Sorona Masina ny Alahady 25 jolay 2021

ALAHADY FAHA-17 mandavantaona — B

VELOMIN’ANDRIAMANITRA AMIN’NY MOFO AVY ANY AMINY ISIKA

Tononkira fidirana

Sal. 67, 6-7. 36

Andriamanitra ao amin’ny toerany masina; mampiditra ny olony no an-tranony, manome hery sy tanjaka ny vahoakany.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao no vonjin’izay miankina aminao, ary raha tsy Ianao, tsy misy na inona na inona vanona na marina; koa noho ny famindram-ponao tsy misy fetra dia tahio izahay mampiasa ny zava-mandalo eto an-tany mba tsy ho very anjara amin’ny harena mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky faharoan’ny Mpanjaka

2 Mpanj. 4, 42-44

Nihinana ny olona ary mbola nisy sisa tsy lany.

Tamin’izany andro izany, nisy lehilahy iray avy any Baala-Salira nitondra mofo natao tamin’ny santa-bary ho an’i Elisea, olon’Andriamanitra, dia mofo ôrja roapolo, sy vary vaovao tao an-dasàkany; ka hoy i Elisea: “Omeo ny olona hohaniny”. Fa hoy ny navalin’ny mpanompony: “Hatao ahoana no fandroso izany eo anatrehan’ny olona zato?” Fa hoy i Elisea: “Omeo ireo olona ireo hohaniny; fa izao no lazain’ny Tompo: “Hihinana ny olona ary mbola hisy sisa tsy lany”. Dia norosoana izy ireo ka nihinana, nefa mbola nisy sisa tsy lany araka ny teny voalazan’Andriamanitra.

— Izany ary ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 144, 10-11. 15-16. 17-18


Fiv.: Manokatra ny tananao Ianao ka mamoky zava-tsoa ny miaina rehetra.

Midera Anao, ry Tompo, ny asanao rehetra, misaotra Anao ny mpivavaka aminao; ny voninahitry ny Fanjakanao resahiny, ny asanao mahery teneniny.
Ny mason’ny voaary rehetra miandry Anao, Ianao mpamahana azy ara-potoana: ny tananao sokafanao, dia voky zava-tsoa ny miaina rehetra.
Marina amin’ny lalany rehetra ny Tompo, tsara fo amin’ny asany rehetra; ny Tompo eo anilan’izay miantso Azy, dia ireo izay miantso Azy marina.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy

Efez. 4, 1-6


Tsy misy afa-tsy tena iray, Tompo iray, finoana iray, Batemy iray.

Ry kristianina havana, mangataka aminareo aho, dia izaho izay an-tranomaizina noho ny amin’ny Tompo, mba hanao fitondran-tena mendrika ny fiantsoana niantsoana anareo ianareo, amin’ny fanetren-tena sy halemem-panahy rehetra, amin’ny fahari-po, amin’ny fifandeferana, amim-pitiavana; mikeleza aina hitana ny firaisam-po amam-panahy akamban’ny fihavanana; fa tsy misy afa-tsy tena iray, sy fanahy iray, araka ny niantsoana anareo ho amin’ny fanantenana iray: tsy misy afa-tsy Tompo iray, finoana iray, Batemy iray, ary Andriamanitra iray, izay Rain’izy rehetra, ambonin’izy rehetra, manerana azy rehetra, ary ao anatin’izy rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra ary voninahitra anie any amin’ny Avo indrindra!

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 6, 1-15

Nozarainy ny mofo sy ny hazandrano sady nampanaranany fo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa lasa nankany an-dafin’ny ranomasin’i Galilea, na ny farihin’i Tiberiady, ary vahoaka be no nanaraka Azy, noho izy ireo nahita ny fahagagana nataony tamin’ny marary. Dia niakatra tany an-tendrombohitra i Jesoa, ka nipetraka teo Izy mbamin’ny mpianany. Efa akaiky ny Paka andro lehibe tamin’ny Jody. Nony nanopy ny masony i Jesoa, ka nahita ireto vahoaka be nanatona Azy, dia hoy Izy tamin’i Filipo: “Aiza no hividianantsika mofo hohanin’ireo?” Fantany rahateo ny hataony, fa ny hitsapany azy no nilazany an’izany. Dia hoy i Filipo taminy: “Na dia mofona denie roanjato aza, tsy ampy hahazoan’izy ireo sombiny kely avy akory”. Ny anankiray tamin’ny mpianany koa, dia i Andre rahalahin’i Simôna Piera, nilaza taminy hoe: “Misy zazalahy anankiray manana mofo ôrja dimy sy hazandrano roa ao: fa ho ampy inona izany amin’ny olona maro be toy izao?” Dia hoy i Jesoa: “Asaovy mipetraka ny olona”. Ary nisy ahitra be teo, ka dia nipetraka ny olona, ary tokony ho dimy arivo no isan’ny lehilahy. Dia nandray ny mofo i Jesoa, ka nony efa nisaotra dia nizarazara azy tamin’izay nipetraka ary nomeny toy izany koa ny hazandrano sady nampanaranany fo.

