izao ka hamporisika anay hanompo ny namanay noho ny fitiavana Anao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0081