Sorona Masina ny Zoma 30 jolay 2021

Herinandro faha-17 mandavantaona

ZOMA


Tononkira fidirana

Sal. 67, 6-7. 36


Andriamanitra ao amin’ny toerany masina; mampiditra ny olony ao an-tranony, manome hery sy tanjaka ny vahoakany.


Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao no vonjin’izay miankina aminao ary raha tsy Ianao, tsy misy na inona na inona vanona na masina; koa noho ny famindram-ponao tsy misy fetra dia tahio izahay mampiasa ny zava-mandalo eto an-tany mba tsy ho very anjara amin’ny harena mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Jeremia Mpaminany

Jer. 26, 1-9


Nitangoronan’ny olona rehetra tao an-tranon’ny Tompo i Jeremia.

Tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Jôakima, zanak’i Jôsiasa, mpanjakan’i Jodà, no nahatongavan’izao teny izao, avy amin’ny Tompo, ho amin’i Jeremia: “Izao no lazain’ny Tompo: Mitsangàna ianao eo an-kianjan’ny tranon’ny Tompo, ka lazao amin’izay avy amin’ny tanànan’i Jodà rehetra izay tonga hivavaka ao an-tranon’ny Tompo, ny teny rehetra nasaiko hambaranao aminy: aza misy amelana na dia teny iray aza. Angamba hihaino ihany izy, ka samy hiverina hiala amin’ny lalan-dratsiny avy; dia hanenenako ny loza nokasaiko hamelezana azy, noho ny haratsian’ny ataony. Lazao aminy hoe: Izao no lazain’ny Tompo: Raha tsy manaiky Ahy ianareo ka tsy manaraka ny lalàna nataoko eo anoloanareo; tsy mihaino ny tenin’ny mpaminany mpanompoko, irahiko ho any aminareo, sady nirahiko hatramin’ny vao maraina, kanefa tsy nohenoinareo, dia hataoko tahaka an’i Silao itý trano itý, ary ataoko fanozonana amin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany, itý tanàna itý.”

Ren’ny mpisorona ama-mpaminany mbamin’ny vahoaka rehetra ny nilazan’i Jeremia ireo teny ireo, tao an-tranon’ny Tompo. Nony tapitra voalazan’i Jeremia avokoa izay nasain’ny Tompo nolazaina amin’ny vahoaka rehetra, dia nosamborin’ny mpisorona ama-mpaminany mbamin’ny vahoaka rehetra izy, sady nataony hoe: “Ho faty ianao! Ahoana no aminanianao amin’ny Anaran’ny Tompo hoe: Ho tahaka an’i Silao itý trano itý, ary ho lao tsy misy mponina itý tanàna itý?” Dia nitangoronan’ny olona rehetra tao an-tranon’ny Tompo i Jeremia.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 68, 5. 8-10. 14


Fiv.: Valio araka ny fahamarinan’ny vonjinao aho, ry Tompo!

Ry Andriamanitra ô, maro noho ny volon-dohako ny mpankahala tsy amin’antony; mahery noho izaho ireo mandrafy noho ny endrikendrika. Dia hataoko ahoana anefa ny famerina izay tsy nalaiko?
Noho Ianao no ilonjoako latsa, no mahasafo-kenatra ny tavako: ka vahiny amin’ireo rahalahiko aho, sy olon-kafa amin’ny zanak’i neny? Eny, ny fahasaro-piaroko ny tranonao no maharìtra ny aiko.
Fa izaho mivavaka aminao, ry Tompo! Iantrao aho, ry Andriamanitra, valio noho ny haben’ny hatsaram-ponao, sy araka ny fahamarinan’ny Vonjinao!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Levitika

Lev. 23, 1. 4-11. 15-16. 27. 34b-37


Ireo no fetin’ny Tompo antsoinareo andro tena malaza sy tena masina.

Niteny tamin’i Môizy ny Tompo nanao hoe: “Ireto no fetin’ny Tompo, ny fivoriana masina izay hantsoinareo amin’ny fotoany avy: Amin’ny volana voalohany, andro fahefatra ambin’ny folon’ny volana amin’ilay àty takariva iny, dia Pakan’ny Tompo. Ary ny andro fahadimy ambin’ny folon’io volana io, dia fetin’ny mofo tsy misy lalivay, fankalazana ny Tompo; hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy lalivay. Amin’ny andro voalohany hisy fivoriana masina ho anareo, ary tsy hanao asa-mpanompo na inona na inona ianareo. Mandritra ny hafitoana, hanatitra sorona atao amin’ny afo ho an’ny Tompo ianareo. Ary amin’ny andro fahafito, hisy fivoriana masina ho anareo, tsy hanao asa-mpanompo ianareo, na inona na inona.”