Rehefa voky izy ireo, dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: “Angony ny sombintsombiny sisa tsy lany, mba tsy hisy very”. Dia nangoniny, ka nahafeno sobiky roa ambin’ny folo ny sombintsombin’ny mofo dimy sisa tsy lanin’izay nihinana. Nony nahita ny fahagagana nataon’i Jesoa ireo olona ireo, dia nanao hoe: “Ity tokoa no ilay Mpaminany ho avy amin’izao tontolo izao”. Dia fantatr’i Jesoa fa ho avy haka Azy an-keriny hatao mpanjaka izy ireo, ka lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, Tompo iray, finoana iray, Batemy iray no iombonantsika vahoakan’Andriamanitra rehetra; koa miaraha isika amin’ny kristianina rehetra iray finoana amintsika mangataka amin’ny Tompo, mba hitahiany manokana ireo izay mitady Azy, ho afa-manatona Azy sy miombona aina aminy.

Valy: Kristy ô, ry fiainanay, henoy izahay, ry fiainanay ô.

* Maro ny olombelona noana sy mangetaheta an’Andriamanitra; koa mangataha mba handroso hatrany ny asa fampielezana ny finoana ataon’ny Eglizy, ary mivavaha mba hitombo isa ny kristianina mpikatroka vonona hanampy ny Papa sy ny Eveka ary ny Pretra amin’ny famonjena an’izao tontolo izao.
* Ray aman-dreny natao hikatsaka sy hahita izay ilain’ny vahoaka ny mpitondra ara-nofo; koa mangataha amin’ny Tompo mba hahatontosany ny adidiny ara-pahamarinana hitobahan’ny soa sy hanjakan’ny fiadanana araka ny hevitr’Andriamanitra.
* Sitrak’Andriamanitra ny namahana vahoaka marobe tamin’ny mofo sy ny hazandrano hanambaràny mialoha ny sakafom-panahy amelomany antsika; koa mivavaha mba hazoto hanovo hery amin’ny tenin’Andriamanitra sy ny Eokaristia isika fa ireo no sakafom-panahy ameloman’Andriamanitra ny vahoakany.
* Betsaka ny iray tanàna sy iray asa ary iray fiangonana amintsika no mijaly amin’ny sakafo; koa mangataha mba hahay hifampizara ny manta sy ny masaka hatrany isika.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany


Ry Jesoa Tompo ô, fomba mahagaga no nanomananao sakafo ho an’ireo vahoaka nanaraka Anao; koa ampio izahay hahay hijery izay ilain’ny mpiara-belona aminay, ka hanampy azy araka izay mety ho vitanay ary hitondra azy hankeo aminao, Ilay Mofo tena Fiainana.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba raiso ny tolotray fa avy aminao mazava fo sy malala-tanana; ka noho ny herin’ny fahasoavanao, enga anie ity mistery ity hanamasina anay eto anivon’ny fiainana ankehitriny ary hitondra anay any amin’ny hasambarana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady tsotra VI, ohatra.


Kômonio

Sal. 102, 2

Isaory ny Tompo, ry fanahiko, aza misy hadinoina ny soa avy aminy.


na hoe:

Mt. 5, 7-8

Sambatra ny mamindra fo, fa hamindrana fo. Sambatra ny mahitsy fo, fa hahita an’Andriamanitra.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, avy nandray ny Kômonio masina fahatsiarovana ny fijalian’ny Zanakao izahay, koa mihanta aminao: enga anie hitondra vonjy ho anay izany fanomezana izany fa avy amin’Ilay fatra-pitia anay.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0081