Sorona Masina ny Alahady 08 aogositra 2021

ALAHADY FAHA-19 mandavantaona — B

ILANA FINOANA NY EOKARISTIA

Tononkira fidirana

Sal. 73, 20.19. 22. 23

Tsarovy, ry Tompo, ny fanekena nataonao ary tsinjovy mandrakariva ny ain’ireo mahantranao; mitsangàna Ianao, ry Tompo, ombao ny adinao, ary aza hadino ny fihantsian’ireo mila ady aminao.

 

Asiana VONINAHITRA ANIE...

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, sahinay antsoina hoe Ray Ianao; ka mba ataovy lavorary ao am-ponay ny fanahy nanangananao anay ho zanakao hahamendrika anay hahazo ny lova nampanantenainao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky voalohan’ny Mpanjaka

1 Mpanj. 19, 4-8

Noho ny hery azony tamin’izany hanina izany, dia niakatra ny tendrombohitr’Andriamanitra izy.

Tamin’izany andro izany, i Elia nandositra ny hatezeran’i Jezahela ka nandroso lalana indray andro tany an’efitra; ary nony mby tany izy, nipetraka teo ambanin’ny kofafambohitra anankiray, dia nangataka ny ho faty, nanao hoe: “Aoka izay! Alao amin’izao ny aiko, ry Tompo ô, fa tsy tsara noho ny razako aho”. Dia nandry izy, ka natory teo ambanin’ny kofafambohitra. Fa indro nisy Anjely nanohina azy kosa, nanao taminy hoe: “Miarena ianao hihinana”, Nijery izy, ka indro tao amin’izay niondanany, nisy mofo nendasina tamin’ny vato nohafanaina, sy rano iray tavoara; ary rehefa nihinana sy nisotro izy, dia nandry indray. Fa tonga fanindroany indray ilay Anjelin’ny Tompo, nanohina azy, sy nanao taminy hoe: «Miarena ianao hihinana, fa lavitra loatra ho anao ny dia halehanao». Dia niarina izy, nihinana sy nisotro, ary nandeha efapolo andro sy efapolo alina, tamin’ny hery azony tamin’izany hanina izany, ho any Hôreba tendrombohitr’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 33, 2-3. 4-5. 6-7. 8-9.

 

Fiv.: Ankafizo sy anarano fo, fa mamy ny Tompo.

Izaho misaotra ny Tompo lalandava;
ny fiderana Azy eo am-bavako hatrany.
Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko:
mandrenesa, ry ory, ka mifalia.

Ombay aho mankalaza ny Tompo,
miaraha isika midera ny Anarany.
Izaho nihanta tamin’ny Tompo ka nekeny,
ny tahotro rehetra nalàny tamiko.

Mibanjîna Azy fa ho mirana,
ny henatra tsy hanaloka ny tavanareo;
ity ory velona antso, ka novalian’ny Tompo,
novonjeny tamin’ny ahiahiny rehetra izy.

Ny Anjelin’ny Tompo milasy manodidina
mba hamonjy izay matahotra Azy.
Ankafizo ity hamamin’ny Tompo:
sambatra ny olona mifefy aminy.

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy

Efez. 4, 30—5, 2.

 

Mandehana amin’ny fitiavana tahaka an’i Kristy.

Ry kristianina havana, aza mampalahelo ny Fanahy Masin’Andriamanitra Izay nanasiana tombo-kase anareo, ho amin’ny andro fanavotana. Esory aminareo rehefa mety ho lolom-po, fahatezerana, fahavinirana, fitabatabana, fitenenan-dratsy, ary hasomparana. Fa aoka ianareo samy halemy fanahy amin’ny namany avy, ka hifampiantra sy hifamela heloka, toraka ny namelan’Andriamanitra anareo ao amin’i Kristy. Koa aoka àry hanahaka an’Andriamanitra, toy ny zanaka malala ianareo. Ary mandehana amin’ny fitiavana tahaka an’i Kristy, Izay nanolo-Tena tamin’Andriamanitra noho ny fitiavany antsika, mba ho sorona amam-panatitra mani-pofona hamonjy antsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 6, 41-52

Izaho no mofo velona izay nidina avy any an-danitra.