Ary niteny tamin’i Môizy ny Tompo nanao hoe: “Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Raha avy izay hahatafidiranareo any amin’ny tany omeko anareo, ka mijinja ny vokatrareo ianareo, dia hitondra amboaram-bary iray amin’ny mpisorona ho santatry ny vokatrareo. Hahevahevany eo anatrehan’ny Tompo io amboara io, hahitanareo sitraka aminy; ary ny ampitson’ny sabata no hanevahevan’ny mpisorona azy. Ary miantomboka amin’ny ampitson’ny sabata amin’ny andro nitondranareo ny amboara hahevaheva dia hanisa herinandro fito mipaka ianareo. Hanisa andro dimampolo ianareo aloha mandrapahatongan’ny ampitson’ny sabata fahafito, dia hanatitra fanatitra vaovao amin’ny Tompo. Ny andro fahafolon’io volana fahafito io no andron’ny Fanorenana: Hanao fivoriana masina ianareo, hampijaly tena, ary hanatitra sorona atao amin’ny afo ho an’ny Tompo.

Amin’ny andro fahadimy ambin’ny folon’io volana fahafito io, no fetin’ny Tabernakla, mandritra ny hafitoana ho fankalazana ny Tompo. Amin’ny andro voalohany, hisy fivoriana masina. Tsy hanao asa-mpanompo, na inona na inona ianareo; mandritra ny hafitoana dia hanatitra sorona atao amin’ny afo ho an’ny Tompo ianareo. Ary amin’ny andro fahavalo, hisy fivoriana masina ho anareo, ary hanatitra sorona atao amin’ny afo ho an’ny Tompo ianareo, famaranam-pety izany: tsy hanao asa-mpanompo, na inona na inona ianareo. Ireo no fetin’ny Tompo hantsoinareo hanaovana fivoriana masina, hanaterana amin’ny Tompo sorona atao amin’ny afo, sorona dorana, fanatitra, sorona sy fanatitra araraka, samy amin’ny fotoany avy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 80, 3-4. 5-6b. 10-11ab


Fiv.: Hobio Andriamanitra herintsika.

Hobio Andriamanitra herintsika! Derao ny Andriamanitr’i Jakôba! Venteso ny hira, velezo ny amponga; tendreo ny lokanga soa omban’ny valiha! Amin’ny tsinambolana sy fenomanana, tsofy ny anjomara hilanosantsika.
Fa izany no didy, ry Israely, fitsipiky ny Andriamanitr’i Jakôba, nataony lalàna ho an’i Jôsefa, fony izy niala tany Ejipta! Drey! teny tsy fantatro izany henoko izany.
Aza mitahiry andriamanitra vahiny! Aza mitsaoka andriamani-kafa! Fa Izaho no Tompo Andriamanitrao, izay nampiakatra anao avy tany Ejipta!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mitenena Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao: Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 13, 54-58


Tsy ilay zanaky ny mpandrafitra va itý? Taiza no nahazoany izany rehetra izany?

Tamin’izany andro izany nankany amin’ny tany nahabe azy i Jesoa, ary nampianatra tao amin’ny sinagôgany; dia gaga ny olona ka nanao hoe: “Avy taiza àry no nahazoan’izy io izany fahendrena sy hery izany? Tsy ilay zanaky ny mpandrafitra va io? Tsy i Maria va no anaran-dreniny, ary tsy i Jakôba sy i Jôsefa sy i Simôna, ary i Jodà va no rahalahiny ary moa tsy etý amintsika avokoa va ny anabaviny rehetra? Koa taiza no nahazoany izany rehetra izany?” Ary tafintohina taminy izy ireo; fa hoy i Jesoa taminy: “Eo amin’ny tany onenany sy eo amin’ny ankohonany ihany no tsy mba voahaja ny mpaminany.” Dia tsy nanao fahagagana betsaka teo Izy noho ny tsy finoan’ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba raiso ny tolotray fa avy aminao mazava fo sy malala-tanana ka noho ny herin’ny fahasoavanao, enga anie itý mistery itý hanamasina anay eto anivon’ny fiainana ankehitriny ary hitondra anay any amin’ny hasambarana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 102, 2

Isaory ny Tompo, ry fanahiko, aza misy hadinoina ny soa avy aminy.


na hoe :

Mt. 5, 7-8

Sambatra ny mamindra fo, fa hamindràna fo. Sambatra ny mahitsy fo, fa hahita an’Andriamanitra.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, avy nandray ny Kômonio masina fahatsiarovana ny fijalian’ny Zanakao izahay, koa mihanta aminao: enga anie hitondra vonjy ho anay izany fanomezana izany fa avy amin’Ilay fatra-pitia anay.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0998