Tamin’izany andro izany, nimonomonona tamin’i Jesoa ny Jody satria Izy nanao hoe: “Izaho no mofo velona izay nidina avy any an-danitra”. Hoy izy ireo: “Moa tsy i Jesoa zanak’i Jôsefa va ity, izay fantatsika ny rainy aman-dreniny? Ka ahoana àry no anaovany hoe: “Nidina avy any an-danitra Aho?” Fa namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: “Aza mimonomonona ianareo. Tsy misy olona mahay manatona Ahy akory raha tsy taomin’ny Ray izay naniraka Ahy, ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro. Voasoratra ao amin’ny Mpaminany hoe: ‘Hampianarin’Andriamanitra izy rehetra’. Koa izay rehetra nahare tamin’ny Ray ka nianatra taminy no manatona Ahy. Tsy dia hoe nisy nahita ny Ray akory: fa Ilay avy amin’Andriamanitra no hany nahita ny Ray. Lazaiko marina dia marina aminareo: Izay mino Ahy no manana ny fiainana mandrakizay. Izaho no Mofon’aina. Ny razanareo nihinana ny mana tany an’efitra, nefa maty ihany; tsy toy izany ny Mofo nidina avy any an-danitra, fa tsy ho faty izay mihinana azy. Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra: raha misy mihinana ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay izy, ary ny Mofo izay homeko dia ny Nofoko ho fiainan’izao tontolo izao”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, tsy nanaiky an’i Jesoa ho Zanak’Andriamanitra ny vahoaka Jody fahiny; koa mivavaha mba hanazavan’ny Fanahy Masina ny olombelona ankehitriny ka hahatongavany eo amin’ilay Tompon’ny fiainana sy ny fahamarinana.

Valy: Tariho izahay, ry Tompo, hanatona Anao.

* Ny Papa sy ny Eveka no tompon’andraikitra voalohany amin’ny famonjena an’izao tontolo izao; koa mivavaha mba hanana toe-po amam-panahy vonona handray amin-kafaliana ny fampianaran’ny Eglizy ny olombelona rehetra.
* Mila hery hanohana azy mandrakariva ny filoha isan-tsokajiny, na ao am-pianakaviana, na ao amin’ny fokonolona, na eo amin’ny firenena; koa mivavaha mba tsy hangetaheta ambony lakana izy ireo fa hazoto hanovo ny hery rehetra ilainy amin’ny fandraisana ny Eokaristia.
* Maro ny olona mifamoivoy manararaotra izao andro fialan-tsasatry ny mpianatra izao; koa mivavaha mba samy hitandro ny hajan’ny namana sy ny fahalalahan’ny hafa ny mpaka rivotra rehetra.
* Ary mba tsarovy koa ireo marary, indrindra ireo tsy afa-miala eo am-pandriana, nefa ny finaritra tonga hatraiza hatraiza maka rivotra sy miala sasatra: angataho Andriamanitra mba hanala fanaintainana azy sy hanome fiadanana anaty azy.
* Vory laniny eto an-tranon’Andriamanitra isika isan’alahady mba hivavaka sy hihaino ny teniny ary handray Azy; koa mangataha mba hohavaoziny amin’ny teniny sy ny Eokaristia ny fiainantsika manontolo.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.

 

Ry Jesoa Tomponay ô, Ianao niteny hoe: “Izay mino Ahy ho velona mandrakizay”; koa ampitomboy ny finoanay, ary ampianaro izahay hahalala ny Ray, hamelomany anay amin’ny fitiavany.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Mba raiso amin’ny fo tony, ry Tompo, ny tolotra avy amin’ny Eglizinao, fa nomenao tsara fo mba hatolotra Anao ary ovan’ny herinao ho Sorona famonjena anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Alahady tsotra II, ohatra.

 

Kômonio

Sal. 146, 12. 14.

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema! fa manome vary matsiro mahavoky.

 

na hoe:

Jo. 6, 52

Ny Mofo izay homeko, hoy ny Tompo, dia ny Nofoko, ho fiainan’izao tontolo izao.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, enga anie hahazoanay famonjena ny Kômonio noraisinay ka haharitra amin’ny tena fahazavana marina izahay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0195